Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

11 Aogositra 2011

Tantara tamin'ny 11 Aogositra 2011

Filipina: Fiankohofana Amin'ny Tany Ho Fanoherana Ny Fanenana Ny Vola Ho An'ny Fampianarana

Mpianatra an'arivony no nidina an-dalam-be tao Filipina ny 19 Jolay 2011, mangataka ny fampiakarana ny teti-bola ho an'ny fampianarana avy amin'ny Filoha Noynoy Aquino andro vitsivitsy monja talohan'ny fanambarany ho an'ny firenena. Nampiasa ny fiankohofana amin'ny tany ireo mpianatra mba hanehoan'izy ireo ny alahelony.

Côte d'Ivoire : Misaona i Abidjan Taorian'Ilay Loza Mahatsiravina Niseho.

Andro manjombona ho an'i Cote d'Ivoire ny andro Zoma 5 aogositra. Olona 40 no namoy ny ainy ary sivy naratra noho ny fianjeran'ilay fiara tao anaty hantsana Ebrié niaraka tamin'ny mpandeha rehetra tao anatiny fitateran'olona an'ny orinasa mpitatitra Abidjaney (SOTRA) mampitohy ny faritra ao Vridi sy Adjamé  . Namoaka didy 3 andro...

Okraina: Fampianarana Mitoraka Bilaogy Hamelezana Ireo Vondrona Mampietry

Anatina fanadihadiana amin'ny alàlan'ny mailaka, miresaka momba ny traikefany amin'ny fampianarana ny fahaizana misolo vava miaraka amin'ireo vondrona mampihena ny faharatsiana izay ampahany amin'ny Fikambanan'ny teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana vava ny Fitsaboana Fanolo (ASTAU) i Anastasia Bezverkha, ary ny tombontsoa azon'ireo vondrona ireo amin'ny fitantarana ny tantarany avy...

Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh

Moldova: Fidarohana Mpanao Gazety Nahatonga Resabe Tao Amin'ny Aterineto Momba Ny “Fomba Fiteny “

Nahatonga resabe tao amin'ny aterineto momba ny habibiana izay nizizotra ela loatra teo amin'ny Moldavy maro an'isa sy ireo Rosiana vitsy an'isa ao amin'ny firenena ny herisetra iray nianjady taminà mpanao gazety Moldavy iray.

Balkana: Ambonin'ny Antsasaky ny Mponina no Mampiasa ny Aterineto

Nitatitra momba ireo vokatry ny fandalinana ny fampiasana ny Aterineto any amin'ny faritr'i Balkana i Danica Radovanovic.