Gabon, fanokanana ny filoha vaovaon'ny tetezamita, ary famoahana ilay filoha voaongana

Brice Oligui Nguema, pikantsary an'ny YouTube -n'ny Africa 24

Mba hamoahana ny firenena anaty krizy taorian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 30 Aogositra 2023, izay nanonganana an'i Ali Bongo, filoham-pirenen'i Gabon teo aloha, dia niforona ny komitin'ny tetezamita tarihan'i Brice Oligui Nguema .

Tamin'ny 4 Septambra 2023 dia notokanana sy nianiana i Brice Oligui Nguema amin'ny maha-filoha mitontana ny tetezamitan'ny Repoblika an'i Gabon azy. Tena akaiky ny fitondrana izy araka izany, satria mpikambana amin'ny fianakaviambe an'i Bongo avy amin'ny alalan'ny reniny izay anabavin’i Omar Bongo filoha efa nodimandry, ary ny tenany ihany koa efa niasa teo anilan'i Omar sy Ali Bongo.

Rehefa voatokana izy dia andraikiny ny fananganana ny governemantan'ny tetezamita sy miasa amin'ny famerenana ireo andrim-panjakan'ny Repoblika rava teo anelanelan'izay fotoana izay.

Tao anatin'ny lahateniny voalohany nandritra ny fanokanana azy dia nanome toky ilay lehilahy vaovao matanjak'i Gabon ny hanomana fifidianana faran'izay haingana indrindra, hamerenana indray ny fahefana amin'ny sivily. Mirakitra ny lahateniny ity lahatsary teo amin'ny Africa 24 ity :

Milaza ihany koa i Oligui Nguema fa maniry izy ny hiady amin'ny kolikoly izay fery nikiky ny firenena an-taonany maro.

Araka ny voalazan'ny Actu Cameroun, nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ireo tale jeneralin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ‘parapublic’ Gabone dia nampitandrina ireto farany ny filoha. Nandidy i Oligui fa :

Tsy maintsy tonga mamerina vola sy manome fanazavana ao anatin'ny 48 ora ny Tale Jeneraly tsirairay avy izay ato anatin'ity efitrano ity izay mahafantatra fa nisavoritaka niaraka tamin'ny ankizy izy na naka mihoatra ny tokony ho izy, ianao ihany no tongava satria efa fantatray hoe iza ianao.
Raha tsy mipoitra ao anatin'ny 48ora ao amin'ny sampan-draharaha (B2, DGR ou DGSS) ianao dia ho avy izahay haka anao ary ho takatrao ny fahasamihafana.

Ali Bongo afaka mihetsika malalaka

Kandidà amin'ny fe-potoam-piasàna fanintelony ho filohan'ny firenena na eo aza ny toe-pahasalamany marefo taorian'ny fahatapahan'ny lalandràny tamin'ny 2018, nosamborina i Ali Bongo taorian'ireo voka-pifidianana nifanolanana ary napetraka tamin'ny efitrano iray voaara-maso nandritra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Toa nandaitra ny fifampiraharahana sy ny fanelanelanana nataon'i Faustin Archange Touadéra filohan'ny Repoblikan'i Centre-Afrique izay nahazo fahefana tamin‘ny Communauté Économique des États de l’Afrique Centrale (CEEAC) mba handray anjara amin'ny fifampirsahana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka Gaboney. Ny famotsorana an'i Ali Bongo tao amin'ny efitrano voaara-maso nisy azy no iray tamin'ireo vokatr'ity fanelanelanana ity.

Tao anatin'ny fanambaràna iray nosoniavin'i Brice Oligui Nguema, navoaka teo amin'ny Gabon 24 sy naverin'ny VoxAfrica tao amin'ny Twitter dia nilaza ny Komitin'ny tetezamita sy ny Famerenana ireo Andrim-panjakana (CTRI), natsangan'ny miaramila mpanongam-panjakana fa :

#Gabon : Malalaka amin'ny hetsika ataony rehetra manomboka izao ny filoha teo aloha Ali Bongo

Ny mpitondra tenin'ny CTRI no nanao ny fanambaràna. Nanapa-kevitra ny hamotsotra ny filoha voaongana noho ny antony ara-pahasalamana ny Jeneraly Brice Oligui Nguema. #Gabon2023 #Voxafrica pic.twitter.com/rvU4KKAhKN

— Voxafrica (@voxafrica) 7 Septambra 2023

Gabon : voaheloka sy naato tao amin'ny CEEAC ary ny Vondrona Afrikana

Talohan'ny nandraisan'ireo miaramila fahefana dia nampiantrano ny Foiben‘ny Communauté Économique des États de l’Afrique Centrale (CEEAC) i Gabon ka i Ali Bongo no filoha amperinasan'ny CEEAC. Nahatezitra ireo filoham-pirenena hafa ao Afrika Afovoany nivory tao amin'ny CEEAC ilay fanonganam-panjakana. Taorian'ny fanamelohana ny fanonganam-panjakana sy ny fitakiana ny fiverenana ny filaminana araka ny lalàm-panorenana dia nanapa-kevitra ny CEEAC tamin'io 4 Septambra io fa hampiato an'i Gabon tsy ho ao anatin'ireo rantsana rehetra ao amin'io fikambanana io. Nafindra niala an'i Libreville renivohitr'i Gabon ny foiben'ny CEEAC, nalefa any Malabo, renivohitr'i Ginea Ekoatoraly.

