Tontolon'ny media Senegaley: Ireo fampitam-baovao tsara arahina hahazoana vaovao ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena? ​

 Guy Marius Sagna (ankavanana), solombavambahoaka Senegaly mpanohitra, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Tv5monde

Firenena stratejika ao Afrika Andrefana, mijanona ho maodely amin'ny demokrasia any Afrika i Senegaly hatramin'ny nahazoany fahaleovantenany tamin'i Frantsa tamin'ny 4 Aprily 1960. Satria manomana fifidianana filoham-pirenena ny firenena amin'ny fiandohan'ny taona 2024, dia miha-mana-danja kokoa ny andraikitry ny fampitam-baovao.

Mampiseho endrika tena manankarena sy marolafy ny tontolon'ny media Senegaley. Avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra toy ny fahitalavitra, radio, ary ny gazety an-tsoratra ka hatramin'ny fampitam-baovao maoderina, toy ny gazety anjotra, gazetiboky an-tranonkala, ary tambajotra sosialy, izany hoe amin'ny fitaovam-pifandraisana isan-karazany no ahafahana mitondra vaovao ho an'ny besinimaro atolotra ny fiarahamonina Senegaley.

Mametraka ny teny frantsay ho fiteny ofisialy ny lalàmpanorenan'i Senegaly saingy vitsy an'isa ny Senegaley mampiasa io fiteny io, izany hoe 26% araka ny tarehimarika avy amin'ny Fikambanana Frankôfônia Iraisampirenena (OIF) tamin'ny taona 2022. Teny enina no noraisin'ny firenena tamin'ny fomba ofisialy dia ny wolof ( 90%n'ny mponina no mampiasa zy), ny sérère, ny peul, ny mandingue, ny soninké, ary ny diola..

Vokatr'izany, ny ankamaroan'ny vaovao ampitain'ny media dia amin'ny teny Wolof. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Filan-kevitra Nasionaly manaramaso ny haino vaky jery – Conseil national de régulation de l’audiovisuel (CNRA) tamin'ny taona 2018, ny Wolof no hita fa fiteny be mpampiasa indrindra amin'ny fampielezam-peo sy sary (64,71% amin'ny fandaharana dia amin'ny teny Wolof ary 35,29% amin'ny teny frantsay).

Volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 25 febroary 2024 ho avy izao, manan-danja kokoa ny vaovao nasionaly sy any amin'ny faritra.

Vakio: Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024 [mg]

Mediam-pirenena

Araka ny filazan'ny Reporters sans frontières (RSF), manolotra sehatra ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ny firenena, saingy tsy azo lazaina ny hoe tena fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tamin'ny laharana taona 2023 navoakan'ny fikambanana mpikatroka ho amin'ny asa fanaovan-gazety malalaka sy mahaleotena, fa laharana faha-104 amin'ny firenena 180 ny firenen'i Macky Sall, filoha hatramin'ny taona 2012. Mampiseho fihemorana goavana ity tarehimarika ity raha oharina amin'ny laharana tamin'ny taona 2022 izay mametraka an'i Senegaly ho laharana faha-73.

Fantsona fahitalavitra roapolo eo ho eo, onjam-peo tsy miankina na onjam-peom-piarahamonina an-jatony eo ho eo ary gazety an-tsoratra maromaro sy gazety an-jotra maromaro no misahana mponina maherin'ny 17 tapitrisa. Ny vondrona Radiodiffusion télévision sénégalaise (RTS) no sampan-draharaham-panjakana voalohany tompon'ny fantsona ho an'ny daholobe. Ao anatin'izany ny RTS1 sy RTS2; ireo radiom-pirenena sy radiom-paritra ahafahan'ny vondrona mandrakotra ny faritry ny firenena manontolo. Ampitaina amin'ny teny Wolof sy Frantsay ny vaovao amin'ireo fampahalalam-baovao ireo. Ankoatra ny sampana fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe, manana sampana fampahalalam-baovao tsy miankina i Senegaly, ny tena manan-danja amin'ireo dia: Diaspora24tv, Walf TV, Télé Futur Media (TFM), Sen TV, 2STV Sénégal.

Ny Agence de presse sénégalaise (APS) no sampana fampahalalam-baovao nasionaly ao amin'ny firenena. Mitana toerana nofinidy eo amin'ny governemanta sy ny vahoaka izy io, ary manao ampihimamba amin'ny fanapariaham-baovaon'ny firenena eo amin'ireo masoivohom-gazety vahiny any Senegaly.

Ho an'ny asa gazety an-tsoratra, ny gazety an-taratasy toy ny Enquête plus, La Dépêche diplomatique, L'Observateur, Le Quotidien, Le Sud Quotidien no tena be misongadina ao amin'ny firenena ary mametraka ny vaovaom-pirenena amin'ny ankapobeny ho laharam-pahamehana. Ao amin'ny tontolon'ny fandraharahana, manokana ny tsanganany ho an'ny vaovaon'ny tontolo ara-toekarena sy ny vola ny Réussir Business.

