Tari-dalan'ny GV amin'ny tatitra fifidianana

Sary avy amin'ny Canva pro namboarin'i Sydney Allen

Tombanana ho 3 miliara mahery ny vahoaka handatsa-bato amin'ny taona 2024, izay midika fa ho taona lehibe amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny demokrasia ary ny zon'ny mpifidy izany.Noho ireo fifidianana manan-danja marobe hitranga, dia nanapa-kevitra ny hamoaka andiana torolalana sy toro-hevitra momba ny fomba hitantarana ny fifidianana amin'ny fomba GV izahay.

Satria tsy isalasalana fa mety ho kihondalana ny ankamaroan'ny fifidianana amin'ity taona ity, dia mety ho rakotra tatitry ny fampahalalam-baovao ny sasany. Tianay ho azo antoka fa hilaza ireo fifidianana ireo hahasahana sokajin-dohahevitra maromaro sy amin'ny fomba tsy manam-paharoa manasongadina fomba fijery vaovao sy iraisampirenena azo entina amin'ny fitantarana ny efitrano famoaham-baovaontsika.Ny tsy mahaliana anay dia ny famoahana famintinana fohy ny hoe iza no mirotsaka, inona no ijoroan'izy ireo, sns. Tianay hiditra lalindalina kokoa ny vaovaonay momba ny fifidianana ary hanome odidina ara-politika sy ara-kolontsaina bebe kokoa.Hijery fikafika vitsivitsy sy fanontaniana hoheverina mialoha, mandritra sy aorian'ny fifidianana, jereo ny torolàlanay eto ambany.

Tetiandrom-pifidianana

Jereo ato izany

Fitantarana GV vao haingana ho fanondroana

Lahatsoratra:

Indoneziana tanora mpifidy mizara ny fitakiany mialoha fifidianana [mg]

Miverina manao politika ny praiminisitr'i Georgia teo aloha ratsy laza

“Ny fanirian'ny vahoaka Shinoa”: fitantaran'i Beijing momba ny fanafihana an'i Taiwan

Mizotra amin'ny fifidianana ankapobeny mandeha ankolafy tokana i Bangladesh

Manana zoro miavaka, araka ny fanadihadiana natao ny fanafihana anjotra ireo kandidà ho filoham-pirenena ao Venezoela

Fitantarana manokana:

Indonezia: Fifidianana sy demaokrasia

Taiwan: Tery anelanelan'ny ady sy ny fandriampahalemana

Ho tahaka ny ahoana i “Ozbekistan Vaovao”?

Tetikasa GV teo aloha momba ny fifidianana : https://voiceswithoutvotes.org/

Fanontaniana tsara dinihana rehefa manoratra momba ny vaovaom-pifidianana ato amin'ny GV:

Mialoha fifidianana

Iza no mifidy, iza no tsy mifidy, ary ahoana, ny lasitra ara-dalàna sy ara-teknika

  • Iza no mahazo mifidy ary iza no tsy mahazo mifidy? Ary ahoana no ahafahanao mifidy avy any ivelan'ny firenena?
  • Afaka miditra birao fandatsaham-bato ve ny tantsaha ary inona no maha-samy hafa ny vatony amin’ny tanàndehibe?
  • Ny fahamaroam-piteny  sy ny fifidianana: Inona no fiteny manjaka ary nahoana? Misy zarahay amin'ny fitenin'ny vitsy an'isa ve? Ahoana ny amin’ny fifidianana teo aloha?
  • Iza no vondrona tsy jerena mihitsy?
  • Misy vondrona tsy mifidy ve na voahilika noho ny fivoaran'ny lalàna?
  • Nahoana?Inona no odidina lehibe kokoa amin'izany?
  • Tsy maintsy mifidy ve any amin'ny firenena XX?

Iza/inona no mampiròna ny latsa-bato (anatiny, iraisampirenena, tranga voajanahary, areti-mifindra)

  • Misy olona/orinasa efa nanan-danja tamin’io fifidianana io ve?
  • Moa ve ny zavakanto, mozika, lamaody, na fampisehoana, ary koa ny olo-malazan'ny sinema, ampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra mihitsy?
  • Iza avy ireo mpiantsehatra vahiny efa nanandrana/nahomby tamin'ny fampirònan-tsafidy amin'ity fifidianana ity (firenena, mpanjanaka taloha, orinasa, sehatrasa)?
  • Manana anjara asa ve ny any am-pielezana (diaspora)? Manao ahoana?
  • Misy anton-javatra ivelany (vokatry ny baolina kitra, kolikoly, vaovao ara-jeopolitika, demografika) izay misy fiantraikany amin'ity fifidianana ao amin'ny firenena ity ve?

Tantara vao haingana momba ny fizotry ny fifidianana

  • Inona no lamina hita ara-tantara manodidina ny fifidianana?
  • Mila mpanome fanazavana ve ity sehatra ara-pifidianana/ara-politika ity mba hanampiana votoaty fanampiny?
  • Tsy maintsy mandatsa-bato ve ny mifidy any amin'ny firenena XX?
  • Niova ve ny rafi-pifidianana mialoha fifidianana ?Raha eny, ahoana ary nahoana

Ny tontolon'ny antoko, ny kandidà ary ny olana

  • Antony lehibe amin'ity fifidianana ity ve ny miralenta/ny fanorisorenana?(Anisan'izany ny maha lahy na vavy ny kandidà sy ny mpifidy)
  • Inona no lohahevitra/olana mampiova safidy (fa tsy ilay tena iadian-kevitra amin'ny fanentanam-pifidianana)?
  • Iza avy ireo antoko lehibe sy ironan-tsafidy (raha misy fifidianana parlemantera)? Inona no tantara ao ambadik'izy ireo? Rafitra misy antoko roa toa ny any Etazonia sa antoko maro? Iza avy ireo antoko vaovao ary iza no isoloan’izy ireo tena?
  • Inona no fepetra noraisin’ny antoko eo amin’ny fitondrana mialoha fifidianana mba hampitomboana ny fahafahany mandresy amin’ny fifidianana?
  • Miasa araka ny lalàna ve ny andrim-panjakana ? Efa nanao izany ve izy ireo ara-tantara?

