Fankalazana tsingerintaona nitarika onjan-katezerana sy lolom-po tao Hong Kong

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 10/01/22)

Afisin'ilay fety fankalazana tsingerintaonan'i Witman Hung, tao amin'ny inmediahk.net

Taona 2022 tao Hong Kong, nanomboka tamina tantara ratsy nahavoarohirohy mpiasam-panjakana niisa 13 sy mpikambana 20 avy amin'ny Filankevitra mpanao lalàna vao voafidy vao haingana izay nanitsakitsaka ny pôlitika fanarahamaso ny valanaretina ao an-tanàna ka nandeha nanatrika fankalazana tsingerintaona nahavory olona 200 mahery. Nomena anarana hoe « Hung's partygate » (洪門宴) io tranga io ary ny sasany niampanga ireo mpitarika ny tanàna ho tsy manaraka lamina sy mpihatsara ivelan-tsihy.

Izy io dia fety nokarakarain'i Witman Hung, solombavambahoaka misolo tena an'i Hong Kong ao amin'ny Kaongesy Nasiônalin'ny vahoaka shinoa. M. Hung dia solontena voalohany ihany koa mpampifandray ny manampahefana ao Hong Kong, Shenzhen Qianhai, rantsana iray mpandrindra ny tetikasa iray ho fampandrosoana ny faritra izay mampiditra an'i Hong Kong ho ao anatin'ny faritry ny Grande Baie de Chine méridionale.

Ilay Partygate-n'i Hung

Ny 3 Janoary no natao ilay fankalazana tsingerintaona, andro efatra monja taorian'ny nahitana tao Hong Kong ny tranga voalohany fifindran'ilay karazany Omnicron teny anivon'ny fiarahamonina, faran'izay mora mifindra indrindra. Sahobakaka ambody riana ny governemanta tamin'izany fotoana izany, satria ny fisiana valanaretina iray ao an-toerana dia hanohintohina ny fanokafana ny sisintany iraisany amin'ny tanibe Shina ao anatin'ilay pôlitika shinoa hoe « zéro COVID ».

Na izany aza, ao afovoan'ilay krizy mihitsy, folo mahery ireo mpiasam-panjakana no nanatrika an'io fankalazana tsingerintaonan'ny mpanankarena io. Araka ireo saripika sy ireo tatitra, nanitsakitsaka ireo pôlitika nataon'ny mpitantana  hifehezana ny valanaretna ireo mpandray anjara satria tsy nisy nanao sarom-bava sy tsy nisy nanaraka ny tsy maintsy anoratana ny anarana amin'ny alàlan'ny LeaveHomeSafe, ilay fampiasa ho fanarahamason'ny fanjakana ireo olona nifaneraseràna.

Niparitaka be teny anaty tambajotra sôsialy ireo sary avy amin'ilay hetsika nahitàna an'i Witman Hung sy ireo olona nasainy samy tsy misy manao sarom-bava.

Sary iray nisy namboraka avy amin'ilay fankalazana tsingerintaona natrehan'ny sekretera misahana ny raharaha anatiny, Caspar Tsui, fotoana iray natrehan'ny marary iray tratry ny #COVID19, no mampiseho fa nanaisotra ny sarom-bavany daholo ireo olona tonga tao amin'ilay fety #animalfarm #allanimalsareequal pic.twitter.com/TJ1lhd1njK

— Real Hong Kong News (@RealHKNews) 6 Janoary 2022

Anisan'ireo mpiasam-panjakana am-polony nanatrika ilay fety i  Casper Tsui, sekretera misahana ny raharaha anatiny miandraikitra ny fampiharana ireo fepetra hiadiana amin'ilay valanaretina, ary telo hafa mpiasam-panjakana ambony avy amin'ny sampandraharaha mahefa natao hampihatra ny lalàna : Au Ka Wang, tale misahana ny fifindramonina, Raymond Siu, kaomiseran'ny pôlisy ary i  Simon Peh, kaomisera ao amin'ilay kaomisiôna mahaleotena miady amin'ny kolikoly (ICAC). Au Ka Wang, izay  voaheloka tamin'ny Jolay  handoa lamandy noho ny fanitsakitsahana ireo fepetra momba ny COVID-19 taorian'ny nanatrehany fisakafoanana avo lenta iray nokarakarain'ilay vondrona China Evergrande. Izy dia isan'ireo izay tsy nisoratra anarana tao amin'ny LeaveHomeSafe nandritra ilay fankalazana tsingerintaona. Au sy Siu dia samy mpikambana ao anivon'ny Komitim-piarovam-pirenena ao Hong Kong.

Mety ho tsy nisy nahatsikaritra ihany ireo mpandika lalàna, raha tsy andro roa taty aorian'ilay hetsika, olona iray nasaina tao no voatily hoe tratry ny valanaretina amin'ilay karazany Omicron. Iny andro iny ihany, nohamafisin'ny governemanta ireo fepetra fanarahamaso ny valanaretina, tamin'ny fandraràna ireo sakafo anaty trano aorian'ny amin'ny 6 ora hariva, sy ny fanakatonana ireo dobo filomanosana, ireo ivon-toerana fanaovana fanatanjahantena , ny trano fisotroana, ireo kianja mitafo, ny mozea, sns… nandritra ny tapa-bolana raha kely indrindra.

