Tantara tamin'ny 30 Avrily 2011
Gabon : Fiverenan'ny Fandraharahana Eo amin'ny Sehatry ny Solika sy ny Fampiasam-bola Indray
Ny Alatsinainy 8 Aprily, niverina niasa ireo mpiasan'nysehatry ny solika ao amin'ny (ONEP)ont repris le travail. Ny ONEP dia nanao fitokonana mba hisian'ny fepetra vaovao momba ny asan'ireo mpila ravinahitra eo amin'io sehatra io, izay «ampangain-dry zareo ho maka ny toerana tokony ho an'ireo Gabone ». Iadian-kevitra ankehitriny ny momba ny hitsinjaràna ny vola azo avy amin'ny solika ho an'ny faritra:
Kolombia, Faratampon'ny Fampitandremana Taorian'ny Oram-baventy
Anatin'ny mena faratampon'ny fampitandremana i Kolombia noho ny oram-baventy. Mponina aminà departemanta 28 no voadona mafy tokoa: tondradrano, tany mihotsaka ary fiakarana tampoky ny renirano sy ireo riandrano kely izay namela tra-boina maherin'ny telo tapitrisa sy sasany.
Kanadà: Tanora Indizena Mizara ny Soatoavin-dry Zareo anaty Fifaninanana Lahatsary
Tanora indizena (zanatany) avy amin'ny vondrom-piarahamonina Kanadiana efatra samihafa no mizara ny fanantenan-dry zareo, ny tantarany ary ny nofinofiny anaty andianà lahatsary fohy ao amin'ny "Ny Habako. Ny Tantarako", ka ao ry zareo no miresaka mikasika ireo zavatra manahirana azy ireo amin'ny maha tanora indizena azy.
Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina
Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti eraky ny rindrina ao Caire.
Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?
Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30 Desembra 2006. Marobe ireo mpiserasera nihevitra ny horonantsary ho lainga ary mampanantena ireo mpijery izany fa efa maty sy nalevina i...
Koety: Sit-in ho Fanovana ny Anarana “Làlana Fanaovan-gazety” Amin'ny Anaran'i Al-Saleh
Mikasa ny hanao sit-in androany alina (27aprily) ireo mpanao gazety Koety mba hitaky ny fanovana ny anarana ” Làlana Fanaovan-gazety” amin'ny anaran'i Mohammed Mousaed Al-Saleh, iray amin'ireo Koesiana mpanentana politika fanta-daza, sy nanoratra ho an'ny gazety Al-Qabas mandavataona, sy nitsikera ny karazana fijery politika sy sosialy hita eo amin'ny fiainana andavan'andro....