Vita amin'ny teny Paortiogey ny mibilaogy miafina maripanondroana WordPress & Tor

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2008)

Vita amin'ny teny Paortiogey ankehitriny ny torolalana The Anonymous Blogging with WordPress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana amin'ny WordPress sy Tor) noho i Guilherme Barcellos, ao amin'ny GlobalVoices em Português.

Ny torolalana dia manasongadina fomba maromaro miompana amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana ny valifaty ary afaka mampihena betsaka ny loza mety hihatra hamantarana ny mari-panondroan'ilay bilaogera amin'ny asa-sorany antserasera amin'ny alalan'ny fitaovana ara-teknika.

Blogar no anonimato com WordPress & Tor” dia azo trohana amin'ny endrika PDF. Raha sendra olana ianao amin'ny fahitana ny endrika PDF antserasera, dia andramo ity endrika HTML azo ifaindrasana sy manamora famahanam-bilaogy ity

[download#11#nohits]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.