Efa misy amin'ny teny Frantsay ankehitriny ny torolalana mibilaogy miafina anarana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Download PDF

Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor

Efa misy amin'ny teny Frantsay ankehitriny ny famahanam-bilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor noho ny dikanteny nataon'ilay bilaogera Toniziana, Malek Khadhraoui, ary misahirana izahay manao fandikan-teny ho amin'ny fiteny hafa.

Manasongadina ireo fomba maro amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana ny valifaty ny torolalana ary mety afa-mampihena be dia be ny loza amin'ny fahafantarana ilay bilaogera amin'ny asa-sorany antserasera amin'ny alalan'ny fitaovana ara-teknika.

Ny “Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor” dia azo trohana amin'ny endrika PDF. Mety mila mametraka maimaim-poana ny Adobe Acrobat Reader ianao raha hijery amin'ny PDF. Raha sendra olana ianao mijery ny endrika PDF an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML mampifandray sady mety tsara amin'ny bilaogy ity.

Azafady mifandraisa amin'izany, trohy ary manampia amin'ny fanapariahana ity vaovao manan-danja ity. Aza misalasala maka ity kaody HTML manaraka ity ary apetaho ao amin'ny blaoginao izany:

[download#4#nohits]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.