Dôsie Tafaporitsaka Mampiseho Fa Sary Miboridana No Takalon'ny Vola Indramin'ny Tovovavy Ao Shina

A hand written loan slip. The interest rate of lending 2000 yuan is 100% for two month. One of the leaked photo circulated online.

Taratasy findramam-bola nosoratan-tanana. Ny tahan'ny zanabola amin'ny fampisamboram-bola  2000 yuan dia 100% ao anatin'ny roa volana. Iray amin'ireo sary tafaporitsaka nivezivezy tao amin'ny aterineto.

Tsiambaratelo fantatry ny rehetra ny fitakian'ireo servisy ara-bola antserasera sasany amin'ireo vehivavy mpitrosa sary miboridana ho takalon'ny findramam-bola, na amin'ny fanitarana ny fe-potoana fandoavana ny trosa. Ankehitriny, manoloana ny fiporitsahan'ireo sary miboridana sy ny lahatsary antserasera misy ireo vehivavy mpitrosa – dia natao ny fanairana noho ny fivezivezen'ny tahiry miaty 10-gigabytes ao amin'ny aterineto Shinoa.

Ahitana sary sy horonam-peo vetaveta misy vehivavy miisa 161 raha kely indrindra ny tahiry nofehezina [no-zipper-na], mpianatry ny sekoly ambony anelanelan'ny 17 ka hatramin'ny 23 taona ny ankamaroan'izy ireo. Miaraka amin'ireo fitaovana hita maso ireo ny Fandraketana ny karajia sy ny mombamomba azy ireo — toy ny anaran'ny havana sy ny antsipirihan'ny mombamomba azy.

Avy amin'ny Jiedaibao, sehatra servisy antserasera ara-bola ao amin'ny media sosialy ny dosie tafaporitsaka, sehatra manamora ny fampindramam-bola ho an'ny tsirairay. Tsy maintsy mampiasa ny tena anondroana azy ireo ao amin'ny mombamomba azy ireo ny mpitrosa, raha afaka mijanona tsy mitonona anarana kosa ny mpampindram-bola. Namoaka fanambarana mitsipaka izay mety ho fandraisana anjara tamin'ny famoahana ny dosie tafaporitsaka ny servisy ara-bola, ary voalaza fa miara-miasa tanteraka amin'ny polisy amin'ny famotorana.

Mba hahazoana famindramam-bola, angatahana ireo tovovavy mba haka sary selfie miboridana miaraka amin'ny kara-panondron'izy ireo; nisy mihitsy aza ireo angatahana mba hanao masturbation eo anoloan'ny fakantsary. Ankoatra izany, nisy ireo antontan-taratasy hafa naseho – ahitana ny karatra maha-mpianatra, sy ny pikantsarin'ny sehatry ny mpiserasera amin'ny maha mpianatry ny anjerimanontolo.

Nilaza tamin'ireo tovovavy ny mpampindram-bola fa raha tsy afaka mamerina ny vola ara-potoana izy ireo dia havoakan'izy ireo ny sary sy ny lahatsary. Araka ny hita tamin'ny fandraketan-dresaka, nilaza ihany koa izy ireo fa ny fomba hafa ahafahana mamerina ny trosa dia ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'ny olon-tsy fantatra (izay karakarain'ny mpampindram-bola) na koa mandray anjara amin'ny karajia ao amin'ny aterineto sady miboridana.

Ahitana fandraketana trosa miisa 26 ny dosie tafaporitsaka manondro ny vola nindramina manomboka amin'ny RMB 1000 ka hatramin'ny RMB 23 000 (eo amin'ny145 dolara ka hatramin'ny 3 340 dolara). Samy manana ny fe-potoanany ny findramam-bola manomboka ny dimy herinandro ka hatramin'ny sivy volana, ary mety ho tafakatra hatramin'ny 15% ny tahan'ny zanabola isan-kerinandro.

