Siria : avy any amin'ny vahohon'ny fahafatesana ka hatrany amin'ny fihin'ny anjara

Mpamonjy voina avy amin'ny Tafika Misatroka Manga mampahery Siriana iray namoy ny fianakaviany nandritra ny horohorontany. Sary an'i Baynana, nampiasaina nahazoana alalàna.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Ayhman Al Sati dia navoaka voalohany tamin'ny 10 Febroary 2023 tao amin'ny Baynana, media iray amin'ny fiteny Arabo. Naverina navoaka ny dika nasiam-panovàna teo ambany mba ho avoaka ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Afaka manao veloma ny fahafatesana ve isika ? Tsy maheno antsika izy no sady tsy mamaly antsika. Mandà ny handao antsika izy, manaraka antsika eny amin'izay alehantsika. Afaka mandositra any amin'ireo faritra na ireo firenena azo antoka kokoa isika, saingy tsy azo giazana ny fiarovana.

Hovitrovitra mahafaty no nandavaka ny fahanginana ary nanozongozona tamin-tahotra ny alin'ny 6 Febroary tao Tiorkia. Nirodana ireo tranobe, nanitsoka an'ireo mponina tao anatiny tao anatin'ny indray mipi-maso monja. Niparitaka nanenika an'i Siria ny hatezeran'ilay horohorontany nony avy eo ka nandravarava tao Lattaquié, Tartous, Hama, Alep ary tany Avaratra-Andrefan'ny firenena.

Tena efa mahazatra loatra ny fahafatesana any amin'ireo tanàna Siriana anjakan'ny famoretana, ity mpiaradia tsy mifanary amin'ny ady ity efa nandritra ny 11 taona. Tsiro mafaitra efa nogohan'ireo mponina maro ny tahotra sy ny faharavàna. Zary mozika tena mahazatra ny firodanan'ireo tranobe sy ny hiakiakan'ny fangirifiriana, raha toa ka lasa fanao mahazatra ny fiandrasana mampihoron-koditra ny fakàna an'ireo razana any anatin'ny fatin-korontana. Mafaitra ny tsiron'ny fahafatesana, na dia miova aza ny tsirony.

Tao atsimon'i Tiorkia, samy tototry ny korontana avokoa i Ahmed Saad Eldin Alsalamat, ny vadiny Sahab Riyadh Abou Hosainy ary ireo zanany vavy Dima sy Bana. Nanakoako tato amiko ny anaran'izy ireo sy ny anaram-boninahiny ; fianakaviana iray misy olona efatra, tahaka ny ahy, avy ao Tasil tanàna niaviako, miorina ao amin'ny faritr'i Daraa, atsimon'i Siria. Nandositra ny fahafatesana lavareny tao Siria izy ireo mba hialokaloka tao Tiorkia, izay niandrasan'ny fahafatesana azy ireo. An'arivorivony ny anarana tahaka ny azy ireo. Ireo olona maro nahita ny toeram-ponenany farany tany Tiorkia sy Siria.

Nanana zanakavavy roa maha-te-ho tia i Ahmed sy Sahab, Dima ary Bana, izay samy latsaky ny enin-taona avokoa. Hita nifamihina ary samy sarona tao ambanin'ny korontam-baton'ny trano fialokalofany avokoa izy efa-mianaka ireo. Fony fahavelon'izy ireo dia nifamikitra nandritra ny taona maro ary feno fahavononana hiatrika fahafatesana eo am-pifamihinana. Rehefa afaka nandositra ny fangejan'ny fahafatesana tany amin'ny taniny dia niaritra ny ngidin'ny fifindramonina izy ireo ary nahita fialofana tao amin'ny firenena iray hafa ka farany dia tany no maty.

Namely ny faritra Avaratra-Andrefan'i Siria ny horohorontany, faritra iray izay antsoin'i Rosia sy Siria hoe faritra “ivelan'ny fifehezan'ny Fanjakana”, saingy izahay no tia miantso azy hoe faritra afaka amin'ny fifehezana jadona rehetra. Mahazo tatitra matetika izahay milaza fahafatesan'olona am-polony matin'ny fanafihana an'habakabaka ataon'i Rosia sy Siria. Rerak'ity fahafatesana isan'andro ity ny mponina, ny fandravana mikorisa tsy tapaka sy ny fandosirana tsy azo ihodivirana mankany amin'ireo toby tototra olona.

Amin'izao fotoana izao, hazain'ny tena krizy amin'ny maha-olona ireo faritra Avaratra-Andrefan'i Siria ireo. Araka ny voalazan'ny Firenena Mikambana dia mponina 14,6 tapitrisa ao amin'ity faritra ity no mila tohana maika noho ny fahirano sy daroka baomba tsisy farany zakain'izy ireo, na talohan'ny horohorontany aza. Ankehitriny dia mifindrafindra tsy tapaka izy ireo, avy amin'ny toby iray mankamin'ny toby iray hafa, amina korontan-javatra miavosa iray mankamin'ny iray hafa.

