Aostralia-Tuvalu Falepili Union: Ny rariny ara-toetrandro sa ny fifanaraham-piarovana?

AU-Tuvalu Treaty

Anthony Albanese, praiminisitr'i Aostralia, nibitsika hoe ilay fifanarahana “dia sady hiantoka ny hoavin'i Tuvalu no hanaja ny fiandrianam-pirenena.” Saripika avy amin'ny lahatsoratra Twitter nalefan'ny praiminisitra Anthony Albanese

Nanasonia fifanarahana iray i Aostralia sy ilay firenena nosy ao Pasifika atsimo, ka tanjona ny hiatrehana ny fiantraika henjan'ny fiovàn'ny toetrandro. Izy io dia nofaritan'ny governemanta roa tonta ho toy ny “tsirim-panantenana” saingy nolavin'ny sasany amin'ireo mpikatroka ho an'ny toetrandro tamin'ny filazàna azy io ho toy ny “fifanaraham-piarovana.”

Isantaona, ilay Aostralia-Tuvalu Falepili Union dia hamela, raha kely indrindra, teratany miisa 280 avy ao Tuvalu ho afaka hianatra na hiasa any Aostralia. Fale pili dia voambolana Tuvali iray midika hoe “miahy ny mpiray vodirindrina aminao.”

Tuvalu, izay manana vahoaka 11.200, dia firenena nosikely iray iva miatrika  ambana goavana momba ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina.

Lazain'ny antontan-taratasin'ilay fifanarahana fa “i Aostralia dia hikarakara làlana manokana momba ny fivezivezen'ny olona ho an'ireo olompirenen'i  Tuvalu mba hahafahan'izy ireny miditra ao Aostralia.” Ny minisitra aostraliàna misahana ny raharaha ivelany, Penny Wong, manampy hoe:

‘Falepili’ dia taratry ny adidin'ny mpifanila vodirindrina mba hifampikarakara, hifampizara ary hifampiaro.

Ny fifanajàna no ivon'ny Falepili Union, ary hifampitsinjo isantaona isika hanohana ireo hetaheta sy fiadanan'ny vahoakantsika.

Notsipihan'i Kausea Natano, praiminisitr'i Tuvalu, fa “tsy hoe dingana iray manandanja fotsiny io fa tena dingana iray goavana mankany amin'ny tanjona iraisantsika ikendrena izay hiantohana ny fahamarinan-toerana, ny lovainjafy ary ny firoboroboan'ny faritra.”

Ity no ho voalohany amina fifanarahana mifandraika amin'ny toetrandro ifanaovan'i Aostralia amina firenena iray ao Pasifika, hanome fahafahana ho an'ireo mponina tandindonin'ny mety ho fiakaran'ny haavon'ny ranomasina. Anthony Albanese, praiminisitra, nandefa izao manaraka izao tao amin'ny  X ( Twitter teo aloha ) taorian'ny nanaovany sonia ilay fifanarahana:

Mpianakavy i Aostralia sy Tuvalu. Ary androany isika dia mampiakatra ny fifandraisantsika ho amina fiarahamiasa mampiaty sy mazava kokoa.

Niarahany sy ny praiminisitra nosoniavina ny fifanarahana iray izay hiantoka ny hoavin'i Tuvalu no sady hanaja ny fiandrianam-pireneny, ho antsoina amin'ny anarana hoe ‘Falepili Union’. pic.twitter.com/stYYMBPAc4

— Anthony Albanese (@AlboMP) 10 Novambra 2023

Na izany aza, manamarika ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana fa tsy ahitan-teny momba ny resaka fampitsaharana miandalana ny fampiasàna solika fôsily ao amin'ilay fifanarahana. Nentanin'ny Tuvalu Climate Action Network  i Aostralia mba hanao fanolorantena hentitra kokoa.

Tena ilaina tokoa ny faneken'i Aostralia ny maha-maika ny olan'ny toetrandro ary handraisany fepetra hentitra hampihenana ny fiankinandoha amin'ny angovo fôsily. Tsy mahasakana ny fiakarana tsy azo ihodiviran'ny ranomasina ny fanolorana zo hanana toeram-ponenana na zom-pirenena ho an'ireo Tuvalunians, na dia valinteny misy fangorahana fotsiny.

