Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.
Mafotaka tokoa ny fiomanana amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Ejipta, voaomana hatao ny 23 sy 24 May 2012, miaraka amin'ny sariben'ireo mpirotsaka izay efa mameno ny làlana sahady. Saingy rehefa i Hazem Salah Abou-Ismail no resahana, dia tena vereziny lavitra any aoriana ireo mpifaninana rehetra amin'ny fanaovana totoafo ny fametahana saribe. Ny saribeny dia saika hita eny rehetra eny – miainga amin'ny rindrina, ny fiara, ny vata fampangatsiahana, ny zazakely ary hatramin'ny fanindriana ny sariben'ireo mpirotsaka hafa aza.
Tsy vitan'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto ny hamela ity fotoana ity handalo fotsiny ka tsy hihomehy noho ireto saribe tafahoatra.
Mohamed Hamza mivazivazy hoe [ar]:
@mohamad__hamza: اتوقع ان من اولويات الرئيس القادم الفقر و البطاله و ازاله بوسترات ابو اسماعيل
Randa Tawil manampy hoe :
@randatawil: دلوقتي لما تحب توصف لحد عنوان قوله إمشي طوالي مع بوسترات أبو إسماعيل بعدين هتلاقي تقاطع سيب أول بوستر و تاني بوستر و لف مع تالت بوستر يمين
Monda Salem manohy hoe :
@Mondasalem: عاجل وحصرى: وكالة ناسا لعلوم الفضاء تعلن عن اكتشاف 5000 بوستر للشيخ ابوسماعيل فوق سطح كوكب المرّيخ.
And Attiya Attiya manamarika hoe :
@attiya_attiya:للمرة الثالثة خلال يومين .. أحد المواطنين يقسم لي أنه رأى بأم عينيه شارع خالي تماما من بوسترات ابو اسماعيل
Tsy nijanona teo ny raharaha, satria nisy ‘meme’, kisarisary namboarina iray no nipoitra teny anivon'ireo Ejiptiana mpiondana aterineto, miaraka aminà kaonty tumblr antsoina hoe “Abo-Ismail Doing Stuff.” Saripika an-jatony maro ihany koa no nakarina tao amin'ny Twitter sy Facebook, izay anehoana ny fandraisan'i Abo Ismail ho azy manokana ny atao hoe tambajotra sosialy be mpampiasa
Ary na dia ilay olo-manan-kaja Guy Behind Omar Suleiman aza dia niseho indray, nitondra ny sariben'i Abou Ismail tamin'ity indray mitoraka ity:
Farany, tsy adinon'ny olona ihany koa ny nanàla azy tamin'ilay lahatsary tsy alehany an'i Abou Ismail, ka ao anatin'izany no itenenany fa ny PEPSI dia midika hoe Pay Every Penny to Save Israel, na hoe Isaky ny Penny iray aloa dia famonjena an'i Israely :
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Ejipta 2011.