Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery … sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.

Araka ny notaterinay, taorian'ny fanambaran'ilay Mpampanoa lalàna, nanambara ny TaleJeneraly ao amin'ny Masoivohom-pirenena  Fandrindràna ny Fifandraisan-davitra  (NTRA) fa namafisina io fanapahan-kevitra io. Nandray fepetra ihany koa izy ny amin'ny fampahatsiahivana ny olon-drehetra mikasika ireo fahasarotana ara-teknika haterak'izany dingana izany.

Nihazona ny fofon'ainy ireo Ejiptiana rehefa namoaka fanambaràna fisorohana ao amin'ny pejy Facebook-ny  [Ar] ny NTRA ny 8 Novambra 2012. Nanipika izao manaraka izao ilay Masoivoho:

  • Tsy afaka misakana ara-teknika ireo sehatra vetaveta sy vohikala vetaveta rehetra izay aman-jaton-tapitrisany ireo mpanome tolotra Aterineto (ISPs);
  • Nampiseho ny olana ara-teknika ateraky ny fepetra fanakanana ireo resaka vetaveta ny zava-nitranga teo aloha, indrindra ny tany amin'ny Fanjakan'ny Golf;
  • Misy eny amin'ny tsena ireo tolotra fanivanana ny “aterineto isan-tokatrano”. Afaka manapa-kevitra ny hisoratra anarana amin'ireny anefa na tsia ireo olom-pirenena. Avy eo, mahatonga ho tsy misy dikany ny fanivanana avangongo amin'ny toerana iray ataon'ireo ISPs .

Araka ny lalàna Ejiptiana, manana fahazoan-dàlana amin'ireo ISPs sy ny politikany ny NTRA. Azo heverina araka izany, raha jerena ity raharaha misavorovoro eo amin'ny resaka politika sy lalàna ity, fa hijanona eto ny  vetaveta ao anaty aterineto eto Ejipta!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.