Tsy nanana faniriana hiezaka sy hahatakatra ny antony naneken'ireo tovovavy ny fepetra tafahoatra momba ny famindramam-bola tahaka izany ny ankamaroan'ny Shinoa mpiserasera; fa asiaka ny fanehoan-kevitr'izy ireo. Tao amin'ny Twitter, niezaka nandresy lahatra ny hafa mba tsy hanome tsiny ireo lasibatra ny mpanangom-baovao iray ao Beijing:

10G裸条视频这种事,我觉得怪女大学生没啥意义,他们就是傻,就是单纯,就是被利益诱惑了,然后怎么着?不觉得这种情况的大学生很多么?不觉得这种特点的社会人也很多么?没办法。关键就是打击犯罪,堵塞传播。当然这些女大学生也为自己的不当行为付出了代价,同时也成为了生动的教育典型。

Mikasika ny lahatsary miboridana 10G  momba ny famindramam-bola, tsy ilaina ny manome tsiny ireo vehivavy mpianatra. Na izy ireo adala na tsotra loatra na voasariky ny tombontsoa vetivety. Saingy inona no tokony ataontsika manoloana ny zava-misy? Marobe ireo mpianatry ny kolejy tahaka azy ireo sy ny olona ao amin'ny fiarahamonina mitovy toetra amin'izy ireo. Ny vahaolana dia ny fanasaziana ny heloka bevava sy manatsahatra ny fampielezana sary sy lahatsary. Eny tokoa, nizaka ny vokany ireo tovovavy ireo noho ny fitondran-tena tsy mendrika ary lasa zava-pitranga mahazatra ao amin'ny fampianarana.

Na izany aza, niteraka esoeso avy amin'ireo fanehoan-kevitra ny lahatsoratra navoakany:

等等..为了换手机买服装化妆品甚至整容就肯拍小视频借钱,再后面去裸聊赚钱,这样的姑娘叫傻白甜?你们究竟是怎么定义单纯的?明明是又贪又蠢.不自尊自爱的无论男女,都不值得同情.

Andraso. Naka lahatsarim-piraisam-batana izy ireo mba hanovana ny findain'izy ireo, hividy akanjo sy fanatsarana tarehy fotsiny. Avy eo niboridana izy ireo manao karajia hahazoana vola bebe kokoa. Hadalana fotsiny izany? Ahoana no amaritanao ny tsotra sy mora ambakaina? Miharihary fa tia vola sy kaondrana izy ireo, tsy manana fahatokisan-tena sy fanajana tena. Na lahy izy ireo na vavy, tsy mendrika fiantrana.

感觉这样的女生不值得同情,给点钱,就随便排自己的裸照给别人的人,以后难道就是老老实实的娘家妇女了吗?

Tsy mendrika fiantrana izany karazana tovovavy izany. Manome vola ary avy eo manome sary miboridana. Ho vehivavy mendrika ve izy ireo amin'ny ho avy?

欠债还钱难道不应该?光看被骗可怜,花钱的时候不是很开心吗?

Tsy tokony handoa ny trosany ve izy ireo? Mendrika fangorahana izy ireo satria voambaka? Faly ve izy ireo rehefa mandany ny vola?

Vitsy dia vitsy ny olona manakiana ny kolontsain'ny findramam-bola; iray amin'izany vitsy izany ny mpisera Weibo “Monkey king 8994″;

应该严惩利用放高利贷实施犯罪活动的罪犯!!现在网上放贷的几乎多半是属于另有图谋的犯罪嫌疑人在寻找“猎物”。一旦借到他们的钱,恶梦就开始了。

Tokony hosaziana ireo mpanambaka. Jiolahy ireo. Ankehitriny, jiolahy mitady haza ny ankamaroan'ireo mpampindram-bola antserasera. Raha vao mindram-bola amin'izy ireo, dia manomboka amin'izay ny nofy ratsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.