Ny 21 Febroary 2011, nandefa tweet manome rohy mankany amina lahatsoratra momba ny fanarahan'ny media iraisam-pirenena ireo hetsi-panoherana manerana ny ‘Tontolo Arabo’ kanefa manadino tanteraka ny any Afrika i @kenyanpundit :
@davidisen dia namerina nitoraka izany tweet izany ary nanampy fa samy tsy miraharaha an'i Gabon ireo mpitati-baovao:
Izaho (ny mpanoratra) no namaly an'i @kenyanpundit fa manana antony azo ekena tsy handrakofany an'i Côte d’Ivoire ireo mpanao gazety roa [tsy miteny frantsay]:
Any Afovoany Atsinanana ny mponina any dia miteny Anglisy, ary nanome ahy hevitra ny hanomboka fanentanana amin'ny tweet mba hahazoana ny mpitatitry ny CNN Anderson Cooper handrakotra an'i Côte d’Ivoire:
@Darth_Sideous dia nahita antony iray hafa mahatonga ny tsy firaharahian'ny gazety Amerikana ity [tsy misy SOLIKA]:
Nangataka ny hanajanonanay ny fanentanana i @Darth_Sideous satria tsy nisahirana hamaly na iray tamin'ireo tweetnay aza i @andersoncooper:
Nisy media hafa nanao izany, ohatra ny France 24, “Aza mifototra amin'ny Tontolo Arabo fotsiny. ‘Mandriaka koa ny rà aty an-tananan'Abidjan“:
@Darth_Sideous dia nisaotra ny TV5 Monde tamin'ny fanokanana ny ampahany tamin'ny fandaharam-baovaony ho an'ny zava-misy any Côte d’Ivoire:
Tamin'ny andro fahatelon'ny fanentanana, raha mbola mitohy ireo herisetra hatramin'ny Asabotsy 19 Febroary 2011, @Belligiani dia nilaza ny fara-heviny fa “tsy miraharaha an'i Côte d’Ivoire” ny media Amerikana:
Ny iray amin'ireo tweet voalohany izay milaza fa anatina ady an-trano i Côte d’Ivoire dia avy amin'i @SenamBeheton :
Ny Zoma 25 Febroary 2011, nitatitra ny mpiara-miasa ao amin'ny UNHCR fa 20,000 farafahakeliny ireo olona nitsoaka ny ady tany amin'ny Renivohitri’ Côte d'Ivoire, Abidjan. Ora fohy taorian'ity famoahana ity lahatsoratra ity dia nitoraka tweet i @andersoncooper :
“Hitana azy ho to teny” ireo Ivoariana!
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...