Tantara mikasika ny Russia invades Ukraine: One year later
Miomana ny hanidy ilay sisintany farany fiampitàna iraisany amin'i Belarosia i Pôlônina, raha mbola mitohy kosa ny krizin'ny mpitsoa-ponenana
‘Toy ny ao Finland, resaka mandeha ao Pôlônina ny hoe fifindramonina atao fitaovana no misy, atosiky ny firenena iray feno fankahalàna avy any ivelany, fa tsy ny fijerena ireo filàna araka ny maha-olombelona an'ireo olona mifindra.’
Diapora rosiàna nanatevina laharana ireo fihetsiketsehana erantany nanamarihana ny tsingerintaona voalohan'ny fananiham-bohitry ny Rosiàna any Okraina
Ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany an'ilay fananiham-bohitra rosiàna tao Okraina, miditra an-tsehatra amin'ireo hetsipanoherana imasom-bahoaka maneran-tany ireo Rosiàna any am-pielezana, indrindra fa ireo ao Berlin sy Prague
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Mbola afa-manao bebe kokoa isika hanampiana an'i Okraina
Roa taona sy sazy an'arivony taty aoriana, mbola tsy voahozongozona ny herin'adin'i Moskoa, ary manohy midaroka baomba an'i Okraina i Rosia, raha tsy ny mihoatra izany, toy ny tamin'ny marainan'ny 24 Febroary 2022, izay nanombohan'ny hetsika fanafihana feno.
Nahatohina ny fianakaviana ny fasan'ny nepaley miaramila mpifindramonina any Rosia
Mitady Nepaley mitady asa amin'ny fifanarahana Bemidina ara-miaramila Manokana hiady amin'ny ady Rosiana-Okrainiana i Rosia ary Nepaley maro no maty.
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
Mpamadika iray isanandro : Ny toetry ny trangana famadihana any Rosia
Trangàna heloka bevava maro mikasika ny famadihana sy ny fitsikilovana no nahariharin'ny gazetiboky "Holod", izay lasa matetika kokoa noho ny tamin'ny vanim-potoana taorian'ny Staliniana tany URSS.
Okraina : miatrika fanamby goavambe, na izany aza dia mbola feno toky ireo mponina ao amin'ny iray amin'ireo tanàna tena rotidrotiky ny ady
Amin'ny lafiny maro, tsy ijerena fotoana na izay fomba hifaranan'ny fananihambohitra ao Okraina, tsy hahita fitsaharana mahafaly avy hatrany akory ireo vohitra sy tanàna toa an'i Izioum.
Maty nandritra ny fianjeran'ny voromby i Yevgeny Prigozhin. Fantatry ny Rosiana ve hoe iza moa izy?
Tamin'ny fitsapan-kevitra natao tany Rosia, telo herinandro taorian'ny fikomiana nataon'i Yevgeny Prigozhin sy ny vondrona Wagner-ny, ny ampahatelon'ireo namaly (33 isanjato) ihany no nilaza fa nahafantatra momba ny “krizy ara-tafika nitranga tany Rosia tamin'ny 24 Jona.”
Olona nandositra an'i Rosia : «izahay koa tsy nomena trano”»
Heverin'i Valeria ho tsy dia misy dikany ny tantarany : "Nandao an'i Rosia aho satria tsy vitako ary tsy te-hangina aho, sady tsy te higadra noho izany koa aho."