Toe-draharaha politika any Zambia: Fanehoan-kevitra manoloana ny fiverenan'ny filoha teo aloha, Edgar Lungu

 

Ny filoha Zambiana teo aloha Edgar Lungu.. Sary: Chalo Chatu tao amin'ny Flickr (PDM 1.0 DEED).

Nanambara ny fiverenany mavitrika amin'ny sehatra politika ny Filoha Zambiana teo aloha Edgar Lungu, mikasa ny ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2026 rehefa nisintaka taorian'ny faharesena goavana tamin'ny taona 2021.

NIVERINA AMIN'NY SEHATRA POLITIKA I EDGAR LUNGU, NANDEFA FIRARIAN-TSOA NY UPND

Avy amin'i Wendson Mavoro

Nanambara ny fiverenany mavitrika amin'ny sehatra politika ny Filoha Repoblikana teo aloha Edgar Lungu. pic.twitter.com/wnDBvqVTPr

Namela ny firenena hiady amin'ny olana ara-toekarena izay niantraika tamin'ny fiainan'ny Zambiana ny fitondrany nandritra ny enin-taona teo aloha.

Nambaran'i Lungu ny fahavononany hiaro ny demokrasia nandritra ny kabary fanomezam-boninahitra an’i Michael Sata, ilay filoha teo aloha tao Zambia sady mpitarika no mpanorina ny Mandan’ny Tia Tanindrazana (PF), izay maty am-perinasa ny taona 2014. Araka ny tatitry ny News Central TV, hoy i Lungu hoe:

I'm ready to fight from the front not from the rear in defense of democracy those who are ready for this fight please come along with me I'm ready for anything.

Vonona aho ny hiady eo amin’ny lohalaharana fa tsy any aoriana hiaro ny demokrasia ary izay efa vonona amin'ity ady ity dia miangavy anareo aho mba hiaraka amiko fa vonona amin'ny zavatra rehetra aho.

Nanao tolo-kevitra hitarika ny Mandan’ny Tia Tanindrazana i Lungu, ilay antoko notarihiny hatramin’ny naharesy azy tamin'ny taona 2021, saingy miatrika fanamby amin'ny fitarihana. Nizara roa ny antoko: ny iray notarihin'i Miles Sampa, izay nambara fa filohan’ny antoko ary  maniry an'i Lungu hitarika ny antoko ny ankolafy iray hafa. Misy ny fiampangana fa tohanan’ny fanjakana i Sampa. Araka ny tatitry ny Africanews, tafiditra amin'ny fanoloran-tenany hanavotra ny antoko ny fiverenan'i Lungu ho lohalaharana, izay miatrika ny mety ho fanafoanana ny fisoratana anarana avy amin’ny governemanta noho ny fifanolanana momba izay hitarika ao anatiny.

Miampanga ny filoha Hakainde Hichilema i Lungu, amin'ny fampiasana ny andrim-panjakana hamoretana ny mpanohitra sy hanitsakitsahana ny zony. Niteraka fihenjanana ny fihetsiky ny polisy, anisan'izany ny fanakanana an'i Lungu tsy hanao hazakazaka sy ny fikasana hitsabo tena any ivelany.

Ny volana Mey tamin'ity taona ity, nohodidinin’ny polisy ny tranon'i Lungu, mitaky ny fisavana izany noho ny fanadihadiana kolikoly.

Nilaza ny tatitry ny Africanews fa nolavin'ny mpitondratenin'ny governemanta, Cornelius Mweetwa, ho tsy mitombina ny fiampangana mikasika ilay filazan'i Lungu fa lasibatry ny mpanohana ny Antoko Mitambatra ho an'ny Fampandrosoana Nasionaly (UPND) eo amin'ny fitondrana izy.

Nanamafy ny tsy fahafaham-po amin'ny fahasahiranana ara-toekarena amin'izao fotoana izao, nilaza i Lungu fa mikendry ny hahazo mpanohana indray izy, indrindra ny amin’ny fitomboan'ny ahiahy manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana nandritra ny fitondran'i Hichilema.

Ny setriny nataon'ny governemanta

Ho setrin'ny fiverenan'i Lungu amin'ny politika, nanaisotra ny tombontsoa amin'ny fisotroan-drononony sy ny tombontsoany manokana ny governemanta Zambiana. Nilaza ny mpitondratenin'ny governemanta Cornelius Mweetwa fa mifanaraka amin'ny lalàna ao amin'ny firenena izany, izay mametraka ny fanalana ireo tombontsoa ireo rehefa miverina amin'ny sehatra politika indray ny filoha teo aloha. Anisan’izany ny fanesorana ny mpiambina manokana, ny pasipaoro diplaomatika, ny fiaram-panjakana, ny trano misy fanaka, ny fiantohana ara-pahasalamana ary ny fandaniana amin’ny fandevenana.

Nohamafisin'i Mweetwa fa horaisina mitovy amin’ny rehetra eo ambanin'ny lalàna ankehitriny i Lungu, ka nampametram-panontaniana momba ny mety hanesorana ny tsy fahafahana manenjika azy. Marihina fa nanafoana ny fahafaha-manenjika ny filoha roa teo aloha: Frederick Chiluba tamin'ny 2002 sy Bandana Rupiah tamin'ny taona 2013 ny parlemanta ao Zambia.

