Tantara tamin'ny 18 Jona 2012
Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra
Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.
Ejipta: Fihodinana Farany Amin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena An-Tsary
Ny 16 Jona, nantsoina hifidy ry zareo Ejiptiana, amin'ny fihodinana faharoa izay ho filoham-pirenena [...] tena mampanaintaina na dia ny hisafidy amin'ny mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, Mohamed Morsi sy ny Praiminisitry ny fitondrana teo aloha, Ahmed Shafiq az
Ejipta: Milaza Fandresena Ny Mpirotsaka Ho Filoha Avy Amin'ny Firahalahiana Silamo
Nanambara i Mohamed Morsi, mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, fa izy no nandresy tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Ejiptiana, nandresy an'ilay praiminisitr'i Hosni Mubarak, Ahmed Shafiq, nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety nataony tamin'ny 4 maraina tao Cairo ny 18 Jona
Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly
Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.
Ny Antony Mahatonga Ny Herisetra Any Andrefan'i Myanmar.
Am-polony no maty, maherin'ny roa arivo ny trano may ary mponina telo alina no nifindra monina noho ny herisetra tao amin'ny fanjakan'i Rakhine ao andrefan'i Myanmar. Iza no tompon'andraikitra amin'ireny fahafatesana ireny ? Nahoana ny aterineto no manaparitaka fanavakavahana sy fankahalana ? Ahoana no fijerin'ny olom-pirenena tsotra ity raharaha sarotra ity ?
Arabia Saodita : Ny Fahafatesan'ny Printsy Mpandova Fanjakana
Nandevina ny Printsy mpandova fanjakana, Nayef bin Abdulaziz Al Saud, i Arabia Saodita androany. Ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana taorian'ny nahafatesany.
Arabia Saodita : Ny Fiantraikan'ny Fahafatesan'i Nayef
Ny fahafatesan'ny Printsy mpandova fanjakana ao Arabia Saodita sady Minisitry ny Atitany, Nayef bin Abdulaziz Al Saud, 78 taona, dia nambara ny 16 Jona. Maneho hevitra momba ilay vaovao ireo mpiondana aterineto.