Tantara mikasika ny Torolalana
Efa misy amin'ny teny Shinoa ankehitriny ny tari-dalana “Blog for a Cause”
Tara sivy volana, saingy noho ilay olona mahafinaritra izay nandika ny torolàlana Anonymous Blogging an'ny GVA, dia afaka manolotra anao ny Blog for a Cause!: The Global Voices Guide of Blog Advocacy amin'ny teny Shinoa izahay:
Tari-dia momba ny fibilaogiavana tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Shinoa
Misaotra ny olona tsara fanahy iray izay indrisy fa tsy mety hitonona anarana velively, fa efa misy amin'ny teny Shinoa ankehitriny ny tari-dalana" "Anonymous Blogging with Wordpress and Tor"
Ny taridia amin'ny teny frantsay ny “Mirroring a Censored WordPress Blog” (Fanadindoana bilaogy WordPress iray voasivana)
Faly ny Global Voices Advocacy mamoaka ny torolalana Mirroring a Censored WordPress Blog amin'ny dikanteny Frantsay.
Torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Persiana
Efa misy amin'ny teny Persiana noho ny fandikan-teny nataon'ilay bilaogera Iraniana sady namana te-hijanona tsy hotononina anarana Ny torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny Wordpress sy Tor.
Efa misy amin'ny teny Frantsay ankehitriny ny torolalana mibilaogy miafina anarana
Efa misy amin'ny teny Frantsay ankehitriny ny famahanam-bilaogy miafina anarana amin'ny Wordpress sy Tor noho ny dikanteny nataon'ilay bilaogera Toniziana, Malek Khadhraoui, ary misahirana izahay manao fandikan-teny ho amin'ny fiteny hafa.
Blog for a Cause!: Torolalan'ny Global Voices amin'ny bilaogy fanandrata-teny
Faly ny Global Voices Advocacy manambara momba ireo boky fianarana maromaro nomanina izay mifantoka amin'ny lohahevitra fialàna amin'ny fanivànana ny aterineto, mibilaogy miafina anarana ary fampiasana mahomby ny fitaovana aterineto amin'ny fanentanana ho an'ny fiovàna ara-tsosialy sy ara-politika.
Torolalana mibilaogy miafin'anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Italiana
Ny mibilaogy miafina anarana amin'ny Wordpress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Italiana noho ny fandikan-teny nataon'i Jan Reister ao amin'ny bilaogy Nazione Indiana.
Vonona amin'ny teny arabo ny taridia hanaovana fanandrata-teny miteti-paositra
Faly izahay ankehitriny manambara fa efa vonona amin'ny teny arabo ankehitriny ny Taridia Advocacy 2.0: Miteti-paositra hanandrata-teny, Savalalana amin'ny fiatiana media sosialy mahomby, noho ny fandikateny nataon'i Reine Mattar avy ao amin'ny Social Media Exchange, Beirota.
Blog for a Cause! efa misy amin'ny teny Makedoniana.
Ny Blog for a Cause!, Tari-dalana Global Voices an'ny Blog Advocacy, dia efa misy amin'ny teny Makedoniana noho ny fandikan-teny nataon'i Elena Ignatova avy ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Madedoniana.
Vita amin'ny teny Paortiogey ny mibilaogy miafina maripanondroana WordPress & Tor
Vita amin'ny teny Paortiogey ankehitriny ny torolalana The Anonymous Blogging with Wordpress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana amin'ny Wordpress sy Tor) noho i Guilherme Barcellos, ao amin'ny GlobalVoices em Português.