Tsy nandalo fotsiny tao amin'ny tranonkala ity fanapahan-kevitra ity. Nampitaina tao anaty Twitter ity vaovao ity, tahaka izay nolazain'ity ranty nataon'i Fenelon Massala ity, mpanao gazety ao amin'ny Financial Afrik.

Nanameloka ny fanonganam-panjakana tao Gabon ireo filoham-panjakana sy governemanta ao amin'ny CEEAC, nampiato ny firenena tamin'ny manampahefana, nandidy ny famindràna tsy misy hatak'andro ny foiben'ny CEEAC tao Libreville ho any Malabo ary nanome fe-potoana herintaona ho an'ny tetezamita miaramila mba hikarakarana fifidianana pic.twitter.com/20s7AhtUNu

— Fenelon MASSALA (@rfemassala) 4 Septambra 2023

Tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana natao tamin'ny 4 Septambra tany Djibloho, tany Ginea Ekoatorialy dia nanendry an'i Teodoro Obiang Nguema Mbasogo, filohan'i Ginea Ekoatorialy ny fihaonamben'ireo Filoham-panjakana sy Governemantan'ilay fikmabanana mba hisolo an'i Ali Bongo eo amin'ny toeran'ny filohan'ny CEEAC.

Ny Vondrona Afrikana ihany koa dia nanameloka ilay fanonganam-panjakana ary nampiato an'i Gabon tamin'ireo rantsana rehetra ary koa ny fandraisany anjara amin'ireo hetsika rehetra ataon'ny fikambanana. Teo amin'ny twitter, vehivavy Gaboney iray antsoina hoe Queen Don no nanesoeso ity fanapahankevitry ny UA ity :

Naaton'ny UA i Gabon 🇬🇦 nefa tsy vitany akory na dia ny nanetsika ny rantsan-tanany fony tao anatin'ny haizina i Gabon nanomboka tamin'ny 26 aogositra. Tsy mampino #FreeGabon

— Queen Don🇬🇦✨ (@marinajoela) 31 Aogositra 2023

Raha vao nanomboka ny asany ny CTRI, dia efa nampisalasala ireo mpanara-maso sy mpampiasa aterineto marobe sahady ny momba ny fahatsoram-pon'i Brice Oligui Nguema hiaro ny tombontsoan'i Gabon. Ho an'ireto farany, ny fihaonany niaraka tamin'ny masoivohon'i Frantsa ny omalin'ny fanokanana azy dia toa milaza ny fahavononany hiaro ny tombontsoan'i Frantsa ao Gabon.

Tao anaty lahatsoratra iray an’ny Panorama papers, nampitaina tamin'ny Twitter, ny mpanohitra sady kandidà mampalahelo tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2016, Jean Ping, dia maminavina hoe miasa ho an'ilay matanjaka mpanjanantany taloha ny filohan'ny tetezamita.

Jereo ity lahatsoratra ity : Fanonganam-panjakana ao Gabon : gadran'i Frantsa ny jeneraly Brice Oligui Nguema araka ny voalazan'i Jean Ping – https://t.co/yTad5f5gfL

— Panorama Papers (@Panoramapapers) 5 Septambra 2023

Notohanan'ny mpampiasa Twitter hafa toa an'i Dr Kanga izay manoratra eo amin'ny kaontiny ity hevitr'i Jean Ping ity :

Ireto ny fampanantenana natao an'i Frantsa pôlitikan'ny fitondrana Gaboney vaovao tarihan'ilay pustchiste, ny Jeneraly OLIGUI NGUEMA. Raha ireo teny ireo no tazonintsika dia haverin'ilay putschiste indray ilay Frantsa nohazaina tao Gabon, takatra avy amin'izany ny fanekena ny fahefana Gaboney nataon'i Frantsa. https://t.co/qc9pH5FYGj

— Dr KANGA (@AkassiKanga) 5 Septambra 2023

Hanova lalina ny fifandraisana misy eo amin'i Paris sy Libreville ve i Brice Oligui Nguema ary mety hiaro ny tombontsoan'i Gabon ve izy tahaka izay efa nataon'ireo fitondrana putschistes tany Ginea, Burkina-Faso, Mali ary vao haingana tao Niger, sa ve fiovàna anatin'ny fitohizan-draharaha amin'ny fifandraisana Frantsa sy Gabon izany ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.