Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 04 Aogositra 2010

Filipina: Topimason'ireo mpitoraka blaogy amin'ny olana mianjady amin'ireo tantsaha

Ireo mpitoraka Filipiana nandray anjara tamin'ny fitetezam-paritra ara-barotra tany amin'ireo tanàna an-tendrombohitr'i Cebu, faritra afovoan'i Filipina, dia nahita ny fomba toe-piaina sy nahazo sary an-tsainaireo olana atrehan'ireo tantsaha any amin'io faritra io.

Fanampim-baovao mivantana momba ny fitsapankevi-bahoaka any Kenia

Mifidy androany ireo olom-pirenena Keniana amin'ny fitsapankevi-bahoaka ho an'ny lalàm-panorenana vaovao. Azonao atao ny manaraka ireo fanampim-baovao mivantana ao amin'ireo vohikala Keniana ary koa ny mahazo tati-baovao momba ireo tranga mifandraika amin'ny fitsapankevi-bahoaka ao amin'ny uchaguzi.co.ke.

Tondra-drano nandrava tany Pakistan

Tondra-drano tany Pakistan, 02 aogositra 2010. Sary tamin'ny Flickr nampiasa Globovisión. CC BY-NC Tsy nitondra fitahiana ho an'i Pakistan tamin'ity taona ity ny Rivotra mousson. Raha noheverina ho fotoam-pankalazana sy fifaliana amin'ny firotsahan'ny orana izany hatramin'izay, ny zava-niseho kosa izay nisian'ny tondra-drano mahatsiravina dia izay tsy nandrasan'ny Pakistaney velively. Namely vao...

Sina: Aftershock – tantara sa fanoharana ara-politika?

Lasa fady ny miresaka mikasika ny horohorontany tany Sichuan tamin'ny taona 2008 any amin'ny media mahazatra noho ilay fananganana sekoly tsy zarizary iray manafintohina sy ny fisamborana ilay sivily mpanadihady Tan Zhouren, naseho tamin'ny fahitalavitra lehibe ny horohorontany tany Tangshan tamin'ny 22 Jolay, enina andro talohan'ny faha 34 taonan'ilay loza...

Haiti: Iharan'ny herisetra ireo vehivavy sy zazavavy nafindra toerana

Vokatr'ilay horohoron-tany nandringana tany Haiti, mbola iharan'ny herisetra ihany ireo vehivavy sy zazavavy, ary ny sasany amin'izy ireo dia tsy hoe voaolana fotsiny ihany, fa mbola mizaka ny tsy fisian'ny rafi-pitsarana sy ny tsy fahampian'ny fitsaboana ihany koa.

Fifaninanana manao horonantsary: Aterineto ho an'ny Fandriam-pahalemana

Voatodro ho isan'izay handray ny Loka Nobel 2010 ho an'ny Fandriampahalemana ny Aterineto. Ao anatin'ny adihevitra ao amin'ny fanampiana entin'ny aterineto amin'ny fiaraha-monintsika, Condé Nast sy Google Ireland dia niaraka nikarakara ity fifaninanana manao horonantsary ity ary dia hanana tombony hitety toerana sy hahita ireo horonantsariny handeha amin'ny MTV Italiana...

Etazonia: voatana an-tranomaizina ny solontenan'ny Wikileaks

GV Mpisolovava

Jacob Appelbaum – Wikipedia Jacob Appelbaum, solontenan'ny Wikileaks, dia notanan'ireo manam-pahefana any Etazonia an-tranomaizina nandritra ny ora 3 tany amin'ny sisintany taorian'ny diany tany Holland. Nosavaina ny kitapon'i Appelbaum, nanaovana dikamitovy daholo ny antontan-taratasy tao anatin'ny kitapony, nosavaina ny solosaina findainy. Araka ny tatitra voaray dia tsy nety namaly ny...