Nahoana i Kenya no miady amin'ny firongatry ny famonoana vehivavy?

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘Atsaharo ny famonoana anay ry Lehilahy! Mihoatra ny 10.000 ireo vehivavy nanao diabe teny an'arabe tao Nairobi hanoherana ny FAMONOANA VEHIVAVY’ an'ny Jalango TV., Janoary 2024. Fampiasàna ara-drariny.

Ny Sabotsy 27 Janoary, nifamory ireo vehivavy sy feminista, tety anaty tambajotra sy teny an'arabe tao Kenya, mba hanohitra ilay voalaza fa fitomboan'isan'ny famonoana vehivavy, ary hitaky fandraisana andraikitra.

Araka ny lazain'ny The EastAfrican, ilay hetsipanoherana nanerana ny firenena, nomena anarana hoe ‘Diaben'ireo Feminista Hanoherana ny Famonoana Vehivavy,’ dia nitranga tany amina fari-piadidiana 11: Nairobi, Mombasa, Kisumu, Nakuru, Eldoret, Homabay, Turkana, Kilifi, Machakos, Kisii ary Nyeri, nahasarika mpandray anjara nihoatra ny 10.000.

Araka ny nitateran'ny UK Guardian azy, ny Femicide Count Kenya, ONG iray mandrakitra ireo famonoana vehivavy, dia naharakitra tranga 152, ny avo indrindra tato anatin'ny dimy taona farany. Ireo vovonana mpanadihady “Africa Uncensored” sy “Africa Data Hub” dia manombana fa manodidina ny 500 ireo vehivavy keniàna no maty nisy namono teo anelanelan'ny 2014 sy 2024.

Roa herinandro taorian'ny fiandohan'ny taona 2024, miresaka vehivavy maty novonoin'ireo lehilahy akaiky azy daholo ny lohateny vaventin'ny gazety. Ny hita maso fotsiny no voaresak'ireo tranga, tsy tambo ho isaina ireo tsy voarakitra.

Tamin'ity Zoma ity, miaraka amin'ny @AfUncensored & @Africa_DataHub, natombokay ny “#SilencingWomen“: angondrakitra misy ireo tranga famonoana vehivavy hatramin'ny 2016.
— VybeCast (@VybeCast) 16 Janoary 2024

Vahoaka mihoatra ny 55 tapitrisa amin'izao fotoana izao no ananan'i Kenya, vehivavy ny 50 isanjatony mahery amin'izany, araka ny tatitry ny Banky Iraisampirenena, ary miteraka horohoro ny fitomboan'isan'ny famonoana vehivavy.

Niteraka fahasorenana ireo tranga vao haingana, toy  ilay famonoana feno habibiana an'i Starlet Wahu sy Rita Waeni. Noforonina ireo tenifototra ao amin'ny media sôsialy, toy ny #EndFemicideKE sy  #TotalShutDownKE.

Nasongadin'ny The Guardian ny fanadihadiana iray tamin'ny 2022 izay namboraka fa mihoatra ny ampahatelon'ireo vehivavy ao Kenya no voalaza fa niaina herisetra ara-batana, raha The EastAfrican kosa nitatitra hoe asehon'ireo fanadihadiana nataon'ny “UN Women” fa i Afrika no naharaketana ny isa avo indrindra amin'ireo vehivavy maty novonoim-bady na misy ifandraisany amin'ny fianakaviana, ka tombanana ho 20.000 ireo tra-doza.

Ny andininy faha-27 ao amin'ny Lalàm-panorenana no miaro ny zon'ireo vehivavy sy ankizivavy ao Kenya, ary tsipihan'ny Lalàna Famaizana ireo sazy raha sanatria misy herisetra atao amin'izy ireny. Manana birao manokana misahana ny miralenta ny pôlisy keniàna, hikarakara ireo olana manokana mifandraika amin'ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy, araka ny notaterin'ny Al Jazeera. Ankoatra izay, Kenya dia nanaiky ireo fifanarahana hiadiana amin'ny herisetra natao noho ny maha-lahy na maha-vavy, isan'ireny ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny Fanafoanana izay Rehetra  Endrika Fanavakavahana atao amin'ny Vehivavy — Convention on the Elimination of All Forms of Discrimination against Women (CEDAW) — sy ny Sata Afrikàna momba ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka.

