Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Fihetsiketsehana Tany Tripoli

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ireo Fihetsiketsehana any Libia 2011.

Tsy dia fotoana maha-sahirana loatra ny fiafaran'ny fahavaratra any amin'ny tontolon'ny blaogy Rosiana, nefa mavitrika ireo mpampiasa aterineto amin'ny firesahana ny momba ny tranga vao haingana tany Libia. Raha ampitahaina tamin'ny volana Aprily 2011, rehefa nandinika voalohany ny fihetsika Rosiana tamin'ilay disadisa ny Global Voices, hita mizara kokoa ny hevitra ankehitriny; nizara ho vondrona roa miavaka, mpanohana sy mpanohitra an'i Kolonely Kaddhafi, ireo mpitoraka blaogy.

Ny sehatra liberaly sy nasionalista dia nanohana ireo mpikomy, raha nanohana an'i Kaddhafi kosa ireo kaominista sy ny ‘impertsy’ (bilaogera “imperial” tia tanindrazana) ary nanameloka ny OTAN ho tsy nanàja ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana.

Frequency of keywords "Libya" (blue) and "Qaddafi" (green) in the Russian blogosphere. Source: Yandex.Pulse

Fiverimberenan'ny tenifototra "Libia" (manga) sy "Kaddhafi" (maitso) ao amin'ny tontolon'ny blaogy Rosiana. Loharanom-baovao: Yandex.Pulse

Ny “imperial” tia tanindrazana sy ny kaominista dia mifikitra amin'ny kabary milaza “tsikombakomba Tandrefana”. Araka ny efa nomarihan'i Marina Litvinovich tery aloha, miparitaka amin'ireo mpitoraka blaogy tia tanindrazana sy kaominista ny fangorahana an'i Kaddhafi. Maromaro, anisan'izany ireo mafana fo efa nahazoazo taona, no nivory teo anoloan'ny Masoivoho Libiana ao Mosko, ho fanehoana ny fanohanany an'i Kaddhafi. Tatitra an-tsary momba ilay hetsika, nataon'i zyalt [ru] sy dervishrv [ru].

Qaddafi supporters in Moscow. Photo by Ilya Varlamov

Mpanohana an'i Kaddhafi any Mosko. Sary avy amin'Ilay Varlamov

Nikolay Starikov, iray amin'ireo mpanao fampielezankevitra malaza indrindra amin'ny aterineto, dia nanoratra [ru] hoe:

Что происходит в Ливии? После безуспешных попыток свергнуть законную власть руками «ливийских власовцев», после попыток сломить Каддафи бомбардировками, Третий Рейх, то есть простите, «демократические» страны выложили свой последний козырь. Массовый десант своего спецназа в столицу Ливии. Который прикрывается авиацией НАТО, а также враньем и  сценическими постановками «свободных СМИ».

Inona no mitranga any Libia? Taorian'ny fikasàna tsy nahitam-bokany hanonganana ny governemanta ara-dalàna niaraka tamin'ny fanampian'ireeo mpiara-miasa Libiana, taorian'ireo fikasana hamotika an'i Kaddhafi amin'ny fanapoahana baomba, ny “Reich” Fahatelo, na, miala tsiny, ireo firenena “demokratika”namoaka ny karatra “joker” farany. Fiantsonana miaramila marobe tao amin'ny renivohitr'i Libia. Izay notohanan'ny fiaramanidin'ny OTAN sy ny lainga ary ireo tranga mifanao antanantohatra atambatry ny “fampielezam-baovao malalaka.”

Ary namintina tamin'ny faminavinàna fa mety ho an'isan'ireo kendren'ny OTAN manaraka i Rosia, amin'ny famerenana misimisy kokoa ny tenin'ny Tsar Rosiana Alexander III:

У России есть только три союзника: ее армия, флот и органы госбезопасности. Все остальные при первой возможности на нас ополчатся.

Namana telo ihany ny miaraka amin'i Rosia: ny tafika, ny tafika an-dranomasina, ary ny sampan-draharaha misahana ny filaminana. Izay olon-kafa rehetra dia mety hanohitra antsika raha vao mahita hirika hanaovana izany.