« Fantatra ny lalàna ary itsakitsahana »

Hatramin'ny Novambra 2021 nametrahana ireo fepetra tsy maintsy isoratana anarana, marobe ireo mpitantana trano fisakafoanana no voasazy nandoa lamady satria ny sasany tamin'ireo mpanjifa tonga tao aminy dia tsy nisoratra anarana tamin'ny “LeaveHomeSafe”. Ankoatra izay, araka ireo fepetra misy amin'izao fotoana izao hiadiana amin'ilay valanaretina, ny olona rehetra nifandray tamina olona voamarina fa tratr'ilay karazany Omicron dia tsy maintsy mihiboka mandritra ny 21 andro any amin'ny ivontoerana fanibohana ao Penny Bay. Ireo olona tsy nanaraka ny baiko fanangonana ny olona raha misy trangan'ilay valanaretina dia mety handoa lamandy 25 000 HKD (3 200 dôlara amerikàna) ary sazy famonjàna enim-bolana. Marobe ireo kiana mitaky « fikarakaràna mitovy » ho ampiharina amin'ireo tsy nanaja fepetra.

Ny 7 Janoary, taorian'ny nahatiliana tranga iray nisy nifandraisany tamin'ilay fety, nanodidina ny 170 ireo mpandray anjara no nalefa tany amin'ny toerana fihibohana tao Penny Bay nandritra ny 21 andro. Saingy ny 90 tamin-dry zareo no nalefa nody taorian'ny iray andro monja, satria fanairana diso ilay izy, voaloto ny valin'ny fitiliana.

Na izany aza, ny 9 Janoary, nahatily tranga iray hafa nisy nifandraisany tamin'ilay fety ireo manampahefana, saingy tsy voasoratra tao anaty lisitr'ireo olona nahazo fanasàna ilay marary. Araka ny nambaran'ny Foibe Fiarovana Ara-Pahasalamana, 192 hatreo ireo tranga avy amin'ilay fety no voatilin'ny manampahefana. Kanefa, mbola tsy feno ny lisitra, satria nambaran'ilay mpikarakara fa tsy fantany mazava tsara ny isan'ireo olona tsy nahazo fanasàna akory kanefa nandray anjara tamin'ilay fety.

Raha ny ankolafy mpomba an'i Pekin manandrana manakiana ilay orinasa mpitatitra an'habakabaka Cathay Pacific taorian'ny nahatratrarana roa tamin'ireo mpiasa tao aminy nanitsakitsaka ireo fepetra fihibohana sy namindra COVID-19 tamin'ireo olon'ny fiarahamonina, marobe ireo olompirenena no nitaky fandraisana fepetra famaizana ho an'ireo rehetra mpiasam-panjakana voarohirohy.

Ny fomba fiteny mahazatra indrindra nentina nanakiana ireo mpiasam-panjakana dia ny hoe « fantatra ny lalàna ary itsakitsahana » (知法犯法), toy izay hita amin'ireo sehatra isankarazany eny amin'ny media sôsialy, indrindra fa ny  Twitter (X) sy ny Facebook :

洪門宴就算有冇引至疫情爆發都好都要大力屌鸩班仆街官同垃圾議員,重點吾係疫情而係班仆街係知法犯法、官商勾結、事前事後互相包疵

Na tsy niteraka fipoahana valanaretina aza ilay ‘partygate’, tsy maintsy mibedy ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpanao lalàna ihany isika. Ny tena zavadehibe dia hoe olona mahalàla ny lalàna ary manitsakitsaka izany ireto tsy misy saina ireto. Mpiray tsikombakomba izy ireo ary rehefa vaky barara ilay tantara ratsy, dia nifampiaro.

原來廉政公署最撚大職位嗰個係可以去周圍應酬?唔知做廉政專員最緊要嘅守則係乜嘢?係知法犯法啊?

Dia efa fantatro izany ankehitriny, ny lehiben'ny fahefana miady amin'ny kolikoly afaka mifampitaritarika sy miaraka amin'ny olona amin'ny fombra tahàka izany. Dia mba ahoana izany ny fitsipi-pitondrantenan'ilay kaomisera ? Mifehy ny lalàna mba hahafahana manitsakitsaka azy e ?

Mba hisorohana ny fianjerana « vely kanonta iray henjana amin'ny fahatokisana ny governemanta », nohamafisin-dramatoa lehiben'ny mpanatanteraka, Carrie Lam, fa hanao fanadihadiana ny governemanta momba ireo mpasam-panjakana ireo ary hamaritra raha nanitsaka tokoa ny fepetra izy ireo, amin'ny alàlan'ny fanadihadiana anatiny. Na izany aza, misalasala ny sasany amin'ireo mpampiasa ateriento raha toa ka ho ampy ny fanadihadiana anatiny fotsiny :

唔好轉移視線啦、而家係違反檢疫條例,要公開起訴而不是「內部」調查呀

Aza avilivily ny sain'ny vahoaka, efa hita fa fanitsakitsahana ankitsirano ireo fepetra fifehezana ny valanaretina ilay izy. Ny tokony ho izy, fitsaràna ampahibemaso, fa tsy fanadihadiana anatiny.

內部調查=自己友保護傘!犯法可以內部解決,真係權貴先做得出!犯哂法,又唔使辭職,上面嗰果支那國又唔炒佢,啲高官已經各部門首長,請問邊個負責內部調調查? 

Fanadihadiana anatiny = elo fialofana ho an'ireo karazan'olona tahàka an-dry zareo ary vahaolana anatiny amin'ny fanitsakitsahana ny lalàna eo anivon'ny vondron'ny mpitondra. Tsy voatery hametraka fialàna ry zareo rehefa avy nanitsakitsaka ny lalàna, tsy te-handroaka azy ireo i Pekin ary izy ireo dia lohandohany mitarika ireo rantsana goavana ao anaty governemanta. Iza no mety ho tomponandraikitra amin'ilay fanadihadiana anatiny ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.