Tanaty fàhana iray ao amin'ny X, ilay mpikatroka, Lavetanalagi Seru, nanoratra fa tokony arahan'ny Aostraliàna asa mivaingana ny teny nataony:

Manaitra be ny elanelana misy eo amin'ny fomba fitenin'ny mpianakavy ao anatin'ireo fifanarahana sy ny pôlitika aostraliàna momba ny toetrandro. Amin'ny maha-mpiankavy, misy ny fiandrandràna fanohanana sy fifampizaràna andraikitra. Ahoana no hampiarahana an'ireo raha toa ny pôlitika momba ny toetrandro tsy mifanaraka amin'izay andrasan'izao tontolo izao?

Tena zavadehibe ho an'i Aostralia ny famenoana ny banga misy eo an’ elanelan'ny kabary tsara lahatra sy ny hetsika momba ny fiovàn'ny toetrandro. Miatrika ambana tena misy sy mitatao ireo firenena nosy ao Pasifika, ary ireny fifanarahana ireny dia tokony ho azo itarafana ny tena firotsahana, fa tsy sarintsarim-pihetsika fotsiny.

Nanoratra ihany koa ireo mpikaroka, Taukiei Kitara sy Carol Farbotko, tao anatin'ny matoandahatsoratra iray hoe ilay fifanarahana “dia tsy mitondra ny rariny ara-toetrandro ho an'ny vahoaka ao Tuvalu.”  Fanontaninana iray manandanja no apetrak'izy ireo ao anatin'ilay lahatsoratra:

Fepetra inona no horaisin'ny governemanta aostraliàna mba hiantohana fa tsy hiafara amin'ny fiatrehana zavatra sarotra kokoa ireo Tuvaluan mpifindramonina mankany Aostralia raha oharina amin'ny any an-tanindrazany, ohatra hoe ny tsy fananana toeram-ponenana?

Nampian-dry zareo ny hoe tena mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenen'i Tuvalu ilay fifanarahana: “Odiany tsy hita ny olana goavan'ny firotsahan'i Aostralia amin'ny fanafoaanana miandalana ny fampiasàna solika fôsily, ary ahitàna fandresena lahatra goavana ao momba ny fanajàna ny fiandrianam-pirenena, saingy mazava ny fiandrianan'i Tuvalu amin'ny resaka fiarovam-pirenena.”

Omen'ilay fifanarahana fahafahana miditra ny faritanin'i Tuvalu i Aostralia no sady koa manome azy ny vato tsy azo ivalozana momba ireo fifanaraham-piarovana sy izay olana mifandraika amin'ny fiarovana maharirotra ilay firenena nosikely.

Barbara Dreaver, solontena ao Pasifika, nanoratra fa ilay fifanarahana dia tokony ho  antsoina hoe “Fifanaraham-piarovana aostraliàna ao Tuvalu.”

Ny Fiombonana Aostralia-Tuvalu Falepili napetraka ho toy ny fifanarahana ifanaovana firenena roa – midika hoe mitovy ny fiasany ho an'ny andaniny sy ny ankilany – raha ny marina, dia tokony ho antsoina hoe Fifanaraham-piarovana aostraliàna ao Tuvalu.

Satria tena izany mihitsy ilay izy.

Hazavainy ny ho fiantraikan'io amin'ny fitantanana ao Tuvalu:

Nofatoran'i Aostralia amin'izay zavatra rehetra mifandraika amin'ny resaka filaminana sy fiarovana i Tuvalu. Tsy afaka miditra amina fiarahamiasa na inona na inona i Tuvalu, na mirotsaka  miaraka amin'iza na iza raha tsy misy fankatoavana avy amin'i Aostralia.

Mitatra hatrany amin'ny resaka fotodrafitrasa io. Ndeha ataontsika hoe firenena iray toa an'i Japàna no manolotra sosokevitra firahana miasa amin'i Tuvalu mba hanampiana azy hanorina seranam-pitodiana iray amin'ireo nosy manodidina, dia tsy maintsy ankatoavin'i Aostralia ilay izy.

Homen'i Tuvalu zo i Aostralia mba hiditra, ho hita ao anatiny, ary hisidina ny faritany Tuvalu, raha toa ireo hetsika ka ilaina amin'ny fitondràna tohana nangatahan'i Tuvalu araka io fifanarahana io.” pic.twitter.com/XvuEXq3hoz

— Dr Anna Powles (@AnnaPowles) 10 Novambra 2023

Ho an'ny firenena roa tonta dia dingana iray goavana ny nahavitàna ilay fifanarahana, nefa i Tuvalu hanao fifidianana amin'io taona ho avy io, izay midika fa mbola azo ametrahana fanontaniana ny amin'izy io rehefa misy governemanta iray vaovao voafidy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.