Hong Kong: miatrika fandrahonana ara-pitsarana ireo mpamandrika amin'ny fantsona sy blaogin'ny mpikatroka

Pikantsary avy amin'i Ted Hui's Patreon.

Nahatratra dingana vaovao mahery vaika kokoa ny fampiharana ny lalànan'ny filaminam-pirenena (NSL) ao Hong Kong rehefa nosamborin'ny polisy tao an-tanàna ireo olona efatra mpamandrika mandoa amin'ireo sehatra anjotran'ireo mpikatroka an-tsesitany tamin'ny herinandro lasa teo.

Voalaza ireo olona efatra ireo fa “nanampy” an'i Nathan Law sy Ted Hui, mpikatroka anaovam-pitadiavana amin'ny heloka bevava fisintahana sy firaisana tsikombakomba araka ny NSL tamin'ny famandrihana nandoavam-bola tamin'ny bilaoginy.

Tamin'ny volana Jolay, namoaka didy fampisamborana an'i Law sy Hui sy loka HKD 1 tapitrisa (USD 130.000) ny Polisy ao Hong Kong, didy fampisamborana ahitana mpikatroka enina hafa any an-tsesitany: Elmer Yuen (Parlemantan'i Hong Kong), Anna Kwok (Vaomieran'ny Demaokrasia ao Hong Kong), Dennis Kwok (mpanao lalàna taloha), Mung Sui Tat (mpiasa mpikatroka) ary Kevin Yam (mpisolovava).

Tamin'ny herinandro teo, namoaka loka fanampiny mitentina 1 tapitrisa HKD ny Polisin'i Hong Kong ho fisamborana mpikatroka an-tsesitany dimy hafa, anisan'izany i Simon Cheng, Frances Hui, Joey Siu, Johnny Fok ary Tony Choi.

Voampanga ho nandika ny lalàna mifehy ny filaminam-pirenena avokoa ireo olona 13 karohina ireo. Tafiditra ao anatin’izany fandikan-dalàna izany ny fandrisihana hisintaka, fandrisihana hanakorontana, ary firaisan-tendro amin’ny firenena vahiny na singa any ivelany hanohintohinana ny fiarovam-pirenena.

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny loka vaovao tamin'ny 14 Desambra, nilaza tamin'ny mpanao gazety ny tompon'andraikitry ny filaminana ny tanàna fa olona efatra no nosamborin'izy ireo izay mpamandrika mandoa vola amin'ny sehatra anjotran'i Nathan Law sy Ted Hui nanomboka ny Desambra 2020 ka hatramin'ny Novambra 2023.

Ny saram-pamandrihana nataon-dry zareo nandritra ny telo taona dia HKD 10.000 ka hatramin'ny 120.000 (USD 1.280 hatramin'ny USD 15.380), ary noho izany, dia lazaina ry zareo fa nanao ny heloka bevava tamin'ny fanampiana, fanaovan-tolotanana na famatsiam-bola ny fisintahana araka ny Andininy faha-21 ao amin'ny NSL. Araka ny fandikan-dalàna, dia dimy ka hatramin'ny folo taona an-tranomaizina ny sazy amin'ny raharaha henjana, raha mety fitanana am-ponja fohy ezaka ka hatramin'ny dimy taona kosa amin'ny raharaha madinika.

Inoana fa ireo mpamandrika mandoa vola amin'ny Patreon-n'i Nathan Law sy an'i Ted Hui ireo olona efatra ireo, ny Patreon dia orinasan-tsehatra anjotra miorina any Etazonia natao ho an'ireo mpamorona votoaty mamelona servisy famandrihana sy mivarotra vokatra ankihy (dizitaly).

Ny Departemantan'ny Filaminam-pirenena Hong Kong dia nanambara ny fisamborana lehilahy 2 sy vehivavy 2. Voampanga ho ‘manome fanohanana ara-bola ho an'ny hafa izy ireo hanatanterahana fisaraham-bazana’ amin'ny alalan'ny famatsiam-bola ireo mpikambana taloha tao amin'ny Vaomieran'ny fanaovan-dalàna Nathan Law sy Ted Hui tamin'ny alalan'ny Patreon.

Hatramin'ny nanakatonana ireo seha-baovao roa lehibe manohana ny demokrasia, ny vaovao Apple Daily sy Stand News, tamin'ny taona 2021, dia nifindra tany amin'ny Patreon ireo feo mitsikera sy mpanao gazety haneho hevitra momba ny raharahan'ny tanàna amin'izao fotoana sy hanohanana ny asany.