Mikasika ny sehatry ny asa fanaovan-gazety an-jotra sy ny tranonkala, ny tranonkala Seneweb, Pressafrik, Dakaractu, Seneplus, Senego, Senenews, Dakarmatin no hita fa be mpanaraka indrindra ary tsy mitsahatra mandefa vaovao sosialy sy politika ao Senegaly.

Miompana manokana amin'ny vaovao nomerika ny tranokala Osiris.sn, amin'ny lafiny iray. Manolotra vaovao momba ny isan'ny mpampiasa aterineto, ny tahan'ny fidirana aterineto, ny isan'ny mpampiasa finday ary ny isan'ny mpampiasa media sosialy ao Senegaly ny sehatra misy azy.

Raha jerena ny halehiben'ny trangam-pifindra-monina, manan-danja amin'ny adihevitra sy fandaharana mialoha ny fifidianana io lohahevitra io. Ny tatitra momba ny fanarahamaso ny fikirakiran'ny fampahalalam-baovao ny fifindra-monina tamin'ny taona 2020 sy 2021 no ahafahantsika manombatombana ny maha-zava-dehibe ny fampitam-baovao Senegaley momba ity raharaha ity.

Vakio koa : Au Sénégal, les jeunes jouent un rôle grandissant à la veille d'élections présidentielles: interview avec le chercheur Gilles Yabi

Ao amin'ny aterineto

Tamin'ny volana Janoary 2023, Senegaley 10 tapitrisa no mampiasa aterineto raha toa ka 58,1% ny taham-pidirana. Ny vidin'ny aterineto isaky ny gigabyte dia 1,53 dolara Amerikana, izay mahatonga azy ho mora kokoa raha oharina amin'ireo firenen-kafa tahaka an'i Côte d'Ivoire (3,06 dolara Amerikana) na Togo (12,94 dolara Amerikana). 64.223 F CFA (na 106,81 dolara Amerikana) anefa ny vola miditra isam-bolana (karama) ankapobeny any Senegaly.

Azo jerena ao amin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny vaovaon'i Senegaly. Mampiantrano sehatra fifanakalozan-dresaka isan-karazany toy ny ao amin'ny X (Twitter taloha) amin'ny alàlan'ny fihaonambe antsoina hoe “spaces” ireo mpisehatra amin'ny fiainana ara-tsosialy sy ara-politika Senegaley . Maneho hevitra matetika momba ny vaovao i Guy Marius Sagna, solombavambahoaka mpanohitra sady mpanorina ny fikambanana “Frapp – France Dégage” sy i Pape Alé Niang, mpanao gazety miasa ao Dakarmatin manana mpanaraka maherin'ny 180.000 ao amin'ny X. Torak'izany, manome topimaso manerantany momba ny fivoaran'ny raharaha ao amin'ny firenena i Macky Sall izay manana mpanaraka 2,5 tapitrisa ao amin'ny tambajotra X, amin'ny alalan'ny famoahany vaovao. Misy ihany koa ireo vondrona Facebook izay ivondronan'ireo mpikatroka Senegaley marobe mandray andraikitra.

Nitarika fivoarana haingana amin'ny fandefasam-baovao ny fahatongavan'ireo media vaovao, ary tsy maningana i Sénégal. Mahatonga ny fanindrahindram-baovao nasionaly (kokoa) ny fanjakazakan'ny teny Wolof amin'ireo fiteny ampiasaina ao amin'ny firenena. Sabatra roa lela io fomba fanao io satria mamela ny Senegaley hifehy ny fampahalalam-baovaom-pirenena, nefa koa manaisotra ny fahafahan'ny mponina avy amin'ny firenen-kafa ao amin'ny faritra tsy hanaraka ny adihevitra sy ny fandaharana amin'ny alalan'ny fantsona Senegaly, araka ny hazavaina ato amin’ity boky ity.

Fandrakofana iraisampirenena

Any ivelan'ny firenena, fampahalalam-baovao iraisam-pirenena maromaro ihany koa no mitantara ny vaovao Senegaly amin'ny teny anglisy sy frantsay: ny West Africa Democracy Radio (WADR) any Dakar, BBC Afrique, Africanews, New World any Togo, ny gazety Jeune Afrique, ny gazetiboky Afriquexxi, Le Monde, Le Figaro, ireo fahitalavitra France24, Tv5monde Afrique, Euronews, Deutsche Welle, ireo onjam-peo Voice of America (VOA), sy Radio France internationale (RFI).

Hahaliana indrindra izay hitranga ao amin'ny fampahalalam-baovao Senegaly amin'ny volana Janoary sy Febroary satria rehefa ankatoky ny fifidianana, mihabetsaka ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy ary manome ohatra ny amin'ny fahaveloman'ity firenena ity izay manana anjara toerana lehibe ao amin'ny faritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.