Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

Hatramin'izay nikarakaràn'i Bob Geldof sy Midge Ure fiakarana an-tsehatra ho fanampiana, fampiaraham-peo hitadiavana vola hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ao Etiopia ny13 Jolay 1985, izay nahavoriana mpijery 2 tapitrisa avy aminà firenena 150, ny fampisehoana nahomby toy izany dia lasa nalaza maneran-tany.

Fa ny votoatin'ity hetsika ity dia ny Fampisehoana ho an'i Bangladesh, ilay fampisehoana fitadiavam-bola roa nokarakarain'ireo mpanakato George Harrison sy  Ravi Shankar ny 1 August 1971, zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i  Bangladesh.

Naadir Junaid ao amin'ny  Sachalayatan no namatsy [bn] ny fototr'ilay tantaranà seho :

১৯৭১ সালের আগস্ট মাস; এক ভয়াল সময় অতিক্রম করছে বাংলাদেশের অগণিত মানুষ। বিশ্বের বৃহৎ পশ্চিমী রাষ্ট্রগুলি বাংলাদেশে পাকিস্তানী সামরিক বাহিনীর গণহত্যা আর ধ্বংসযজ্ঞের ব্যাপারে সচেতন হচ্ছে না। বাংলাদেশের মানুষের যৌক্তিক দাবী দমন করার জন্য পাকিস্তানী সামরিক সরকার বেছে নিলো নির্মম সামরিক আক্রমণের পথ; অজস্র বাঙালী তাদের ঘরবাড়ি ছেড়ে, কেবল প্রাণ বাঁচানোর তাগিদে ভারতে শরণার্থী হিসেবে আশ্রয় নিলো। শুরু হলো বাংলাদেশের মুক্তিসংগ্রাম। অথচ ক্ষমতাধর মার্কিন যুক্তরাষ্ট্র বিশ্বের এই প্রান্তে নিজেদের রাজনৈতিক প্রভাব টিকিয়ে রাখার জন্য নতুন দেশ হিসেবে বাংলাদেশের আবির্ভাবের বিরোধিতায় ব্যস্ত। বাংলাদেশের শরণার্থীদের আশ্রয় দেয়ার জন্য, বাঙালী মুক্তিযোদ্ধাদের সমর্থন করার জন্য ভারতের প্রধানমন্ত্রী ইন্দিরা গান্ধী তখন নিক্সন প্রশাসনের চক্ষুশূল।

Aogositra 1971 tamin'izay ; mponina maro tao  Bangladesh no nandalo fotoan-tsarotra. Ny firenen-dehibe Tandrefana matanjaka dia tsy nahatsikaritra ny famoretana sy ny genocide nataon'ny tafika Pakistane tao Bangladesh (avy eo  Pakistana atsinanana ). Nisafidy ny fomba ara-miaramila hampanginana ny fangatahana mari-pototry ny sivily tao Bangladesh ny miaramila Pakistane. An-tapitrisany ireo mponina tao Bangladesh no nandao ny fonenany mba hanavotra aina ary betsaka no nialokaloka tany amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana tany Inde mpifanolo-bodirindrina aminy. Nefa ny Amerikana ngezalahy nanohitra  fahaterahan'ilay firenena vaovao antsoina hoe Bangladesh mba hitazonana fotsiny ny tombotsoa politikany ao amin'ilay faritra. Ny Praiministra Indiana Indira Gandhi dia notezeran'ny Biraom-pitantanan'i Nixon noho izy nandray ireo  mpialokaloka avy ao Bangladesh ary nanampy ireo mpitolona ho amin'ny fahafahana.

[..]

