Tantara mikasika ny Fitsipika tamin'ny Febroary, 2019
Shina: Niitatra tany Guangzhou sy Shenzhen ny fisoratana anarana tena izy amin'ny bilaogy bitika
Nihitatra nanomboka tao Beijing hatrao Guangzhou sy Shenzhe ny fandaminana ny fisoratana anarana tena izy ho an'ny sehatra bilaogy madinika.
Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto
Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.
Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle
Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.
Shina: Fisoratana anarana tena izy ho an'ny bilaogy madinika
Nametraka fitsipika vaovao maromaro ny governemantan'ny tanànan'i Beijing tamin'ny 16 desambra 2011 mba hifehezana ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny sehatra fibilaogy madinika.
Karatra SIM Roa tapitrisa Novonoina Tao Zambia
Miatrika olana ankehitriny ireo Zambiana tsy nahavita nanoratra ny karatra SIM amin'ny anarany -- milaza ireo mpanao gazety sy ireo mpitarika antoko mpanohitra fa fanitsakitsahana ny fianana manokana sy ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera ilay famonoana karatra.
Zambia: ” Noho Ny Antony Ara-Piarovana No Hanoratana Ny karatra SIM Amin'ny Anarana Manokana”
Miteraka adihevitra be eo amin'ireo mpampiasa aterineto sy ny vahoaka ny fampidiran'ny sampandraharaha mpandrindra ny fifandraisana ao Zambia ny fampanoratana anarana ny karatra SIM mba ahafahana manangana angon-drakitra azo antoka ho an'ireo mpanjifa.
Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe
Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika "
Thailandy: Fikasana hanakana ny tranonkala manohitra ny fanjakana
Nikasa ny hanangana rindrin'afo ny governemanta Thailandey mba hanakanana ireo tranonkala heverina ho maniratsira ny fitondram-panjaka ao amin'ny firenena, sy ny votoaty hafa amin'ny aterineto izay heverina ho tsy mendrika.