Fanavaozana mateza: Dang, taimboraka avadik'i Nepal ho angovo

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

Sarin'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratry ny Nepali Times nosoratan'i Santosh Dahit ity dia nadikan'i Aayusha Pokhrel avy amin'ny fiteny Nepali nivoaka tao amin'ny himalkhabar.com. Navoaka eto amin'ny Global Voices indray ny dikan-teny efa nasiam-pandrindrana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Na dia eo aza ny fanamby atrehiny amin'ny fanatanterahana ny fampanantenany tamin'ny fifidianana hamahana amin'ny fomba mahomby ny olan'ny fako ao Kathmandu, naharay soa avy amin'ny fitsidihana ny distrikan'i Dang ao amin'ny faritanin'i Lumbini ao afovoany andrefan'i Nepal ny ben'ny tanàna Balen Shah, tamin'ny nanehoan'ny tanàna iray ny fahafaha-manova ny fakony ho angovo.

Saika ny 90 isanjaton'ny fako ao Ghorahi ambanivohitra ampahany ao Dang no fonjan'aina (biomasse) izay ahitana ny fako avy ao an-dakozia, ny sisa tavelan'ny fambolena ary tain'omby izay azo avadika ho etona metanina fandrehitra. Ny ambiny dia plastika, metaly, na vera azo ahodina indray, ary ampahany kely amin'izany sisa no ariana any amin'ny toerana fandevenam-pako.

Iray amin'ireo tokantrano 32 ao amin'ny fokontany roa ao Ghorahi izay mahazo etona mandeha amin'ny fantson'ny Sub-Metropolitan City, mahazo fanohanana ara-teknika avy amin'ny Alternative Energy and Nepal Energy Development Company, ny fianakavian'i Laxmi Chaudhary. Niankin-doha tamin’ny kitay ny fianakaviana, ary avy eo nanafatra varingarin-tsolik'etona mandranoka (LPG na Liquefied petroleum gas) hikarakarana sakafo.

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

saripikan'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nieràna.

“Fony izahay mbola kely, dia nampiasa kitay tany anaty ala izahay rehefa naharitra tany an-tsaha, avy eo nivadika nampiasa varingarin'etona, fa ankehitriny aho vao afaka mampiasa ny etona entim-pantsona, ary vao mainka miasa tsara kokoa izany”, hoy i Chaudhary.

Natahotra varingarina (tavoahangy vy) izy taloha satria efa nisy tranga nipoahan'izy ireny, saingy tsy manana tahotra toy izany amin'ny etona entim-pantsona. “Mora toy ny manodina hidim-pantsona izany,” hoy izy.

Faly koa i Sushila Chaudhary mpifanolobodirindrina aminy manana etona entim-pantsona tonga hatrany an-dakoziany. “Tena mora ny mahandro izao, ary tsy misy setroka ny lakozia”, hoy izy.

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

Saripikan'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nieràna.

Raha mahavita izany i Ghorahi dia tsy misy ny antony tsy ahafahan'ny tanàna sy ireo tanàna hafa manao izany. Eny tokoa, maherin'ny 350.000 ny orina biôgazy an-tokantrano ao Nepal, ary nalain'izao tontolo izao tahaka ny sinibempandevonana (digester dome) ambanin'ny tany mora sy tsy ilaina fikojakojana novolavolaina teto tamin'ny taompolo 1980s.

Ankoatra izany, nisy ny fanandramana hamokarana biogazy amin'ny ambaratonga indostrialy. Mamokatra etona voajanahary voafintina (CNG) ny Gandaki Urja, orinasa tsy miankina iray,  ary an-tavoahangy vy (varingarina) amin'ireo hotely ao Pokhara. Orinasa mitovitovy amin'izany ihany koa no mamatsy etona any amin'ny ampahany amin'ny tanàna ao Jhapa.