Fa mahonena  fotsiny izao ny zava-misy any an-toerana, miaraka amin'ny sampana fitsaboana tena marefo sy tsy fahampian'ny fahaizamanao entina miatrika ny vonjy taitra. Ny Fiarovana Sivily no hany fanantenana tokana ho an'ireo olona tafahitsoka ao ambanin'ny korontam-bato, fantatra tsara amin'ny anarana hoe Tafika Misatro-manga. Nambaran'izy ireo hoe tra-boina ilay faritra, vao ny andro voalohany fotsiny tamin'ny horohontany. Indrisy, efa mihoatra ny fahafahana voafetra ananan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo ny halehiben'ny loza. Mbola ratsy ny toe-draharaha, miaraka amin'ny tsy fisian'ny fitaovana sy ny masinina ilaina ary ny tsy fisian'ny drafitr'asa mazava.

Miantso an'ireo tafahitsoka ao ambanin'ny korontam-baton'ny tranon'izy ireo ny ekipa mpamonjy voina : “Valio azafady ; misy olona mbola velona ve ao aminareo ao ?”

Namana marobe sy mpiara-miasa ao amin'ireo faritra rava ireo no niteny taminay fa nangina ny tabataban'ny olona tafahitsoka tao ambanin'ny korontam-bato satria taraiky ny hetsika famonjena. Efa mahazatra anay Siriana  ny mihiakiaka sy miangavy famonjena saingy tsisy mpihaino.

Maty anaty fahanginana hatrany ireo Siriana, miaraka amina fanampiana kely na fiahiana avy amin'izao rehetra izao. Indraindray anaty daroka baomba, indraindray noho ny fampijaliana any am-ponja, ary amin'ny fotoana hafa mandritra ny dia mampidi-doza mamakivaky ny ranomasina sy ranomasim-be handeha hitady fitoniana. 11 taona no niandrasan'ireo olona nidonam-pahoriana ireo an'izao tontolo izao mba hampaneno ny amponga fiafaràn'ny ady. Nefa mitohy maneno hatrany ny amponga any amin'ireo firenena hafa, fa tsy mangina.

Ny ampitson'ny horohorontany, nilaza ny Filoha Tiorka, Recep Tayyip Erdogan, fa tonga ny fanampiana avy amin'ireo firenena 45. Saingy kilometatra vitsivitsy miala eo, ao Avaratra-Andrefan'i Siria, dia tsy misy fanampiana tonga mihitsy ka voatery niatrika ny anjarany sy ny ambana ny ho faty noho ny horohorontany ny olona.

Ireo izay sisam-paty dia ireo tany ivelan'ny tranon'izy ireo, ankizy, vehivavy ary ireo hafa dia teny andalam-be niady tamin'ny andro manorana hatramin'ny nisian'ilay horohorontany. Rava ankehitriny ny tranon-dry zareo, na mitresaka. Tahotra no mameno ny fon'izy ireo, tsy misy fanampiana na vonjy voina manangasanga. Ary ny fiainan'izy ireo, misafotofoto.

Tsy tonga saina ireo ankizy, tsy mitombin-tsaina ; samy maminavina izy ireo hoe : “mbola hisy horohorontany hamely indray ve ?”

Tamin'ny fotoana nanoratana  ireto andalana ireto dia nanao tatitra ny minisitry ny Fahasalamana tao amin'ny fitondrana Siriana fa nisy maherin'ny 1 347 no maty ary maherin'ny 2 300 no naratra tao amin'ny faritra Halab, Lattaquié, Tartous ary Hama. Tsara marihana anefa fa tsy tena isa farany ireo isa ireo.

Mandritra izany fotoana izany, ao Avaratra-Andrefan'i Siria, ny fikambanana Tafika Misatroka Manga dia nandrakitra fahafatesana maherin'ny 2 037 sy olona maratra mihoatra ny 3 000, isa mety hitombo ihany koa satria fianakaviana an-jatony no mbola tafahitsoka any ambanin'ny korontam-bato.

Nanakoako mafy ny tomany sy ny hiakikan'ireo vahoaka Siriana tamin'ity indray mitoraka ity, ary toa mbola  henjana kokoa ny loza voajanahary noho ny loza nataon'ny olombelona. Na  izany aza, mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana : hisy olona hamaly ny antso vonjinay ve, sa mbola ho any an-tsofin'ireo marenina indray ny fahorianay ka hamela anay hahatezitra an'izao tontolo izao amin'ny fijaliana sy hiakiakanay mandra-panadino anay afaka andro iray na roa ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.