Mitaky ny rariny ny fihetsiketsehana roa taona taorian'ny nahamaizan'ny hopitaly COVID-19 tany Makedonia Avaratra

Notontosaina tamin'ny 8 Septambra 2023 ny fihetsiketsehana mitaky ny rariny ho an'ireo niharam-boina tamin'ny fahamaizan'ny hopitaly vonjimaika  tamin'ny taona 2021 tao Tetovo, Makedonia Avaratra. Ny sora-baventy dia mivaky hoe “32 taona nisian'ny fanjakana [mahaleotena], 32 taona nisian'ny kolikoly.” Sary: Fisnik Xhelili/Portalb.mk, nahazoana alalana.

Navoakan'ny Portalb.mk sy Meta.mk tany am-boalohany ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.

Tamin'ny 8 Septambra 2021, may ny hopitaly tao Tetovo, Makedonia Avaratra ka nahafatesana olona 14 ary nandratra 10 hafa. Roa taona taty aoriana, olom-pirenena an-jatony no nanatevin-daharana ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana miampanga ny tsimatimanota, ny kolikoly, ary ny tsy fahombiazana amin'ny fandraisan'andraikitry ny manampahefana tompon'andraikitra amin'ny zava-nitranga.

Nifanojo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantenan’ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny tsingerin-taona nisian’ny afo.

Today, while the whole country is celebrating, we gathered on the site of the former modular hospital in memory of the members of our families that burned to death two years ago here.

Raha manao fety ny firenena iray manontolo androany, dia nivory teo amin'ny toeran'ny hopitaly vonjimaika teo aloha izahay ho fahatsiarovana ireo fianakavianay izay may teto roa taona lasa izay.

Narary tao amin’ny hopitaly ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy raha mpianakavy izay tao amin’ny efitranon’ny hôpitaly tamin’ny fotoana nitrangan'ny afo ny roa tamin’izy ireo.

Roa taona taorian’izay, nifarana tamin’ny sazy roa mihantona, lamandy iray sy fanafahana madiodio roa ny fizotry ny fitsarana nataon’ny Fitsarana Ifotony Tetovo ambaratonga voalohany. Tsy nisy tamin'ireo olona voaheloka no naiditra am-ponja raha tsy manao heloka bevava vaovao izy ireo.

Mbola tsy nampiharina ny sazy hatramin’ny niakaran’ny fitsarana ambony. Tale roa ao amin'ny Hopitaly Clinical Tetovo, Florin Besimi sy Artan Etemi, no voampanga noho ny “heloka bevava goavana manohitra ny fiarovana ankapobeny”; raha voampanga ho nanao heloka bevava “tsy nanao araka ny fitsipika ara-pahasalamana mandritra ny areti-mifindra” kosa ny dokotera Boban Vuchevski. Voaheloka noho ny heloka bevava “miteraka loza amin'ny ankapobeny” sy “tsy manao zavatra araka ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny areti-mifindra” ny Hopitaly Klinika misahana ny Fahasalamam-bahoaka ao Tetovo

Mandritra izany fotoana izany, roa taona taorian'ny zava-nitranga mampalahelo, mbola miasa amin'ny dingana famotorana mialoha mikasika ny tolo-bidy ho an'ny daholobe amin'ny fotodrafitrasa ho an'ireo hopitaly vonjimaika naorina ny biraon'ny Fampanoavana mba handraisana ny filàna ara-pitsaboan'ireo marary voan'ny aretina COVID-19.

Tamin'ny volana Oktobra 2021, namoaka tatitra avy amin'ny Departemantan'ny Fanadihadiana Heloka Bevava izy izay namaritra fa fipoahan'ny herinaratra (cour-ciruit) tamin'ny tady fanitarana herinaratra tsy nety mifandray amin'ny milina defibrillateur no nahatonga ny afo. Noheverina fa diso nafana ilay fantsona, izay namahanana finday sy fitaovana hafa tamin’io fotoana io, ka niteraka firehetana.

Ny mpitantana sy ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly ihany no notorian'ny fampanoavana. Mandritra izany, tsy nahazo tsiny mihitsy ny orinasa nanangana ny hopitaly sy ny tompon’andraiki-panjakana izay nankatoa ny fanorenana. Tsy misy ny fampahafantarana ho an’ny besinimaro raha toa ka nitarika raharaham-pitsarana izay handinika ny mety ho lesoka mifandraika amin’ny fanamboarana hopitaly tsy azo antoka ny fanadihadiana mialoha.

Naneho ny tsy fankasitrahany ny mpampanoa lalàna ny havan'ireo niharam-boina:

Corruption kills! All politicians speak about integration into the European Union, but fail to respect the human lives. 14 fatalities, zero days prison time [for the responsible individuals]. Judiciary and Prosecutor's Office are part of and defenders of the organized crime, evil, (and the) oligarchy.

Mamono ny kolikoly! Miresaka momba ny fampidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny mpanao politika rehetra, saingy tsy mahavita manaja ain'olombelona. 14 no namoy ny ainy, tsy misy andro nidiran’ [ireo tompon'andraikitra] an-tranomaizina. Anisan'ny mpiaro andian-jiolahy, ny faharatsiana, (ary ny) fanjakan'ny olombitsy (oligarkia) ny Biraon'ny Fitsarana sy ny Fampanoavana.

Notakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hanokafana indray ny raharaham-pitsarana mifandraika amin'ny raharaha, ny fandinihana indray ny valim-pitsarana voalohany natao tao amin'ny fitsaran'i Tetovo, ary ny fandroahana ny Lehiben'ny Fampanoavana Ljubomir Jovevski sy ireo mpampanoa lalàna hafa voarohirohy tamin'ny fanadihadiana ny zava-nitranga.

