Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.
Tamin'ny Sabotsy nisy vondrona manampahaizana amin'ny Teknolojia nanao fihaonambe ho fanoherana ny governemanta ary nitondràna sorabaventy amin'ny fomba sy fitenin'ireo “mpiondana”. Teny an-toerana ilay mpandefa bitsika, Jalal Al-Jazeeri @JTheIslander, izay sady mpiondana teknolojia rahateo ihany koa ka nandefa tamin'ny alalan'ny bitsika an'ireto sary ireto izay maneho ny sasany amin'ireo asa famoronana tena mahaliana
@JTheIslander mihirahira hoe: “IT Sinna o shia” plixi.com/p/81757795
“IT Sinna o Shia” dia tandindona hafan'ny teny filamatra efa nisy nampiasa izay midika hoe “Mpirahalahy, Sunna sy Shia”
@JTheIslander Ny sora-pamantarana ny fihaonamben'ny mpiondana teknolojia manohitra ny sivana. plixi.com/p/81752318
Ity sora-pamantarana ity dia maka endrika mitovy amin'ilay pejy mampahatahotra “Vohikala Voabahana” ampiasaina rehefa miditra aminà pejin'ny vohikala iray voarara any Bahrain.
Naneho ny fihetseham-pony tamin'ny alalan'ny baiko PHP momba ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Shaikh Khalifa bin Salman Al-Khalifa, ihany koa ireo mpiondana teknolojia..
Baiko php an'i @JTheIslander ao anatin'ny fihanonamben'ireo mpiondana amin'izao. plixi.com/p/81753449
..ary ny lalam-pohy amin'ny fitendry!
@JTheIslander SHIFT+DELETE KHALIFA! plixi.com/p/81754122
@JTheIslander ILAY PEJY MANGAN'NY FAHAFATESANA! plixi.com/p/81754415
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.