Fanehoan-kevitra avy amin'ny olom-pirenena Zambiana

Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra eo amin'ny Zambiana, misy ny maneho fientanentanana amin'ny fiverenan'i Lungu raha mihevitra kosa ny hafa fa mety tsy hahasoa ny firenena izany.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny News Central, mpandalina momba ny jeopolitika, nilaza i Aon Gambi hoe:

Mr Sata who died in office, was a man that was loved by the people and was a man that the common people could actually relate to. When he died prematurely from falling ill while in office and as a result did not finish his five year term of office, Mr Lungo came as a successor. Since then Mr Lungu went on to lose the elections to his opponent in 2021 who is now the president. So the mixed reactions to Mr Lungu's return is because the people that belong to the party of Mr Lungu that you see in the video of course are excited but also there are people that feel like it is not a good move for Mr Lunga to come back because he's the only remaining and surviving former head of state.

Lehilahy tian’ny vahoaka sady olona tena azo ianteheran’ny sarambabem-bahoaka Atoa Sata izay maty teo am-perinasa. Rehefa maty aloha loatra izy rehefa narary raha mbola am-perinasa ary tsy nahavita ny fe-potoam-piasany dimy taona, nandimby azy i Atoa Lunga vokatr'izany. Nanomboka teo, resy tamin'ny fifidianana nanoloana ny mpifanandrina taminy izay filoha amin'izao fotoana tamin'ny taona 2021 Atoa Lungu. Ka ny fanehoan-kevitra mifangaro momba ny fiverenan'i Atoa Lungu dia noho ireo olona izay faly ao amin'ny antokon'Atoa Lungu izay hitanareo amin'ny horonantsary mazava ho azy nefa misy ihany koa ny olona mahatsapa fa tsy mety ny fiverenan'Atoa Lunga satria izy irery no filoham-pirenena teo aloha sisa velona.

Araka ny filazan'i Gambi, Zambiana maro no naneho fahadisoam-panantenana tamin'ny zava-bitan'i Hichilema tamin'ny maha-filoha azy, notanisainy ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana ho olana lehibe amin'ny governemanta ankehitriny. Raha mifanaraka amin'ny famakafakana nataon'i Gambi ny fanehoan-kevitra sasany amin'ity lahatsary ity, ny hafa kosa milaza fa manao ezaka amin-kitsimpo ny governemanta, araka ny nasehon'ny olona iray hoe:

Debt was restructured, teachers recruited, health workers employed, defense and correctional services personnel employed, free education, and the Constituency Development Fund (CDF) is equal to the task at grass roots, empowerment to youths and women is a game changer, people are encouraged to work and empowered under entrepreneurship. It's only a biased person who cannot see any positive efforts put in place. We are Zambians in Zambia on ground and not false clips from social media. People can make films to create what's not on the ground. Let's be factual!

Nalamina indray ny trosa, nandray mpampianatra vaovao, nampiasa mpiasan'ny fahasalamana, nampiasa mpiasan'ny fiarovam-pirenena sy ny fonja, maimaimpoana ny fampianarana, ary mifandanja amin'ny asa eny ifotony ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana Isam-paritra (CDF), dingana lehibe amin’ny fanovana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny vehivavy, nentanina ny olona hiasa sy hivoatra amin'ny fandraharahana. Olona mitanila ihany no tsy mahita ireo ezaka natao. Zambiana eto Zambia izahay fa tsy fampisehoana sandoka amin'ny tambajotra sosialy. Afaka manao sarimihetsika ny olona mba hamoronana izay tsy misy akory. Aoka isika hilaza ny marina!

Nanamafy i Gambi fa very tsikelikely ny fanohanana ny antoko eo amin'ny fitondrana noho ny tsy fahombiazan’ny governemanta amin'izao fotoana izao, eny fa na dia ho an'ireo nifidy ny filoha Hichilema tamin'ny taona 2021 aza. Noho izany, voalaza fa mandray fepetra tsy refesi-mandidy sy didy jadona i Hichilema, izay manery ny habaka demokratika.

Araka ny filazan'i Gambi, ny faniriana hamerina ny firaisankina ao anatin'ny antokony no antony mahatonga an'i Edgar Lungu hiverina amin'ny sehatra politika:

President Hakainde Hichilema is actively working to dismantle the Patriotic Front, the political home of Mr. Lungu. Thus, Mr. Lungu feels compelled to re-enter politics, believing he is the only one capable of fostering unity and preserving the party's cohesion leading up to the 2026 elections.

Miasa mavitrika amin'ny fandravàna ny Mandan’ny Tia Tanindrazana, fonenana ara-politikan'Atoa Lungu, ny Filoha Hakainde Hichilema. Noho izany, mahatsiaro ho voatery hiditra amin'ny sehatra politika indray Atoa Lungu, satria mihevitra izy fa izy ihany no afaka mampiroborobo ny firaisankina sy mitahiry ny firindran’ny antoko mankany amin'ny fifidianana amin'ny taona 2026.

Raha mandalo ity korontana ara-politika ity i Zambia, dia inoana fa hitana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tontolo politika ao amin'ny firenena ny fifidianana ho avy amin'ny taona 2026.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.