Nilaza momba ny fitohizan'ny fitakiana ny rariny i Ibin Emshiu, izay namoy ny rainy sy ny rahalahiny tao anatin'ny fahamaizana:

„И денес како и пред две години, се уште ни се свежи во сеќавање нивните врисоци и плачот, беа изгорени пред нашите очи и бевме немоќни да ги спасиме. Тие денес не се меѓу нас само затоа што не се почитуваа градежните стандарди. Се обидоа да не исплашат и замолчат вреднувајќи ги нивните животи со неколку илјади евра, а се обидоа да ги сокријат вистинските виновници за оваа трагедија. Црниот чад што го прекри градот таа ноќ, денеска ја покрива правдата на оваа земја.“

Amin'izao fotoana izao, toy ny roa taona lasa izay, dia mbola mahatsiaro ny kiakiaka sy ny tabataban'ireo niharam-boina izay may teo ambany masonay izahay, raha tsy nahavonjy azy ireo izahay. Tsy anisantsika izy ireo ankehitriny satria tsy nohajaina ny fenitry ny fanorenana. Niezaka nampihorohoro sy nampangina anay ny [manam-pahefana] tamin'ny fanomezan-danja ny ain'ireo havanay tamin'ny vola euro an'arivony maro [nomen'ny fanjakana ny fianakaviana], no sady niezaka nanafina ny tena tompon'antoka tamin'ity loza ity. Ny setroka mainty nandrakotra ny tanàna tamin'io alina io, mandrakotra ny rariny eto amin'ny firenena iray manontolo ny androany.

Nanatitrantitra i Emshiu fa “eo am-pototry ny aotra” ny fitokisana fitsarana ao Makedonia Avaratra, raha lasa takalon'aina amin'ny fifanarahana politika sy ny fanomezana tolo-bidim-panjakana ataon'ny manam-pahefana izay mitady tombony amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny fiainan'ny olom-pirenena.

Novakiana teny amin’ny toerana nisy ny hopitaly vonjimaika Tetovo teo aloha ny fanambaràna iraisan’ny fianakavian’ireo niharam-boina. Nitohy namakivaky ny araben'i Tetovo, izay tanàna lehibe indrindra any amin'ny faritra andrefan'ny firenena ny diabe fihetsiketsehana. Ny Fitsarana Ifotony tao Tetovo no nitodian'ilay diabe.

Mpanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Fitsarana Ifotony tao Tetovo, Makedonia Avaratra tamin'ny 8 Septambra 2023. Sary: Fisnik Xhelili/Portalb.mk, nahazoana alalana.

Nilanja sora-baventy izay mitondra ireto teny filamatra ireto ireo olom-pirenena nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana: “Fanenjehana + Fitsarana = Teti-dratsy amin'ny heloka bevava”, “Alefaso any amin'ny ONCOLOGY (fitsaboana homamiadana) ny mpampanoa lalàna mpanao kolikoly”, “Vaovao sandoka ny Fitsarana eto”, “32 Taonan'ny [Fahaleovantena] = 32 taonan'ny Kolikoly, “Tsy mila fitsarana mifantina”, “Ny Rariny fa tsy fifampiraharahana”, “Tsy misy Rariny, tsy misy Fitoniana”, ary “Adidy ankehitriny, rariny mandrakizay”.

Ny sora-baventy “Alefaso any amin'ny ONCOLOGY ny mpampanoa lalàna mpanao kolikoly” dia maneho ny hatezerana momba ny voalaza fa fampiasana tsy ara-dalàna ny fanafody fitsaboana homamiadana any amin'ny hopitaly hafa, ny University Clinic for Oncology ao Skopje. Ahiana ho namela ireo marary efa fara-tampony ho faty ny mpiasa sasany ao amin'ity toeram-pitsaboana ity, no sady mivarotra indray ireo fanafody izay mety ho nanavotra ny ain'ireo; ary koa ny fampidirana anaty lisitra ireo marary efa maty ho velona mba ahafahana mividy fanafody bebe kokoa hamidy indray.

Ny sora-baventy “ny Rariny fa tsy ny fifampiraharahana” dia maneho ny hatezeram-bahoaka tamin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta sy ny parlemanta hanitsy haingana ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka bevava tamin'ny 6 Septambra amin'ny fepetra mampihena ny halavan'ny sazy ara-pitsarana noho ny kolikoly avo lenta, ary mamela ny fanitarana ny sata mifehy ny famerana izay mety hampitsahatra amin'ny fomba mahomby ireo raharaham-pitsarana maro ankehitriny mifandraika amin'ny heloka bevava “fanararaotana andraikitra”. Niahiahy ny antoko mpanohitra ara-poko Albaney fa “nanao fifanarahana” tamin'ny praiminisitra teo aloha sady gadra nandositra Nikola Gruevski ny governemanta mba hahafahany sy ireo manampahefana maro teo aloha tsy ho voahenjika sy higadra ho takalon'ny fanohanan'ireo depiote avy amin'ny antoko mpanohitra ara-poko Masedoniana VMRO- DPMNE ny fanovana lalàmpanorenana ilaina amin'ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana….

Sora-baventin'ny fihetsiketsehana amin'ny teny Masedoniana, Albaney ary Anglisy napetraka teo anoloan'ny Fitsarana Ifotony tao Tetovo, Makedonia Avaratra tamin'ny 8 Septambra 2023. Sary: Fisnik Xhelili/Portalb.mk, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.