Mikasa ny hanao sit-in androany alina (27aprily) ireo mpanao gazety Koety mba hitaky ny fanovana ny anarana ” Làlana Fanaovan-gazety” amin'ny anaran'i Mohammed Mousaed Al-Saleh, iray amin'ireo Koesiana mpanentana politika fanta-daza, sy nanoratra ho an'ny gazety Al-Qabas mandavataona, sy nitsikera ny karazana fijery politika sy sosialy hita eo amin'ny fiainana andavan'andro.
Nirona tany amin'ny famoronana gazety Al-Watan ny asany eo amin'ny fanaovan-gazety. Nahazo ny fankasitrahan'ny mpamaky marobe tao Koety izy tamin'ny fomba nanehoany ny fomba fisainan'i Koesiana. Nahazo ny Amboara ho an'ny Fampahalalam-baovao Arabo tao Dubai koa izy, noho ny niasany ela teo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao sy ny fanaovan-gazety.
Tamin'ity Alahady ity, nahatsiaro ny zava-bitany sy ny ezaka vitany tamin'ny tweet ireo mpiserasera ary nangataka ny governemanta mba hanova ny anaran'ilay làlana fantatry ny be sy ny maro amin'ny anarana hoe “Làlana Fanaovan-gazety” ho “Làlana Mohammed Mousaed Al-Saleh” ho mariky ny fahatsiarovana ny zava-bitany toe amin'ny asa fanaovan-gazety Koesiana. Nandà ny tsy handray izany soso-kevitra izany anefa ny Minisitry ny tanandehibe, Fadhel Safar, fanapaha-kevitra izay tsy nankasitrahan'ireo Koesiana marobe, indrindra tamin'ny alalan'ny Twitter mampiasa teny fototra #ShaikhAlKotab (Ny Zokiny indrindra amin'ireo Mpanoratra).
Ali Khaja, tanora mpitolona sy mpanentana ara-politika ni-tweet hoe:

Sarin'ilay mpanoratra Koety farany Mohammed Mousaed Al-Saleh. Sary nalefa tao amin'ny bilaogin'ilay mpanoratra Koetiana Ibrahim Al-Mulaifi.
Nabila Muzaffar, vehivavy mpitantara fanta-daza Koesiana tao amin'ny Twitter nanoratra hoe:
Faisal Al-Qinai, filohan'ny Fikambanana Mpanao Gazety sy mpanentana ara-politika ao amin'ny gazety Al-Seyassah nampiasa Twitter koa mba haneho ny tsy fanekeny ny fanapaha-kevitry ny minisitra:
Mishari Buyabis, mpanentana ao amin'ny Twitter fanta-daza amin'ny tsikera ataony isan'andro amin'ilay praiminisitra Koesiana izay nataon'ny polisim-panjakana misahana ny Fiarovana fanadihadina iray volana lasa izay, nanoratra hoe:
Nolazaina tamin'ny fomba feno fanesoana koa ireo fihetseham-po manoloana ny fanapaha-kevitry ny minisitra, sady maneso ny fihaviany Persiana. Abdulwahab Al-Essa, tao amin'ny fahitalavitra Al-Watan , namazivazy ny Minisitra Safar amin'ny fomba fiteniny Persiana tao amin'ny Twitter .
Al-Issa, sahirana koa izy raha namaritra ny ekipa mpanao baolina kitra Saodiana eto an-toerana ho toy ny “ny sisa tavela amin'ireo mpivahiny” – satria mainty fihodirana avokoa ny ankamaron'ireo mpilalao. Ni-tweet izy hoe:
Naneso ny fomba fitenin'ireo terak'i Persiana koa ny tsikera hita farany tao amin'ny tweet, ary koa ny fomba ratsy Arabo.
Tanora lehilahy Koetiana Khaled Al-Mutawa hafa koa no naneso ny maha Persiana an'ilay minisitra tao amin'ny Twitter, tamin'ny fampiasana ny fomba fijery Koesiana izay atao matetika amin'ireo Koesiana teraka Iraniana, milaza azy ireo ho toy ny “mpivaron-kena”. Al-Mutawa nanoratra hoe:
Bilaogera Koesiana sy mpikatroka Ibrahim Al-Mulaifi [ar], etsy andaniny, no nisafidy nanambara ny tsy fanekeny ny fanapaha-kevitra tsy hanova ny anaran'ny làlana, tamin'ny alalan'ny fanentanana ireo vahoaka hanao sit-in ao amin'ny Làlana Fanaovan-gazety androany mba hitaky ny hanomezana anarana vaovao indray ny làlana amin'ny anaran'i Al-Saleh. Nanoratra izy hoe: