Ao Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo hivelomana sy hamidy ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena tery aza. Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny antoka ara-tsakafony. Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.
Avy amin'ilay fanadihadiana novokarin'ny “Mammut Film Production” God save the green na Manavotra ny Voly Andriamanitra nosoratan'i Michele Mellara sy Alessandro Rossi no nipoiran'io ampahany fohy io mikasika ny ‘bag method’ fomba ampiasàna harona plastika izay manome fahafahana ho an’ ireo mpamboly ao Nairobi hamboly anana bebe kokoa ho anà- fianakaviana misy olona enina ao anatin'ny iray metatra tora-droa, atao mijidina:
Be a Blessing Today na Meteza ho Fahasoavana Anio dia nampakatra andianà lahatsary maro mampianatra karazana teknikam-pambolena avy ao amin'ny sahany any Kenya. Iray amin'izany ilay hita tetsy aloha bag method, miaraka amin'ny fanatsarana mba hanamora ny fanondrahana :
Teknika roa hafa nampianarin'ny ” Be a Blessing” na “Meteza ho Fahasoavana ” dia ny raised bed walls fambolena manara-drindrina, sy ny stairway farming manao an-tanan-tohatra, ireo fomba roa ireo dia samy manao izay maha-mety ny toerana misy ho fanamorana ny fambolena , amin'ny famoronana ny ” raised beds” izay tsy ilàna fihondrehana intsony rehefa mijinja sy mamboly, ary amin'ny fanomezana fahafahana hamboly eny amin'ny toerana mazava .
Teknika hafa izay tena ilain'ny mponina mpamboly eny amin'ny toerana voafaritra no nozarain'ny olona hafa tao amin'ny YouTube avy amin'ny faritra samihafa vazan-tany efatra. Ity fampiasana tavoahangy plastika voatapaka hambolena sakafo eny amin'ny zaridaina mijidina ity izao dia ohatra lehibe iray tena ilaina :
Ity iray ity izao dia mampitombo ny voliny eny amin'ny tampony sy eny ambanin'ilay tavy plastika vita avy amin'ny tavoahangin-drano lehibe notapahina :
Ity lahatsary iray hafa ity dia mampiseho antsika fomba maro ahitàna fa ireo kodiarana notapahina ihany koa dia azo ampiasaina ho toy ny tavy eny an-jaridaina :