Blog for a Cause!: Torolalan'ny Global Voices amin'ny bilaogy fanandrata-teny

Download PDF

Blog For A cause! Guide (PDF)
Tsindrio ny sary raha hitroka azy

Faly ny Global Voices Advocacy manambara momba ireo boky fianarana maromaro nomanina izay mifantoka amin'ny lohahevitra fialàna amin'ny fanivànana ny aterineto, mibilaogy miafina anarana ary fampiasana mahomby ny fitaovana aterineto amin'ny fanentanana ho an'ny fiovàna ara-tsosialy sy ara-politika.

Ny Blog for a Cause!: Taridian'ny Global Voices amin'ny fanaovana bilaogy fanandratateny dia manazava ny fomba ahafahan'ireo mpikatroka mampiasa bilaogy ho toy ny ampahany amin'ny fanentanana manohitra ny tsy rariny manerana izao tontolo izao. Afaka manampy ireo mpikatroka amin'ny fomba maro ny famahanam-bilaogy. Fomba haingana sy mora vidy hananganana ny fisiana ao amin'ny aterineto, hampiely vaovao momba ny fotokevitra iray, sy handaminana ny hetsika handresena lahatra ireo mpandray fanapahan-kevitra izany.

Anankiroa ny tanjon'ny Blog for a Cause!: mampahafantatra sy manentana. Natao hidirana mora foana sy mora ampiasaina ny torolàlana, manome torolalana mora arahina ho an'ireo mpikatroka maromaro mikasika ny fomba fampiasana bilaogy hanohanana zavatra manokana.

Mizara dimy ny torolalana:

  1. Fanontaniana hita matetika mikasika ny atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa dimy manan-danja indrindra amin'ny bilaogy fanandrata-teny nahomby
  3. Dingana 4 hananganana bilaogy fanandrata-teny
  4. Ny fomba hahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonina mientana ahitana mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-lalana hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.

Ankoatra ny fampahalalana etsy ambony, feno ohatra momba ny bilaogy mpisolovava manerana izao tontolo izao ny torolàlana, mba hanentanana ny mpamaky amin'ny fomba fijery mikasika izay zavatra azo atao. Manana tanjona samihafa ireo blaogy momba ny fiarovana ireo, manomboka amin'ny hetsika famotsorana ilay bilaogera ao Arabia Saodita hatramin'ny fiarovana ny tontolo iainana any Hong Kong ary ny fanoherana ny fifandirana ao Darfur.

Mary Joyce, mpianatra momba ny fikatrohana nomerika any Boston no nanoratra ny taridia ary nirahin'ny Global Voices Advocacy, tetikasa fanoherana ny sivana ao amin'ny Global Voices hanao izany.

Raha hitanao fa ilaina ny torolàlana rehefa manangana ny fanentanana amin'ny blaoginao, dia andefaso mailaka izahay mba hahafantatra.

Trohy ny Blog for a Cause!: amin'ny teny Anglisy ary ampio izahay handika ny torolalana amin'ny fiteninao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.