Na eo aza ireo lalàna sy pôlitika henjana hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny miralenta, lazain'ireo mpikatroka fa tsy mahomby ireo pôlitikan'ny governemanta ary mihisatra sy feno kolikoly ny rafi-pitsaràna, ka mamela ireo nahavanon-doza ho tsy hisazy, araka izay tsindriana ao anatin'ity lahatsoratra avy amin'olona iray mpampiasa ny X (Twitter taloha) ity:

Ny 14 Feb 2021, maty novonoin'ny olom-pantany ny rahavavinay  💔
Notsatotsatohany antsy im-betsaka izy ary nodorany tao an-tranony. Mbola mivezivezy malalaka lery 😪😔 Tsy nanao fanadihadiana ny @DCI_Kenya .
Nanao diabe aho androany, ho azy & ho an'ireo rehetra maty nisy namono.#EndFemicideKE#TotalShutDownKE https://t.co/1D4bt0p2pq

— Carol M. Nyaga. 🇰🇪🇰🇪 #IStandWithPalestine 🇵🇸 (@CarolmNyaga) 27 Janoary 2024

Fanampin'izay, lahatsoratra iray ao amin'ny The Conversation no manisy tsindrimpeo momba ireo anton-javatra maharitra ao ambadiky ny olan'ny herisetra noho ny maha-lahy na vavy ao Kenya, isan'izany toetsaina ara-tsôsialy, ny hevidiso afafin'ny media ary ireo fanamby ara-pahasalamàna sy araka ny lalàna.

Araka ny nasongadina tao anatin'ilay lahatsoratra,  ny anjara andraikitra sy ny zavatra andrasana amin'ny miralenta ao anatin'ny fiarahamonina keniàna dia manosika ny tsy fifandanjàn-kery, mikolokolo kolontsain'ny fankahalàna vehivavy ka mandrisika ireo tovolahy ho mahery setra ara-nofo, no sady miandrandra ihany etsy andaniny hoe hiditra amin'ny idealin'ny fahadiovam-pitondrantena ireo ankizivavy.

Ireo angano miparitaka be momba ny fanolànana dia matetika manome tsiny ireo niharany sy manafaka izay nahavanon-doza, miafara amin'ny tsy fisian'ny fampandraisana andraikitra an'ireo mpamono ary fametraham-panontanina momba ny fahatokisana ny tenin'ireo sisampaty. Ireo izay niaina fanolanana tao Kenya  dia miatrika sakàna toy tsy finoana, ny fanomezan-tsiny ny niharan-doza, ny fahataràn'ny fahazoana fanohanana sy rariny.

Araka izay voamarika ao anatin'ilay lahatsoratry ny The Conversation, ny fandraisana an-tànana ireny olana ireny dia mila fanavaozana lalàna, fampitomboana ny solontenan'ireo vehivavy eny anivon'ny governemanta, ary ny fanabeazana feno atao any an-tsekoly momba ny firaisana ara-nofo, ny herisetra, ary ny zo.

Tsindrian'ilay lahatsoratry ny The Conversation ihany koa ny lanjan'ny fanofànana media mba hisorohana ny fanomezantsiny tafahoatra ireo sisampaty, vokatry ny fanaovana tatitra tsy misy dikany.

Fanampin'izay, tsipihany fa ireo sisampaty tamin'ny fanolanana tao Kenya dia matetika miatrika fahataràna eo amin'ny fahazoana fikarakaràna ara-pahasalamàna sy ny fandraisana an-tànana avy amin'ny pôlisy, mahakely ny vintan'izy ireny hahazo ireo porofo mivaingana momba ilay heloka bevava. Izany dia ahilika ho noho ireo anton-javatra toy ny tsy fahampian'ny fanofànana, ny kolikoly, ary ny fametrahana ny tsy maintsy andoavana vola ho an'ireo tolotra izay tokony homena maimaimpoana.

Raha i Harriet Chiggai, ramatoa mpanolotsaina ny filoha keniàna, nanameloka ilay famonoana vehivavy vao haingana tamin'ny 19 Janoary, dia i Mohamed Amin, talen'ny fanadihadiana ireo heloka bevava ao Kenya kosa nametraka sampana manokana mba hanafaingànana ny fanadihadiana ireo trangana famonoana vehivavy, ho valin'ireo  hetsipanoherana. Na izany aza, lazain'ireo mpikatroka fa tsy ampy ny famoronana ilay sampana manokana, na dia dingana iray miabo aza. Tsindrian-dry zareo ny filàna fanovàna midadasika kokoa, isan'izany ny fanovàna ny fihetsiky ny pôlisy sy ireo solombavambahoaka, mba handraisana an-tànana amin'ny fomba mahomby ny olan'ny famonoana vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.