Ny ondry Arashan goavambe sy tena lafo vidy any Azia Afovoany

 

Ondrilahy Arashan antsoina hoe Sharpei any Kyrgyzstan. Pikantsary avy amin'ny Fermer.ru fantsona YouTube. Azo ampiasaina.

Tamin'ny 13 Martsa 2023 no nampidirana ilay ondrilahy mavesatra indrindra izay milanja 230 kilao antsoina hoe Million tao anatin’ny Boky Firaketana any Kazakhstan. Efa-taona i Million ary efa 1,05 metatra ny haavony, izay habe makadiry ho an'ny ondry. Inoana fa mbola hitombo bebe kokoa izy, satria fantatra fa tonga hatrany amin'ny enin-taona na mihoatra any ny ondrilahy vao tsy mitombo intsony.

Ity misy lahatsoratra Instagram miaraka miresaka an'i Million.

Tamin'ny vidiny, KGS 1 tapitrisa (11,200 USD) no nanomezana anarana an'i Million, izay namarotana azy voalohany fony izy zanak'ondry tany Kyrgyzstan. Kuanysh Myktybaev no tompony ankehitriny, mpamboly avy any amin'ny faritr'i Turkestan any atsimon'i Kazakhstan, nividy azy tamin'ny tantsaha avy any Kyrgyzstan mifanila vodirindrina aminy tamin'ny 30,000 USD. Malaza amin'ny fividianana biby lafo vidy i Myktybaev. Tamin'ny taona 2021, nividy ondrilahy iray hafa atao hoe Kashtan izy tamin’ny vidiny KZT 18 tapitrisa (40.000 dolara amerikana raha tamin'ny sandam-bola tamin'izany andro izany).

Ity misy lahatsoratra Instagram miresaka an'i Kashtan.

Samy karazana ondry manokana avy any Azia Afovoany i Million sy Kashtan. Karazana Arashan avy any Kyrgyzstan i Million, fa karazana Hissar avy any Tajikistan kosa i Kashtan.

Tamin'ny Aprily 2021, nosoratan’ny Minisiteran'ny Fambolena, Rano ary Fampandrosoana ny faritra Kyrgyzstan ho ondry hafa karazana i Arashan. Nomena anarana avy amin'ny tanànakely ao amin'ny faritr'i Chui any avaratr'i Kyrgyzstan izay niompiana azy tao anatin'ny efapolo taona farany izy. Nanomboka tamin'ny taompolo 1970 ny fiompiana tamin'ny alalan'ny ondrilahy avy amin'ny karazany Hissar nafarana avy any Tajikistan mifanila vodirindrina aminy miaraka amin'ireo ondrivavy matevim-bolo eo an-toerana. Mpikaroka miisa telo amby telopolo, mpamboly ary manampahaizana manokana momba ny fambolena no nandray anjara tamin'ity fifantenana sy tanjona fiompiana ity.

Manana hena sy taviny tsara ny ondry Arashan, izay mahatonga azy ireo ho ilaina amin’ny Sakafo any Azia afovoany, izay ampiasana betsaka ny henan’ondry sy ny taviny amin’ny sakafo maro. Tena azo ampifanarahana tsara izy ireo ary afaka miaina amin'ny toetr'andro sy ny toetry ny tany isan-karazany, anisan'izany ny andro mangatsiaka any amin'ny faritra be tendrombohitra avo sy ny andro mafana any amin'ny lohasaha lemaka.

Miavaka amin'ny orony mibontsina, ny sofiny lehibe, ny vatany avo sy lava, ny vatany matanjaka ary ny taolany matanjaka ny ondry Arashan. Ny fitombon’izy ireo haingana sy ny fanomezany hena sy tavin-kena no tena maha-sarobidy indrindra azy ireo. 48-61 kg ny lanjan'ny zanak'ondry 7-8 volana, milanja 60-78 kg ny iray taona, ary milanja eo anelanelan’ny 109 sy177 kg ny ondrilahy lehibe iray.

Ondry Arashap miisa 5.832 no tany Kyrgyzstan tamin'ny fotoana nanaovana ny firaketana, ka nahatonga azy ireo ho karazana tsy fahita firy sy miavaka. Manampy ny maha-sarobidy azy ny maha ilay farany goavana azy indrindra. Talohan'ny firaketana ny karazana Arashan dia ny karazana Hissar no fantatra fa lehibe indrindra eran-tany amin'ny halavany sy ny lanjany. Mazàna ny ondrilahy Arashan no mitombo mihoatra ny iray metatra ny haavony ary milanja mihoatra ny 200 kg.

Ity misy lahatsoratra Instagram miresaka ilay ondrilahy Arashan antsoina hoe Fox.

Ny fahavitsian'ny ondry Arashan, ny habeny mahavariana, ary ny hafainganan'ny fitomboany no nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo tadiavina indrindra amin'ny tsenan'ny biby any Azia Afovoany. Mihoatra ny arivo dolara ny vidin'ny zanak'ondry amam-bolana maromaro, amidy amin'ny vidiny lafo mitentina 7000–10,000 USD ny ondrivavy, ary toa tsy misy fetrany ny vidin'ny ondrilahy.

Ity misy lahatsary YouTube miresaka ny antsipiriany momba ny fiompiana ondry Arashan ao Kyrgyzstan.

Miaiky ny tompony sasany fa misy mividy an'hetsiny dolara ny ondrilahy 3-4 taona. Raha heverina fa afaka mampiteraka ondrivavy maherin'ny zato ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fananahana ny ondrilahy iray ary tafakatra an'arivony dolara ny vidin'ny zanak'ondry tsirairay, dia antenaina fa ao anatin'ny roa taona dia mampidi-bola ity karazana fampiasam-bola ity. Amin'izao fotoana izao, amidy amin'ny tantsaha any Kazakhstan, Rosia ary Ozbekistan ny ondry Arashan.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny ondrilahy Arashan antsoina hoe Bayar, izay nanomezana ny tompony tamin’ny vidiny mitentina 200.000 dolara.

Mifanaraka tsara amin'ny zava-misy ankehitriny ny ondry Arashan amin’ny kijàna akelezina sy ny tany fambolena any Azia Afovoany. Tsy voatery mila loharano tena ilaina toy ny ahitra, voa ary rano ny fitombon'izy ireo haingana. Heverina fa hidina ny vidin'izy ireo rehefa mitombo ny isan'izy ireo, ka mahatonga azy ireo ho filana fototra amin'ny fiompiana manerana ny faritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.