· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Fitsipika tamin'ny Janoary, 2019

Singapaoro: Nogadraina noho ny faniratsirana mpitsara ilay bilaogera 

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Voasazy higadra telo volana an-tranomaizina noho ny faniratsirana mpitsara ambony tao amin'ny bilaoginy i Gopalan Nair izay nizaka ny zom-pirenena Singapaoreana teo aloha ary nomena ny zom-pirenena Amerikana. Nitatitra ny gazety fa lazain'ny tribonaly fa "nanala baraka ... ny fitsarana sy ny sampan-draharahan'ny fitsarana tao Singapaoro" i Gopalan

Hanivana aterineto i Jordania

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Nanitatra ny lalàna mifehy ny fanontana printy sy ny famoahana ho ampiharina amin'ny haino aman-jery elektronika ny Fitsarana Ambaratonga Ambony, izay midika fa hanivana tranonkala sy bilaogy izy.

Mandefa Fanafihana Blaogera Ny Governemanta Nizeriàna

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Vao nanomboka "ady iray mitentina 5 tapitrisa dolara" hamelezana ireo blaogera sy ireo media anaty tambajotra,toy ny Sahara Reporters, ny governemanta nizeriàna[...] Amin'ny lafiny iray, vaovao tsara io raha toa tsapan'ny governemanta nizeriana ny tanjak'ireo median'ny olom-pirenena ary arahintsika maso sy iverenantsika isaky ny dingana ataon'izy ireo. Amin'ny lafiny iray indray, tena loza io ho an'ireo blaogera ao amin'ny firenena sy ho an'ireo any ivelany mety haniry ny hody an-tanindrazana, na hanao fialantsasatra fohy izany, na noho ny asa, na hijanona tanteraka any.