Raha ampitomboina amin'ny faritany rehetra miisa fito, ny biogazy amin'ny ambaratonga indostrialy dia hampidina ny fanafarana solik'etona (LPG) ao Nepal, izay nitombo haingana tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny taom-piasana ara-ketra farany teo fotsiny dia nanafatra LPG efa ho 60 lavitrisa NPR (455,73 tapitrisa dolara) avy any India i Nepal.

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

Saripikan'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nieràna.

Nanohana mavitrika ny fandaharan'asa biogazy i Narulal Chaudhary Ben'ny tanànan'i Ghorahi ary nilaza hoe: “Mamokatra biogaz avy amin'ny fakon'ny tanàna izahay ary mandefa izany mivantana amin'ny alalan'ny fatsona mankao amin'ny fatana an-tranon'olona. Afaka mizara izany fahalalana izany amin’ny hafa izahay.”

Kinendrin'ny tetikasa mitentina 22 tapitrisa NPR  (151.917 USD) ny hizara etona metanina amin'ny tokantrano 1500 rehefa tapitra io dingana fitaratra io. Raha vao tafapetraka ny compteur, dia homena sarany arakaraka ny fanjifana vitany ny isan-tokantrano. Hiitatra amin'ny tokantrano 750 ny tetikasa amin’ny dingana faharoa.

“Afaka mamokatra etona hatramin’ny 2.000 metatra toratelo isan’andro izahay rehefa miasa feno ny orinasa mpamokatra etona. Mba hanaovana izany, mila fako 30 taonina isan'andro izahay,” hoy Sharada Sharma mpandrindra ny tetikasa. “Rehefa tsy ampy hamelomana ny mpandevona ny fako avy any Ghorahi, dia maka fako fanampiny avy amin'ny distrika izahay.”

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

Saripikan'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nahazoana alalana.

Tena nampirisihan'ny fandrosoana vita ny ben'ny tanàna Chaudhary ka heveriny fa tsy ho ela dia hambara ho afaka amin'ny fako i Ghorahi. Manafatra ny fakon'i Lamahi, tanàna Sub-Metropolitan hafa ao Dang aza ny tanàna.

Fifanarahana samy mahazo tombony izany ho an'ny tanàna, izay efa eo andalam-pitantanana ny fakony, miteraka etona (fandrehitra) ho an'ny mponina ao aminy, sady mamokatra zezika avy amin'ny ranondolana. Amidy hatramin'ny 50 NPR (0,38 dolara amerikana) isaky ny kilao ny zezika organika, ary tsy ampy hatry ny ela zezika ao Nepal. Ahitana phosphate sy azota ambony kokoa, ilaina amin'ny voly, ny ranondolana.

Maharitra 20 taona ny fifanarahana eo amin'i Ghorahi Sub-Metropolitan City sy ny Orinasa, aorian'izay dia hatolotra ny tanàna ny trano famokarana sy toeram-pitsinjarana etona.

Image by Santosh Dahit via Nepali Times. Used with permission.

Sary avy amin'i Santosh Dahit via Nepali Times. Nahazoana alalana.

Mandritra io vanim-potoana io homen'ny Orinasa Alternative Energy and Nepal Energy Development ho an'ilay Tanàna efa hakadiry ny 5 isanjaton'ny tombony azo avy amin'ilay toerana.

Miafara any Banchare Danda ao Nuwakot avokoa ny fakon'i Kathmandu, ary nanamafy ny fanoherany ny mponina tao an-toerana, noho ny tsy fanajana fampanantenana. Fa raha nanavaka ny fakony, plastika efa nampiasaina, ny vera sy ny metaly, ary etona avy amin'ny ampahany mety levona i Kathmandu, dia ho vitsy ny fako no hiafara amin'ny toeram-pandevenam-pako.

Angamba tokony handeha hanao fitsidihana mianatra any Ghorahi ireo ben'ny tanàna amin'ny tanàna maloto indrindra ao Nepal hijery ny fanaovany azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.