Ny Asabotsy 10 Septambra 2011 dia niatrika ny fitsarana nasionaly tao Jeddah noho ny “faniratsirana ny fitsarana” ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona, Waleed Abu Alkhair (@abualkhair). Saodiana maro mpandefa tweet no niresaka ilay raharaha Abu Alkhair tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #abualkhair sy #wAbuAlkhair mba hanehoana ny fanohanany sy hanakianana ny fomba fiasan'ny manampahefana manoloana ireo mafàna fo, na etsy ankilany, hilazàna an'i Abu Alkhair ho “mpitsikilo miasa ho an'ny vahiny” izay namadika ny fiandrianana Saodiana tamin'ny fifandraisany.
Taty aoriana kely,nambàra fa ilay Saodiana mafàna fo dia tsy hoe fotsiny niatrika ny fiampangana azy ho naniratsira fitsaràna ihany, fa koa tamin'ny fitakiany momba ny rafitra lalam-panorenana mifototra amin'ny fitondran'olon-tokana ary fiampangana hafa izay nolavin'ny mpitsara ny hanome ny dika mitovy aminy ho an'i Abu Alkhair. Amin'ireto tweet manaraka ireto, ilay mafàna fo dia nandefa tweet mikasika ny fiampangana azy sy ny zava-nitranga nandritra ny fitsarana azy voalohany :
قابلت مساعد القاضي وقرأ علي التهم وهي كالتالي الإساءة للقضاء وللعاملين فيه والتواصل مع جهات أجنبية
من التهم المطالبة بالملكية الدستورية والمشاركة في قنوات إعلامية لتشويه سمعة البلاد
ايضا من التهم تحريض زوجتي سمر بدوي على السلطات, القاضي رفض إعطائي نسخة من لائحة الاتهام
وأيضا رفض تحديد موعد للجلسة القادمة, أخبرني بأنهم سوف يتصلون بي لموعد الجلسة القادمة
القضية منظورة لدى القاضي عبدالمجيد الشويهي والمدعي العام لم يحضر وانا راجع بيتنا خخخ
نسيت أن أضيف أن من ضمن التهم: تأليب الرأي العام ضد النظام العام للبلد
Mansour johny (@Alasbani1), Saodiana mpandefa bitsika, dia nanoratra fanakianana an'io fitsarana io :
في السعوديه فط تحاكم بسبب اراءك .. كانك أقترفت جريمة ضد أحدهم
Saodiana iray hafa mpandefa tweet i (@MyyVoicee) no nanoratra mikasika io mifandray amin'ny resaka fahafahana maneho hevitra :
نعرف جميعا ان محاكمه ابو الخير هي محاكمه مزروه هدفها قمع الحريات
Mosfer Alwadee (@MosferAlwadee) nandefa tweet manakora mikasika ilay fitsarana :
المطالبه بالاصلاح الدستوري جناية والدعوة لاصلاح القضاء اهانه والدفاع عن حقوق الناس تاليب ضد الدولة،مالذي بقي من المضحكات?
Ilay mpiara-manorina & Filohan'ilay Fikambanana Miaro ny Zon'ny Saodiana sivily sy ara-politika, Mohammad Al-Qahtani (@MFQahtani), dia nampifandray ilay fitsarana tamin'ny famoretana :
@MFQahtani:ny fitsarana an'i #abualkhair dia nampiharihary fa tena mpanavakavaka sy anjakàn'ny politika ny fitsarana #saodiana! Moa ve dia lasa fitaovana iray hamoretana koa ny fitsarana?
Saodiana mpandefa tweet antsoina amin'ny anaram-petaka hoe (@Saamaa2) na izany aza no mijoro ery amin'ny lafiny iray manohitra an'i Abu Alkhair :
@Saamaa2 : Mampihomehy hoe ahoana ireo saribakoly voro-damba tahaka an'i #abualkhair #wAbuAlkhair no tsy manana olona na dia iray aza hiaro azy afa tsy ny saribakoly voro-damba tahaka azy ihany & fikambanana tsy ampy fahamatorana.
Abdulaziz (@abumjd) niainga tamin'ny maha” mpitsikilo miasa ho an'ny vahiny” an'i Abu Alkhair :
عندما يهاجم القضاء من أجل عميل فابتسم أنت في السعودية
Saodiana iray amin'ny anaram-petaka hoe (@SAHER1010) no nanoratra :
وليد ابوالخير..يعتقد ان كونه “عميل” في منظمة “هيومن رايتس”سيوفر له غطاء “عالمياً”عند محاكمته…مايمديك العب غيرها