Ny lahatsoratra farany indrindra ao amin'ny blaogin'i Ghrer dia mifantoka amin'ny fisamborana an'ilay mpitoraka blaogy Siriana Anas Maarawi (izay efa afaka amin'izao fotoana izao), momba ny fahalalahana any Siria. Tafiditra aoa anatin'izany lahatsoratra izany ny filazalazana ny momba ny zavatra atrehan'ny mpitoraka blaogy any amin'ny firenena:
كمدونين لا نملك غير قلمنا لنعبر عن جزء يسير جداً مما يعتمل في قلوبنا من خوف على الوطن من هذا الوحش الذي يسمى فساداً والمحمي بقوة القانون الأمني الذي لا يعلوا فوقه قانون
Niara-nanao fanentanana amin'ny Facebook ireo mpitolona mitaky ny famotsorana azy, sy blaogy iray hitakian'izy ireo amin'ny manampahefana Siriana mba hamoaka vaovao momba an'i Ghrer sy hamotsotra ireo nosamborina, noho ny tsy fanajàna ny lalàna sy ny zon'olombelona (fanambaran feno amin'ny teny Anglisy ato):
Mangataka izahay ny filazana tsy an-kiandriandry izay hitranga amin'ny namanay sy mpiara-mitoraka blaogy, Hussein Ghrer, sy ny famotsorana ireo gadra noho ny fahatsiarovan-tena, satria tsy mifanaraka amin'ny lalàna sy ny zon'olombeloa ny fisamborana azy ireo. Mangataka ny fanatsaharana ny fanenjehana ato amin'ny fahalalahana miteny, satria ny hery jamba, na hatraiza na hatraiza herin'izany, dia hijanona ho jamba, ary hitongilahila mandra-pianjerany tanteraka.
Miaraka amin'izany fanentanana izany ireo mpitoraka blaogy maneran-tany, izay haingam-pitombo noho ny fanaparitahana natao tamin'ny twitter:
Omniya: Mety ho ianao no Hussein, mety ho izaho. mety ho iray amin'ireny mandeha eny an-dalana ireny . # FreeHussein #Syria
Tsy momba antsika ny fahanginana ankehitriny. Tsy mila firenena izay managadra antsika noho ny fitenenana zavatra iray isika. Mila firenena mitia sy mandray teny izahay.