Ivelan'ilay Rakikira

এমন পরিস্থিতিতেই ১৯৭১ সালের পহেলা আগস্ট বাংলাদেশকে সাহায্য করার জন্য বাংলাদেশের স্বাধীনতা যুদ্ধের প্রতি বিরূপ মার্কিন যুক্তরাষ্ট্রেই আয়োজন করা হয় এক অসাধারণ কনসার্ট, যা ইতিহাসে স্থান করে নিয়েছে বিভিন্ন কারণে। এর আগে কখনো একদল অসম্ভব খ্যাতিমান এবং বরেণ্য সঙ্গীতশিল্পী কোন দেশকে সাহায্য করার জন্য একসাথে কোন অনুষ্ঠানে অংশগ্রহণ করেননি; ইতিহাসে এমন কনসার্ট এই প্রথম। এই কনসার্ট অগণিত মানুষের সামনে তুলে ধরে সঙ্গীত আর শিল্পের শক্তি, যে শক্তি অতিক্রম করে যায় অনেক রাজনৈতিক শক্তিকেও। নিউ ইয়র্কের ম্যাডিসন স্কোয়্যার গার্ডেনে উপস্থিত হওয়া বহু মার্কিন তরুণ-তরুণী দেখতে পান তাদের প্রিয় সঙ্গীতশিল্পীরা তুলে ধরছেন মানবতা আর বর্বরতার পার্থক্য, আর তাঁরা সবাইকে আহ্বান জানাচ্ছেন অসহায়, অত্যাচারিত মানুষের পাশে দাঁড়াবার জন্য যখন তাদের দেশের সরকারকে বহু নিপীড়িত মা আর শিশুর ক্রন্দন স্পর্শ করছে না। রবি শঙ্কর কনসার্টে আসা অসংখ্য দর্শকদের উদ্দেশ্যে বলেন, “আমরা কোন রাজনীতি করতে আসিনি; আমরা শিল্পী। আমরা শুধু আমাদের অনুষ্ঠানের মধ্য দিয়ে একটি বার্তা পৌঁছে দিতে সমবেত হয়েছি। আমরা চাই আমাদের সঙ্গীত আপনাদের বাংলাদেশের মানুষের তীব্র বেদনা আর মনোযন্ত্রণা অনুভব করতে সাহায্য করুক”।

Noho ny toe-draharaha nisy dia nisy fampisehoana iray nomanina ny 1 Aogositra 1971, tao Amerika indrindra, izay tsy natao ho an'ny Adim-Panafahana tao Bangladesh. Namela marika teo amin'ny tantara io fampisehoana io noho ny antony maro samy hafa. Tsy mbola nisy hatramin'izay hoe manan-talenta maro sy mpihira malaza maro no nivondrona hanampy mponina iray, firenena iray; voalohany teo amin'ny tantara ny toy izany. Nampiseho tamin'ny olona ny herin'ny mozika sy ny zavakanto io fampisehoana io, izay nanakona tanteraka ny herin'ny politika. Tanora lahy sy vavy maro be no nijoro teo amin'ny kianja “Madison Square Garden” , nijoro ho vavolombelona teo anoloan'izy ireo ny amin'ny fomba nanasarahan'ireo mozisiana ankafizin'izy ireo ny atao hoe Fitsinjovana ny maha-olombelona sy ny fomban'olon-dia, ahoana no nandrisihan'izy ireo ny olona hijoro hilahatra amin'ireo olona tsy misy mpanampy, nampihorohoroana rehefa tsy tohina amin'ny fahasahiranan'ireo reny voaporitra sy ny zaza mitomany ny governemantan-dry zareo. Niteny tamin'ireo mpitsetsitra i Ravi Shankar : ” Tsy tonga ho an'ny politika izahay; mozisiana izahay. Nivondrona izahay hanapariaka hafatra iray monja. Tianay ho tsapanareo amin'ny alalan'ny mozikanay ny alahelo mafy sy fahasahiranan'ireo mponina ao Bangladesh.”

Fonony ivelan'ilay rakikira fampisehoana ho an'i Bangladesh

Nanatona ahy ilay namako,
Niaraka tamin'ny alahelo anaty masony,
Niteny tamiko izy hoe mila fanampiana,
Alohan'ny hahafatesan'ny fireneny,
Na dia tsy tsapako aza ny hirifiry,
Fantatro fa mila manandrana aho,
Anio aho mangataka anareo rehetra,
Mba hanampy anay hanavotra aina
(Bangladesh: George Harrison)

Naadir nahatsiaro fa  ilay hira  ‘Bangladesh’  hirain'i  George Harrison dia nampangovitra azy ary nanainga ny fanahiny, rehefa nohenoiny 20 taona taty aoriana ilay hira dia mbola mitovy ihany ny zavatra tsapany.