Notoherin'ilay nasionalista Rosiana Vadim Bulatov [ru] izany fomba fijery izany :

1) Армия, включая элитную бригаду «охраны» Каддафи, до последнего воевать не стала. […]
2) Массы народа воевать на улицы не вышли. Скорее всего, понимая бессмысленность этой войны в блокированном от воды, пищи и прочего мегаполисе. Степень идеологического противостояния ливийского народа колониальной войне под своим руководством Каддафи вообще переоценил. Значит, антиколониальная риторика сейчас не работает как сильная идеология. Идеологическая война под антиколониальными лозунгами не эффективна. […]

1) Ny tafika, anisan'izany ny “brigade d'élite” an'ny mpiambina an'i Kaddhafi, dia nanapa-kevitra fa tsy hiady mihitsy hatramin'ny farany. […]
2)Ny vahoaka dia nanapa-kevitra ny tsy hidina an-dalàm-be hiady hiaraka amin'ireo mpihoko. Toa fantatry ry zareo tsara fa tsy misy dikany ny ady any an-tanàna miaraka amin'ny fanakanana ny loharanon-drano, sakafo, sy ny ambiny rehetra. Diso nomen'ny kolonely lanja loatra ny hamafin'ny fanoherana ara-ideolojika ataon'ny vahoaka Libiana manohitra ny ady fanjanahantany tarihan'i Kaddhafi. Izany hoe, tsy miasa tahaka ny fironan-kevitra mafonja ny kabary tsara lahatra manohitra ny fanjanahantany. Tsy mahomby ny ady ara-ideolojia eo ambanin'ny filamatra manohitra ny fanjanahantany. […]

Ankoatra ny fivakisana matetika eo amin'ny mpanohana sy ny mpanohitra, nanome fanamarihana mahaliana ny mpitoraka blaogy sasany momba ny tranga ao anatin'i Tripoli sy ny manodidina azy.

brainw45h dia nanamarika [ru] esoeso iray hoe velomin'ny mpanohitra azy i Kaddhafi sy ny idealiny:

[…] смотрю я на то, что происходит в Ливии уже полгода и понимаю – идеалы молодого полковника Каддафи, грезившего арабским анархизмом, наконец воплотились в жизнь.(Вот серьезно, именно таким мне и представляется анархизм.) По иронии судьбы и к большому несчастью для Каддафи они воплотились при его жизни и во время его правления.

[…] Mijery izay zava-mitranga any Libia aho efa ho taona iray izao ary azoko fa – ny idealin'ny kolonely tanora iray, Kaddhafi, izay nanonofy ny fanjakan'i Baroa Arabo, dia tanteraka ihany nony farany. (Tena marina fa toy izao mihitsy no niheverako izany hoe fanjakan'i Baroa). Indrisy anefa ho an'i Kaddhafi, nampiharina izany nandritra ny fiainany, sy ny fitondràny.

Oleg Kozyrev dia namàrana [ru] hoe:

Главный урок истории с Ливией – диктаторы и век Интернета несовместимы. Поначалу сломаются диктаторы малых стран, а потом и больших. Один за одним, неумолимо.

И только чрезвычайная бедность (Африка) или полное отсутствие Интернета (Северная Корея) на какое-то время могут каким-то диктаторам продлить существование. Но, думаю, 21-й век все же их последний век.

Ny lesona lehibe indrindra amin'ny tantara Libiana dia ny hoe – tsy afa-miaraka ny mpanao jadona sy ny vanimpotoanan'ny aterineto. Tamin'ny voalohany dia niala maina ireo mpanao jadona tany amin'ny firenena madinika, dia avy eo indray rava ny mpanao jadona tany amin'ny firenen-dehibe . Tsirairay, tsy nisy fanàfany.

Ary ny fahantrana lalina (Afrika) na ny tsy fisian'ny aterineto mihitsy (Korea Avaratra) no mety, farafaharatsiny mandritra ny fotoana voafetra, hahafahan'ny mpanao jadona manalava ny andro iainany. Nefa amiko dia ny taonjato faha-21 no taonjato farany ahitàna azy ireo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Libia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.