Jacob Appelbaum, solontenan'ny Wikileaks, dia notanan'ireo manam-pahefana any Etazonia an-tranomaizina nandritra ny ora 3 tany amin'ny sisintany taorian'ny diany tany Holland. Nosavaina ny kitapon'i Appelbaum, nanaovana dikamitovy daholo ny antontan-taratasy tao anatin'ny kitapony, nosavaina ny solosaina findainy. Araka ny tatitra voaray dia tsy nety namaly ny fanontanian'izy ireo i Appelbaum raha tsy eo anoloan'ny mpisolovava, ary tsy navela niantso tamin'ny finday.Araka ny fantatra ihany dia nesorina taminy ny findainy telo ary tsy naverina. Tamin'ny 31 Jolay, niteny izy nandritra ny fivorian'ny DEF CON ary nanamarika fa “nalaina” ny findainy. Taorian'ny nitenenany, nanantona azy ireo mpitandro filaminana FBI roa ary nametra-panontaniana taminy. Vao haingana izay dia namoaka antotan-taratasy miafina an'ny miaramila any Etazonia mihoatra ny 90,000 ny Wikileaks, tamin'io fotoana io indrindra no nitenenan'ny tao amin'ny Trano Fotsy fa tsy fandraisana andraikitra sy fanohintohinana ny fandriampahalemana nasionaly izany fihetsika izany. Araka ny tatitra dia mampahafantatra amin'ny antsipiriany ireo zava-miafina mikasika ny ady any Afghanistan ireo antontan-taratasy ireo.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...