Valobashar Deyal (Wall Of Love) na ( Rindrim-pitiavana) [bn] dia nanandratra fankasitrahana ho an'ireo mpanakanto ireo :….

সবসময়ের শ্রদ্ধা আর ভালবাসা থাকবে এই সব গুনী মানুষদের জন্য,যাদের প্রান কেদেছিল এই আমার মাটি আর মানুষের জন্য ১৯৭১ এর স্বাধীনতা সংগ্রামকালীন সময়ে। [..]

কেন জানি বিশ্বাস হয় সেই সময়ের কনসার্টে যারাই দর্শক হিসেবে অংশ নিয়েছিল তারা সবাই ই আমাদের দেশের শুভ কামনার জন্যই জড়ো হয়েছিল।

Ny fisaoranay sy ny fanajanay dia ho mandrakizay ho an'ireo olona manan-talenta ireo;  izay nahatsapa sy nitomany noho ny manjo ireto olona ireto sy ny firenena tamin'ny taona 1971, nandritra ny adim-panafahana taty aminay.Mino aho fa  ireo izay tonga tamin'ilay fampisehoana dia nanana firariana soa ho an'ireo olona ireo .

Bangladesh, Bangladesh
Bangladesh, Bangladesh
Rehefa mody any andrefana ny masoandro
Olona an-tapitrisa no maty ao Bangladesh
….
Ary ireo mpianatry ny Anjerimanontolo
Natory am-pilaminana ny alina mangina
Tonga hitifitra azy ireo teny ambony fandriana ireo miaramila
Ny horohoro no nandrakotra ireo hiakam-pahatairana tao an-trano fandriana
Ary endri-pahanginana mangatsiaka be sy ondana mihoson-drà (Joan Baez)

Teo amin'ny 40.000 teo ny olona nanatrika ilay fampisehoana ho an'i  Bangladesh ary  $243,418.50 no voaangona tamin'ilay hetsika ka natolotra ny Unicef ho an'ireo ankizy mizaka ny vokatry ny ady tao Bangladesh. Ny famarotana ny rakikira sy ny DVD dia mbola mitohy mampitombo ny vola miditra amin'ny “the George Harrison Fund for UNICEF” na ny Tahirim-bola George Harrison ho an'ny UNICEF.

Ny Tahirim-bola George Harrison ho an'ny UNICEF, ho fankalazana ny faha 40 taonan'ilay fampisehoana  ho an'i Bangladesh, dia mandefa manontolo ny lahatsarin'ilay fampisehoana ATO hatramin'ny 1 August  2011 11:59 hariva EDT.

Sary nindramina tamin'i Omi Rahman Pial

Omi Rahman Pial ao amin'ny Somewhereinblog dia nampahatsiahy [bn] ny rehetra fampisehoana iray hafa ho an'i Bangladesh adino, izay natao tao Kennington Oval any  London ny 18 Septambra 1971. Ireo dokambarotra ho an'ilay fampisehoana nantsoina hoe  “Veloma ry Lohataona” dia nilaza mazava tsara fa “Fampisehoana gadona Rock ilay izy Ho Fanampiana Ireo Niharam-boina Tao Bangladesh”. Ireo mpanakanto hita tao  The Who, The Face (teo amin'ny feo: Rod Stewart), America, Mott The Hoople sns..

Mosaddik Uzzal mampahafantatra [bn] fa ny governemanta ao Bangladesh dia hanome fankasitrahana isan-karazany ho an'ireo firenena namana nanampy an'i Bangladesh sy ho an'ireo mponina ao  Bangladesh nandritra ny adim-panafahana 1971. Ilay lisitra dia ahitàna ny mpanakanto George Harrison, Bob Dylan, Joan Baez ary Pandit Ravi Shankar ankoatra ireo maro hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.