Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2011
Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC
Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.
Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net
Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny Global Voices Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe. Miompana manokana...
Ejipta: Raharaha Fampijaliana Iray Hafa Indray Taorian'ny Revolisiona
Mitombo ny hatezerana ay Ejipta rehefa maty (voalaza fa teo am-pelatanan'ireo polisy nisambotra azy) i Essam Atta, lehilahy 23 taona nogadraina nandritra ny roa taona taorian'ny fitsarana miaramila. Lilian Wagdy dia mamintina ireo fanehoan-kevitra tamin'ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra momba izany vaovao izany.
Syria: Nanjavona Tany Damaskosy Ny Mpitoraka Blaogy Malaza Iray
Niala tao an-tranony tao Damaskosy ilay mpitoraka blaogy Siriana Hussein Ghrer tamin'ny Alatsinainy 24 Oktobra, ary tsy mbola niverina. Izy dia lehilahy 30 taona, manambady ary manan-janaka roa. Ny lahatsoratra farany indrindra ao amin'ny blaogin'i Ghrer dia mifantoka amin'ny fisamborana an'ilay mpitoraka blaogy Siriana Anas Maarawi (izay efa afaka amin'izao fotoana izao), momba ny fahalalahana any Siria.