Iran: Taratasinà Bilaogera Iray Voafonja “Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry”

Dr. Khazali sy ny zanany vavy

Dr. Mehdi Khazali, iraniana bilaogera iray voafonja, mpanonta boky ary mpanakiana ny governemanta, diananoratra taratasy iray tamin'ity volana ity avy any am-ponja, nanoritsoritany ny  “Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry”  tamin'ny niainany voalohany ny tsy rariny any am-ponjan'i Iran izay iatrehan'ireo voafonja ny fampijaliana sy ny fanamelohana ho faty tsy misy antony.

Ny zanakavavin'i Khazali  (etsy amin'ny sary) sy ny vadiny dia voasambotra nandritra ny fotoana fohy ihany koa.

Ny taratasin'i Mehdi Khazali dia navoaka tao amin'ny bilaoginy manokana (ny mafàna fo sasany dia manome ny tenimiafina sy ny fidirana amin'ny bilaoginy sy ny kaonty Facebook alohan'ny tsy hahafahan-dry zareo miditra amin'izany intsony).

Manoratra izy [fa]:

Olona iray no nohelohina ho faty noho izy nandray mailaka sandoka miaty fehezanteny iray sy tapany. Izay hitan'ireo masoko roa dia mpifonja tsy manana ny zony ao anaty fitsarana revolisionera. Maro ireo tsy manana zo hanana fiarovana araka ny lalàna, tsy misy olona manan-jo hamaky  hamaky ny antontan-taratasy momba azy mba hahafahana miaro samy irery ny tena… Tsy azonao atao akory na dia ny mamaky ny didim-pitsarana navoaka ho anao aza alohan'ny hanaovanao sonia azy.

Manampy ilay bilaogera hoe :

Mpifonja telo niray efitra tamiko no voasazy 17 taona an-tranomaizina teo anatrehanà fitsarana tsy naharitra afa-tsy roa minitra monja. Ny iray tamin'izy ireo no efa nanao fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny 10 andro izao… Kristiana telo no aty amponja koa, noho ny finoana arahany fotsiny ihany.

Khazali dia miteny fa ireo mpifonja izay afaka tamin'ny andiam-pamonoana tamin'ny 1988 ary tafaraka aminy ao am-ponja, sady nilaza taminy mikasika ny vatam-paty (ny fampijaliana ny sasany amin'ireo mpifonja dia ny fampidirana azy ireny ho anaty vatam-paty) na trano vy.

Khazali dia nanoratra taratasy ho an'i Ahmad Montazeri, izay zanakalahin'i Hussein-Ali Montazeri, Ayatollah Lehibe farany. Ny  Ayatoolah Montazeri dia nanakiana ireo andiam-pamonoana faobe sy namoaka ho fantatry ny rehetra vaovao sasantsasany amin'ity lohahevitra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.