Tantara mikasika ny Fitsipika tamin'ny Novambra, 2012
Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny
Nandritra ity herinandro manontolo ity, handika fanangona-tsonia amin'ny aterineto ho fiarovana ny zon'olombelona amin'ny aterineto sy handrisika ireo governemanta mpikambana ao amin'ny Firaisambe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra mba hitandro ny fisokafan'ny aterineto mandritra...
Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?
Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.
Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto
Mandrindra ny fisoloana vava ho amin'ilay valan-dresaky ny International Telecommunication Union atao tsy ho ela ireo mpampiasa aterineto eran-tany, izay hanapahan-ireo mpikambana ao amin'ny fanjakana hevitra na tokony handrakotra ireo olana mikasika ny politikan'ny Aterineto—ireo antontan-taratasy mikasika ireo fifanekena izay tafavoaka aty ivelany, isan'izany ireo soso-kevitra amin'ny fampanarahan-dalàna eran-tany izay mety hametraka fetrany amin'ny tsiambarantelo anaty aterineto, ny fahalalahana miteny, ny fahahafahana hahazo fampahalalam-baovao sy ny ny fampiasàna ny ICT eran-tany— ny ITU. Fantaro ny fomba ahafahanao mandray anjara anatin'io ezaka io.
Henjanin'ny Fiombonambe Eoropeana Ny Fepetra Fanarahamaso Ny Fanondranana Teknolojia
“Tsy azo ekena mihitsy ny hoe hampiasàn'ny fitondrana Siriana sy Iraniana ny teknolojia Eoropeana mba hanitsakitsahana ny zon'olombelona”. Marietje Schaake