13 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 13 Febroary 2011

Ejipta: Novain'i Mubarak ho “manahirana” ny toetoetry ny fifandraisany amin'ny Facebook

Mafana fo Ejiptiana sy teratany Tandrefana hafa koa no nampiasa ny fitenin'ny media sosialy hanaovana hatsikana mba hitantarana ny zava-nisy araka ny nitrangàny. Mitosatosaka koa ireo kaonty hosoka ho an'i Mubarak, ary nitazona ny moraly ho ambony ireo hosoka ireo tamin'ny tenifototra #jan25 Twitter, na tamin'ireo fotoana maizina nisian'ireo fifandonana tamin'ny Alakamisy sy Zoma aza. Mandinika izany akaiky i Carmel L Vaisman.

Alzeria: Mpanao Fihetsiketsehana Voasambotra, Voadaroka tamin'ny Diaben'ny #Feb12

Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011. Ireo saripika sy lahatsary eo anivon'ny aterineto dia mampiseho ny fisamborana sy ny herisetra ara-batana natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Kioba: “Operation Cyber-Mambí”

  13 Febroary 2011

Nisy resaka betsaka nandeha ny amin'ny hoe mety hahita làlana ho tonga hatrany Karaiba ve ny fanahin'ny fanoherana niainga avy any Ejipta sy Tonizia. Raha ny fanakatsoana ny tsena anatiny amin'ny resaka fampahalalam-baovao ataon'ny governemantan'i Castro no rindrina manasaraka ny Kiobana tsy faly sy ny fihetsehana, tsy dia nahagaga loatra an'ireo mponin'ny aterineto araka izany ny hetsika natao tsy ela akory izay, mampiasa mpitoraka bilaogy "manohitra-fiovàna" hifanandrina amin'izy ireny.

Sina: Torolàlan'ny sivana tamin'ny Janoary 2011

GV Mpisolovava  13 Febroary 2011

Any Sina, ireo torolàlana mikasika ny fanivanana dia avoakan'ireo manam-pahefana maro ao amin'ny Fitondrana sy ny CCP. Nanao dikanteny torolàlana maro nivoaka tamin'ny Janoary 2011 ny China Digital Times mba hanehoana ny fampiharana ny fanivanana any Sina. Ireo torolàlana nofidiana ireo dia navoakan'ny Biraon'ny Filankevi-pirenena mikasika ny Fampahalalam-baovao, ny Minisiteran'ny...

Ejipta:Fanadiovana ny Tahrir

Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, satria "nanadio" ny fireneny tamin'ny Fahefana jadona ireo Ejiptianina, feno vahoaka ny Kianjan'ny Tahrir, feno hafaliana, ary vokatr'izany, feno zavatra tokony ho diovina. Na dia nikarakara ny trano vonjimaika nitoerany aza ireo mahery fo tao afovoan'ny Kianja, maro ireo zavatra tokony natao satria mihamanify ny sarababem-bahoaka. Androany, nizara ny vaovao ireo Ejiptianina fa madio tanteraka ny Kianja, ary mbola tsara noho ny nahitan'izy ireo azy.