Tohina ny mpanakanto Shurooq Amin rehefa nakatona tsy misy fanazavana ny fampirantiana hosodoko nataony. Maro ny tatitra nilaza fa nisy lehilahy telo tonga tao amin'ny fampirantiana, ora telo taorian'ny fisokafany, ary nanaisotra ny tabilao, ka niteny fa nahazo fitarainana momba ny votoatin'ny hosodoko ry zareo.
Nisiokantsera tao anatin'ny hatairana ny artista ny faha-5 Marsa rehefa nitranga ny raharaha tamin'ny filazana hoe:
@shurooqamin: They want to take down the #paintings! #art #censorship #kuwait
Tao anatin'ny andro vitsivitsy dia nissesisesy ny siokantsera, ho fanohanana ny mpanosodoko tamin'ny fampiasana tenifototra #painttofreedom [hosodokohoaminnyfahafahana]. Tamin'ny fanehoan-kevitra manohitra ny hosodoko lazaina fa sary ‘vetaveta sy tsy fampiseho masoandro’, nanoratra ny mpisera Twitter Koesiana iray:
@AladdinsWife: If you don't know the definition of pornography it's not our problem! look it up in a damn dictionary!
Tsy olana aminay raha tsy hainareo ny atao hoe sarim-betaveta! mba jereo ny rakibolana re!
Nanampy i Shahd Alshammari:
@ShahdAlshammari: This is so disappointing, when art is sentenced to death.
Ao amin'ny dinidinika nifanaovana tamin'ny gazety Al-Qabas, namely ny sivana ao Koety i Amin tamin'ny filazana fa mandika ny hosodoko araka izay itiavany azy ny lehilahy nanakatona ny ranty nataony fa hoe tsy manaja ny fomban-drazan'ny fiarahamonina ireo ka nesorina. Nomarihan'i Al-Qabas fa mety ho io no trangan-javatra [mampalahelo] voalohany teo amin'ny tantaran'i Koety. Namoaka fanambarana an-tserasera ihany koa ny hetsiky ny [antoko] ankavia koesiana ho fitsipahany izay antsoiny ho ‘Fanarahamaso ny zavakanto ataon'ny fitondrana.’
Mandritra izany fotoana izany ny mpamosa-kevitra an-gazety sy mpampianatra anjerimanontolo ny profesora Suad Al Mojel (@suadalmojel) dia nisiokantsera fa [ar]:
Namoaka hafatra mitondra ny lohateny hoe “Mandoko ho amin'ny Fahafahana” ny mpibilaogy Abrar AlShammari:
We can’t find proper books in our own country anymore, now with Virgin being shut down and all the good writers banned in the other bookstores. Our movies are censored, and instead we’re fed a bunch of media advertisements to turn us into consumerist robots during those 15 minutes that the cinema had cut out. Our writings are censored, it’s inappropriate to write about love and inappropriate to address the endless issues our society is facing. How does denial help anyone? Why is it believed that if we pretend a problem doesn’t exist, it’ll go away? It only gets worse the more it’s ignored
Nanampy i AlShammari:
The intellectuals of the Arab society need to unite to fight censorship and ignorance and regression.
Heverina ho mampiady hevitra ihany ny hosodoko ho an'ny sasany satria miresaka ny fady momba ny fananahana. Ny fampirantiana dia nampitondraina ny anarana hoe “Tontolon'ny lehilahy iray” ary io no iray amin'ny hosodoko heverina ho mampiady hevitra. Nivoaka tao amin'ny Twitter:
Ho setrin'ny fanakatonana ny fampirantiana dia navoakan'i Amin amin'ny vohikala ato ny hosodokony.