Tantara tamin'ny 07 Jona 2012
Aung San Suu Kyi Nitsidika An'i Thailandy
Mbola filohan'i Etazonia i Ronald Reagan tamin’ ny fotoana nandaozan'i Aung San Suu Kyi, loka Nobel an'i Myanmar. 24 taona lasa izay. Tamin'ity herinandro ity, nanao fitsidihana tao Thailandy izy ka nikabary...
Shina: Avela Heloka Ny Mpandripaka Olona Tao Tiananmen?
Nandritra ny fotoana fiareta-tory fanao isan-taona tamin'ny 4 Jona 2012 tao Hong Kong no nanoratan'ilay mpitarika mpianatra teo aloha Chai Ling tao amin'ny Huffington Post fa efa navelany ny heloky ny mpamono olona nandritra ny fandripahana. Tsy manaiky izany ijoroan'i Chai Ling izany ny mpitarika mpianatra iray hafa Wang Dan ka namoaka fanambarana ampahibemaso izay niteraka adi-hevitra.
Bolgaria: Niteraka Fanontaniana Ny Fanomezana Natolotry Ny Filoha Ho An'ny Papa
Nitsidika an'i Vatican ny filohampirenena Boligara Rosen Plevneliev tamin'ny 24 Mey, Andron'ny Fampianarana sy ny Kolontsaina ao Bolgaria sy Andron'ny Literatiora Slavy. Nandritra ny fihaonany tamin'i Papa Benoà XVI, nanolotra atody paka goavambe ho...
Noferan'i Zambia Indray Ny Vidin'Ny Katsaka, Ka Mahasorena Ny Banky Mondialy
Efa niteraka roaka sy tonga hatrany amin'ny fikasana hanongam-panjakana ny fiakaran'ny vidin'ny katsaka, foto-tsakafon'i Zambia. Mbola nandraikitra ny vidiny farany ambony indrindra ihany ny manampahefana zambiana na dia eo aza ny fampitandremana nataon'ny Banky Mondialy amin'ny fahapotehan'ny sehatry ny fambolena vokatr'izany fanapahan-kevitra izany.
Kenya : Mahazo Laka Ny Fambolena Eny Andrenivohitra
Ao Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo hivelomana sy hamidy ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena tery aza. Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny antoka ara-tsakafony. Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.