Tantara tamin'ny 13 Marsa 2012
Fanafihana ao Gaza, Malaza Ny #TerroristIsrael Ao Amin'ny Twitter
Nanaparitaka vaovao tsy an-kiato mikasika ny #GazaUnderAttack tao amin'ny Twitter ny Palestiniana sy mpitolona Palestiniana hatramin'ny 9 Martsa 2012, noho ny fanafihana miseho ao Gaza izay niteraka fahafatesana Palestiniana 23 sy maratra maherin'ny 100,...
Koety: Rantin-Javakanto Nakatona Fa “Mamohehatra”
Tohina ny mpanakanto Shurooq Amin rehefa nakatona tsy misy fanazavana ny fampirantiana hosodoko nataony. Maro ny tatitra nilaza fa nisy lehilahy telo tonga tao amin'ny fampirantiana, ora telo taorian'ny fisokafany,...
Zambia: Mangataka Ny Firenena Hanaja Ny Zon'ny Pelaka i Ban Ki-moon
Nitsidika an'i Zambia ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-moon vao haingana izay, nanatrika ny parlemanta, nihaona tamin'ireo mpanao politika malaza, isan'izany ny filoham-pirenenan'ny Repoblikan'i Zambia voalohany Kenneth Kaunda ary nitsidika ny toerana fizahan-tany voalohan'ny firenena, Randranon'i Victoria any Livingstone, tanàna any atsimon'ny firenena . Tsy nisy na iray aza tamin'ireo niteraka resabe tahaka ny fanentanany ny firenena hanaja ny zon'ny pelaka.
Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju
Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny...
Palestina: Voatafika Indray i Gaza
Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.
Ségou Villages : Mitady Fomba Ahafahana Miditra Aterineto

Miely manerana ny lemaka maina ahitana Baobaba mitsitokotoko etsy sy ery ny tanàna ambanivohitr'i Ségou. Ity faritra ao Mali ity dia miavaka amin'ny fisian'ireo mponina tambanivohitra mivelona amin'ny karazam-pambolena, sy...