Tantara tamin'ny 27 Marsa 2012
Korea Atsimo: Mitokona Ny Toby TV Telo Lehibe Indrindra Indrindra Hisian'ny Fanaovan-gazety Tsy Mitongilana
Any Korea Atsimo, taorian'ny fiezahana fatratra ataon'ny mpiasan'ny fahitalavitra lehibe indrindra hanesorana ny filohany noho ny finiavana hampitongilana vaovao sy resaka mandeha fiheverana fa mandeha ny kolikoly, dia nanara-dia ihany koa ny fahitalavitra goavana roa hafa hanohitra ny fomba fitantanana azy ireo.
Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut
Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.
India: Ilay Gazety Soratànana Farany Indrindra Eto An-tany
Ny endrika voalohan'ny gazety dia nosoratana tamin'ny tànana ary ankehitriny dia ny 'The Musalman' angamba no hany sisa gazety soratana amin'ny tànana mùanerana izao tontolo izao. Ao an-tanànan'i Chennai ao India, mitohy avoaka isanandro ity gazety efa ho 85 taona ity, ataon'ireo mpiangaly kalisoratra sora-tànana amin'ny fiteny Urdu.
BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza
Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany. Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika. Tahaka ny BarCamps rehetra...
Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?
Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.
Tonizia: Bilaogera Manampy Amin'ny Fandrafetana Ny Lalam-panorenana
Ny 23 Oktobra 2011, nifidy ny antenimiera handrafitra ny lalam-panorenany vaovao ry zareo Toniziana, taorian'ny nanonganana ny fitondran'i Ben Ali. Amin'izao fotoana, dimy volana aty aoriana, vao ny fandinihana ireo drafitra natolotra no natomboky ny antenimiera. Kanefa, ny tsy fitovian-kevitra manodidina ny artikla voalohany dia mampihisatra ny asan'ny antenimiera ary tafiditra eo afovoan'ny dinika ny momba ny Islam sy ny fizakana ny maha-olom-pirenena Arabo. Nijabahan'ireo mpiondana aterineto ilay izy mba hanampiany amin'ny fanotorana ny hantsana.
Porto Riko: “Androm-pirenena Ho An'ny Salsa” Ao Amin'ny Sekolin'ny Haikanto.
Isan-taona, ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa manontolo. Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko...
Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy
Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.
Hampiantrano ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly lbero-Amerika “Vive Latino” Andiany Faha-13 I Meksika
[Ao amin'ny tranokala teny-Espanola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fiovana] Mitoetra ho foiben'ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly Ibero-Amerika “Vive Latino” andiany faha-13 izay atao amin'ny 23, 24, ary 25 Martsa 2012 ny tanànan'i Meksika. Fetiben'ny mozika iraisampirenena ny Vive Latino, amin'ity indray mitoraka ity dia mbola hisy ny fampahafantarana lahatsary fanadihadiana,...
Ejipta: Ny Totoafon'i Abou Ismail Aminà Saribe
Mafotaka tokoa ny fiomanana amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Ejipta, voaomana hatao ny 23 sy 24 May 2012, miaraka amin'ny sariben'ireo mpirotsaka izay efa mameno ny làlana sahady. Saingy rehefa i Hazem Salah Abou-Ismail no resahana, dia tena vereziny lavitra any aoriana ireo mpifaninana rehetra amin'ny fanaovana totoafo ny fametahana saribe. Ny saribeny dia saika hita eny rehetra eny. Noararaotin'ireo mpiondana aterineto ilay fotoana mba hihomehezana avy amin'ilay totoafo an-tsary.