Fitantarana

  • Nahoana no rehefa ankatoky ny fifidianana vao mieritreritra momba ny vahoaka ny mpanao politika sasany ?
  • Nahoana no tsy manana vintana mitovy ireo kandida rehetra mba hiseho amin'ny fahitalavi-panjakana mialoha fifidianana?
  • Ahoana no ahafahantsika mitatitra ireo fampanantenana poakaty nomena mialoha fifidianana sy ny tohiny?
  • Ahoana no ahafahantsika mampiditra ireo sampan-draharaha mpanamarina zava-misy, izay mila fotoana handinihana ny zavatra toy ny fampanantenana sy ny tatitra?
    • Nanamarina ny maha-azo antoka ny fampanantenana ny sasany tamin'izy ireo, raha azo atao ny mamaha izany. Angamba afaka miantsafa amin'ny olona avy amin'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny zava-misy isika, mba hahafantarana raha tsy azp tanterahana ny fampanantenana. 
    • Raha tsy antsafa, miasa miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka hanampy azy ireo hamorona votoaty “Endrika GV”.
  • Crowdsourcing: Tokony hanatona ny vondrom-piarahamonina GV midadasika ihany koa isika, hangataka sary amin'ireo mpanoratra matoritory. Na dia ny sarin-takelaka ara-politika fotsiny aza izany, manome antsika votoaty CC ho an'ny lahatsoratsika izany
  • Ahoana no fomba tsara indrindra ampiasàna ny arisivantsika mba hanome ny hodidina sy hanazava ity fifidianana ity?

Mandritra/ Aorian'ny fifidianana

Tandrohasim-pifidianana

  • Iza no misoratra anarana ho mpanara-maso tsy miankina? Misy ve ireo olona nolavina taminy ny fisoratana ho ekipa mpanara-maso 
  • Mandeha araka ny lalàna ve ny fifidianana ?  Ny taratasy na ny fiheviny?
  • Nisy fitsabahana na fanodinkodinana iraisampirenena ve?

Fidirana amin'ny fifidianana

  • Manao ahoana ny isan'ny mpifidy? Raha ambany dia nahoana? Raha ambony, inona no ifidianan'ny olona?
  • Amin'ny androm-pifidianana, afaka miditra amin'ny fifidianana tokoa ve ny olona? Misy olana ara-teknolojia na fotoam-piandrasana ve? Misy zavatra hita vatana manakana ny fidirana ve, toy ny fandrahonana ataon'ny vondrona iray na hafa manakana ny fidirana amin'ny biraom-pifidianana? 
  • Misy karazana ankivy na fihetsiketsehana mitranga ve? Nahoana?

Fanehoan-kevitra

  • Inona no fanehoan-kevitra mikasika ny latsa-bato, ao an-toerana sy iraisampirenena?
  • Hisy fifandimbiasan-toerana milamina ve? Misy olana amin’ny ora farany atosiky ny fitondrana teo aloha ve?  
  • Inona ny fahasamihafana nisy teo amin'ny voka-pifidianana nivoaka ny biraom-pifidianana sy ny tena voka-pifidianana farany?
  • Nisy fihetsiketsehana ve taorian'ny fifidianana? Inona no vokany?
  • Inona no fanehoan-kevitra momba ny fizotry ny fanaraha-maso maharitra ela tamin'ny fifidianana izay namoaka ny vaovaon'izy ireo herinandro maro taty taoriana? Nisy ve ny tsimatimanota, ny voka-dratsy ara-pitsarana, na hafa?

Ny mety ho fiantraikany

  • Ahoana ny fiantraikan’ny fifidianana eo amin’ny fiarahamonina ao anatin’ny fotoana fohy sy maharitra? 
  • Mety hidika ho fanovana hoavy amin'ny lalàm-pifidianana ve izany

Teknolojia sy ny fampahalalana diso

  • Ampiasaina mihitsy ve ny AI (HaVO) amin'ity fifidianana ity?
  • Vahaolana sy/na olana ho an'ny vondrona sasany ve ny fanaovana nomerika ny fifidianana?
  • Nisy ve olana momba ny fanaraha-maso na fanangonana angon-drakitra,  fanaraha-maso olona ary ny fanamarinana mari-panondroana? 
  • Inona no fandisoam-baovao sy vaovao diso manodidina ny fifidianana? Fomba fitantara inona no lazain-dry zareo? Iza no mahazo tombontsoa amin’ireo fitantarana ireo, ary nahoana? Tonga any amin'ireo zanaka ampielezana ve ireo fitantarana ireo (oh: ampiasain'ny firenena hafa)? 
  • Notoherina ve ny rafi-pifidianana? ohatra. fifidianana elektronika/taratasy — mihevitra hanova rafi-pifidianana ve ny firenena? 
  • Nampiasaina ve ny media sosialy mba hikendrena/hanenjehana kandidà na antoko?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.