Tantara tamin'ny 17 Janoary 2019
Iràka: “Soa ihany fa tsy Baomba tanaty Fiara!”
Rehefa avy niala sasatra kely aho, tsy misy tsara mihoatra nóho ny fanomezako ireo mpamaky izay tena tiany ho vakiana -teny avy any an-dalamben'i Bagdad sy Mosul. Ary tsy misy fotoana tsara nóho ity satria niverina nanoratra bilaogy i Chikitita, mizara ny fahitàny an'i Bagdad, nilaozany nandritra ny volana maro.
Lehilahy Nigerien iray tafahitsoka am-bolana maro ao amin'ny seranam-piaramanidina Ethiopiana
"Natory tambony seza aho, indraindray matory ao amin'ny moskea, efa roa volana aho izao no tsy nandro satria tsy misy fandroana ny seranam-piaramanidina, ny tavako, ny tanako ary ny tongotro ihany no sasako, dia izayr."
Azerbaijan: Fihetsiketsehana noho ny fanagadrana ireo tanora mpikatroka

Ny Support Adnan and Emin (tohano i Adnan sy Emin) dia manazava ny antsipirian'ny fihetsiketsehana roa kasaina hatao eo ivelan'ny ambasadin'ny Repoblika Azerbaijan any Parisy, Frantsa, Londra, Angletera, ho fanohanana ireo tanora bilaogera an-dahatsary, Adnan Hajizade sy Emin Milli nogadraina.
Malezia: Voampanga ilay bilaogera namoaka sary hosoka misy ireo mpanao politika

Bilaogera iray no voalaza fa nandefa sary hosoka misy an'i Kelantan Mentri Besar, Nik Abdul Aziz Nik Mat sy ny mpitarika mpanohitra Anwar Ibrahim. Voalaza fa misy an'i Nik Abdul Aziz manao firaisana ara-nofo amin'i Anwar ilay sary.
Nanonona fikambanana 60 ho mpitsikilon'ny “ady mandambolambo” ny minisiteran'ny fitsikilovana ao Iran

Vao haingana, dia lisitra ahitana fikambanana 60 no navoakan'ny minisiteran'ny fitsikilovana Iraniana izay miampanga azy ireo fa mazoto amin'ny ady mandambolambo atao amin'ny fitondrana Islamika ao Iran. Heverina ho heloka bevava ary voaràra ny fiarahamiasa amin'ireo fikambanana ireo sy ireo fampahalalam-baovao manana fifandraisana amin'ireo fikambanana ireo.
Ejipta: ny herin'ny vondrona sy ny hetsika amin'ny Facebook

Ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao elektronika mavitrika sy mandroso ao Ejipta, dia nanjary nampiasain'ny Ejipsiana marobe ny Facebook noho ny antony maro samihafa sy imbetsaka, indrindra rehefa hamolavola ny hevitry ny vahoaka manohitra ny governemanta Ejipsiana.
Hanivana aterineto i Jordania

Nanitatra ny lalàna mifehy ny fanontana printy sy ny famoahana ho ampiharina amin'ny haino aman-jery elektronika ny Fitsarana Ambaratonga Ambony, izay midika fa hanivana tranonkala sy bilaogy izy.
Ejipta: Lavina ny fandraofana tsy ara-dalàna ireo fitaovan'olona manokana

Ny 30 Jona 2009, notanan'ireo mpitandro filaminana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Cairo ilay bilaogera, Wael Abbas, izay manoratra matetika ny tranga fampijaliana sy ny fanararaotana ataon'ny polisy any Ejipta. Natao fikarohana ihany koa Atoa. Abbas ary nalain'ny polisy an-keriny ny solosaina findainy sy ny fananany hafa.
Ny aterineto sy ny tolona ho an'ny fahalalaham-pitenenana iharan'ny famoretan'ny fitondrana

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanatrika ny seminera ara-pikarohana momba ny Media Nomerika ao anaty fitondram-panjakana mpamoritra i Sami Ben Gharbia tany Copenhagen ny 10-11...
Mandefa Fanafihana Blaogera Ny Governemanta Nizeriàna

Vao nanomboka "ady iray mitentina 5 tapitrisa dolara" hamelezana ireo blaogera sy ireo media anaty tambajotra,toy ny Sahara Reporters, ny governemanta nizeriàna[...] Amin'ny lafiny iray, vaovao tsara io raha toa tsapan'ny governemanta nizeriana ny tanjak'ireo median'ny olom-pirenena ary arahintsika maso sy iverenantsika isaky ny dingana ataon'izy ireo. Amin'ny lafiny iray indray, tena loza io ho an'ireo blaogera ao amin'ny firenena sy ho an'ireo any ivelany mety haniry ny hody an-tanindrazana, na hanao fialantsasatra fohy izany, na noho ny asa, na hijanona tanteraka any.