Yemen: Nalaina an-keriny  ny toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny mpanohitra  

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
 Mohammed al Maqaleh.jpgNy alin'ny zoma 18 Septambra 2009, nalain'ny mpitandro ny filaminana an-keriny tao an-drenivohitra Sana'a i Mohammed al Maqaleh, ilay toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny Antoko Sosialista mpanohitra Yemeni  Al Eshteraki, .

Araka ny tatitry ny vavolombelona nanatri-maso navoakan'ny Federasion'ny Mpanao Gazety Iraisam-pirenena :

five gun wielding masked men in a minibus intercepted Mr. al Maqaleh's car on Taiz Street in Sana'a. They bundled him into another vehicle. In dozens of instances, plain clothes intelligence operatives driving vehicles with military plates have snatched journalists off the street who have then “disappeared” and often tortured.

Lehilahy miisa dimy misarontava sy mitampiadiana tao anaty fiara minibus iray no nanakana ny fiaran'i Atoa al Maqaleh teo amin'ny Lalana Taiz ao Sana'a. Nafatratr'izy ireo tao anaty fiara hafa izy. Amin'ireo tranga miisa am-polony dia ireo mpitandro ny filaminana miakanjo sivily izay mitondra fiara misy laharana fiaran'ny miaramila no maka an-keriny ireo mpanao gazety eny an-dalambe ary “nanjavona” avy eo sy matetika no niharan'ny fampijaliana.

Nilaza ny tatitra fa nalaina an-keriny taorian'ny nanoratany lahatsoratra momba ny toe-draharaha mahaolona sy ny ady tany amin'ny faritany avaratr'i Sa'ada teo amin'ny tafika sy ny mpikomy Shiita i Mohammed al Maqaleh.

Mitaky ny famotsorana sy ny fiarovana ilay toniandahatsoratra nalaina an-keriny ny Federasionan'ny Mpanao Gazety Iraisam-pirenena (IJF) . Natsangana ihany koa ny vondrona Facebook ho fanohanana an'i Mohammed al Maqaleh .

Ny volana May 2007, nanakana ny fidirana amin'ny tranokalan'i Al Eshteraki ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra ao Yemen noho ny fitantarany ny fifandonana mitam-piadiana tany amin'ny faritanin'i Sa'ada.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.