Niteraka fikoropahana tao amin'ny media sosialy araka izany ny vaovaon'ny fisamborana satria nanahy ny mpanjifa naporotsaky ny banky ao an-toerana na ny Patreon tamin'ny manampahefana polisy ny mombamomba azy ireo. Efa hitan'ny mpanoratra sasany ao amin'ny Patreon ny fandosiran'ny mpamandrika an-dry zareo.

Mino i Ted Hui fa tetika fampitahorana ny fisamborana. Nizara ny fomba fijeriny tao amin'ny Facebook ilay depiote taloha, izay monina any Aostralia ankehitriny:

港府拘捕我Patreon的訂閱者,無非是要散播白色恐怖,對持相反政治立場的普通市民趕盡殺絕,完全是暴政所為。…我在律師樓執業的工作雖工資不高, 但有穩定的收入, 港共的跨國打壓伎倆是無法影響我生活的。…不論訂閱多寡, 為香港的自由發聲是我的志業, 我絕不會停止。

Ny tanjona hisamboran'ny governemantan'i Hong Kong ireo mpamandrika Patreon-ko dia ny hiteraka horohoro fotsy. Te-hamongotra olon-tsotra manana fijoroana ara-politika hafa ny fitondrana lian-drà… Amin'izao fotoana izao aho manana fidiram-bola marin-toerana amin'ny asako amin'orinasa ara-pitsarana, tsy hisy fiantraikany amin'ny fiainako ny famoretan'ny HK-CCP… Na firy na firy ny isan'ny mpamandrika amiko, tapa-kevitra ny hanambara ny fahafahan'i Hong Kong aho. Ary tsy ho voasakana.

Raha notsipahan'i Patreon ny zarahay momba ny mpiserasera amin'ny manampahefana ao Hong Kong tao amin'ny valinteny an-tsoratra iray nomena an'i Nathan Law tamin'ny 17 Desambra, dia lasa olana ho an'ny sehatry ny zon'olombelona ny tsiambaratelon'ny mpamandrika araka ny voalazan'i Alex Gladstein avy ao amin'ny Human Rights Foundation miorina any New York:

Managadra olona noho izay ataony ao amin'ny Patreon any Hong Kong ankehitriny ny tsirefesimandidy.

Lasa matoan'aina ho an'ny zon'olombelona sy ny demokrasia irosoan'ny asany ny fomba fitsinjaram-pahefana, amin'ny solon'anarana hanomezana ho an'ny ikatrohana

Na izany aza, tsy ireo mpamandrika mandoa vola ihany no miatrika fandrahonana ara-pitsarana — voarahona iharan'ny lalàna (fitsarana) ihany koa ireo mpamandrika tsy mandoa vola amin'ny sehatra media sosialy toy ny YouTube.

Tao amin'ny fandaharana radio iray, nampitandrina i Ronny Tong, mpikambana ao amin'ny Komity Mpanatanteraka ao amin'ny governemanta, fa na dia ny famandrihana maimaim-poana amin'ny fantsona horonan-tsary tantanan'ny olona tadiavina aza dia azo raisina ho “fanampiana” satria mety hampitombo ny fidiram-bolan'izy ireo ny hetsika toy izany. Nanentana ny olona izy hanafoana ny famandrihana amin'ireo mpandika ny NSL.

Ho setrin'ny lahateny tamin'ny onjam-peo nataon'i Ronny Tong, namelaka ny tetika politika fampitahorana i Fung Hei-kin, mpaneho hevitra momba ny raharaha amin'izao fotoana:

如果湯家驊的講法說得通,為什麼港警至今仍未控告YouTube或Patreon這類有份「資助罪犯」的外國勢力?執法不明不白,反而有資深大律師說,連看YouTube影片也可能犯法,肯定把外資嚇得更加雞飛狗走,損害香港利益,危害国家經濟,莫過於此。

Raha mitombina ny tohan-kevitr'Atoa Ronny Tong, nahoana no tsy nanenjika ireo hery vahiny toa an'i YouTube na Patreon noho ny “fanampiany ny jiolahy” ny polisin'i Hong Kong? Tsy mazava ny fampiharana ny lalàna, saingy nilaza ny mpisolovava zokiny [Ronny Tong] fa na dia ny fijerena horonan-tsary YouTube aza dia mety ho heloka bevava, izay azo antoka fa hampitahotra kokoa ireo mpampiasa vola vahiny ary hanohintohina ny tombontsoan'i Hong Kong sy ny toekaren'ny firenena, ary tsy misy fomba tsara kokoa hanaovana izany noho ny fanaovana izatsy.

Antsoina hoe ‘relika’ amin'ny foibe ara-bola iraisampirenena [mg] i Hong Kong noho ny fitazonan'ny renivola vahiny ny volany tsy ho ampiasaina ao an-tanàna noho ny fanjavozavoana ara-politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.