Ny mpiblaogy Sakamoto dia manararotra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny mpifindra-monina any São Paulo, any Brezila mba hamoaboasana mikasika ny toe-draharaha iainan'ireo Amerikana Tatsimo mpila-ravinahitra any Brezila, izay Boliviana ny ankamaroany ary miasa amin'ny endrika tsy fampiseho masoandro satria toy ny andevo mihitsy aza ny sasantsasany:
« When will this country treat “its” Bolivians with dignity ? »
« Rahoviana ity firenena ity vao hitondra ireo Boliviana “ato aminy” amin-panajana ? »
Ny andro iraisam-pirenena hoan'ny mpifindra-monina dia ankalazaina androany omaly 18 Desambra.