Fitsikerana ny zavakanto Rosiàna : “Tsy azo vonoina na potehana ny zavakanto an-dalambe”

 

Zavakanto an-dalambe any Yekaterinburg. Hoy ny vakin'ny soratra hoe : “Tsy ho avy i Banksy”. Sary an'i Anna Marchenkova ho an'i Novaya Vkladka. Navoaka nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr‘i Eva Gogol ity dia navoak'i Novaya Vkladka voalohany tamin'ny 27 Jolay 2003. Ampahany iray voadika sy nokiraina no avoaka ato amin'ny Global Voices miaraka amin'ny fahazoandalana tamin'i Novaya Vkladka (The New Tab)

Antsoina hoe renivohitry ny zavakanto an-dalambe any Rosia i Yekaterinburg. Monina sy miasa eto ireo mpamorona zavakanto an-dalambe malaza eran-tany, ary mampiantrano fetiben'ny zava-kanto an-dalambe iraisam-pirenena ilay tanàna. Hatramin'ny niantombohan'ny ady, dia nampametra-panontaniana ilay sata tsy ofisialy : nandao an'i Rosia ireo mpanakanto sasany, raha ireo hafa kosa nogadraina noho ny asany manohitra ady. Na izany aza, aloha loatra  raha izao no handevina ny zavakanto an-dalambe ao Yekaterinburg.

Raha manana baomba fitifirana loko ianao : dia meloka araka ireo fiampangàna

Araka ny andàlana mikasika ny fanimbàna mifototra amin'ny fankahalana ara-politika ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Rosiana, nomelohin'ny Tribonaly hiaina enim-bolana anaty fahalalahana voafetra ilay mpanakanto Leonid Cherny (Egor Ledyakin no tena anarany). Amin'izao fotoana izao, tsy mahazo mandao ny tanàna intsony ilay mpamorona, na miova toeram-ponenana, na mandray anjara amin'ireo hetsika ho an'ny daholobe, na mandao ny tranony manomboka amin'ny folo alina hatramin'ny enina maraina.

Saingy mihevitra i Cherny sy ny mpisolovava azy fa ilay didim-pitsarana no vokatra tsara indrindra azo heverina. Iray amin'ireo safidy azo nosainina ny sazy figadrana telo taona.

Tamin'ny 18 Martsa 2022 no nosamborina i Cherny, tsingerintaona nakàn'ny Federasiona Rosiana an'i Krimea. Nahitàn'ny polisy baomba fitifirana loko sy ny taratasy fametaka manohitra ady teny aminy. Araka ny fanadihadiana natao dia voalaza fa nanoratra teny manevateva ny Filoham-pirenena i Cherny teo amin'ilay kiôska fivarotana voankazo sy legioma.

“Tsy mihevitra ny tenako ho meloka aho, mifototra amin'ny zava-misy avokoa ny porofo rehetra. Amin'ny maha mpanakanto ahy, any anatin'ireo asako tsirairay, dia miantso feon'ny fieritreretana sy ny maha-olombelona aho. Tsy nisy fiovàna tamiko”, hoy Cherny.

Zavakanto an-dalambe tsy misy anarana ao Yekaterinburg. Fivakin'ny soratra : “Special White Inscription” [GV : Satria voarara ny miantso ny adin'i Rosia amin'i Okraina ho ady, saingy ny olona kosa dia voatery mampiasa ny hoe “Special Military Operation” na  “Hetsika ara-tafika manokana”.] Sary an'i Anna Marchenkova ho an'i Novaya Vkladka. Navoaka nahazoana alalana.

Tandindonin-doza ireo mpanakanto

Tsy i Leonid Cherny irery no mpanakanto ao amin'ny faritra Sverdlovsk nampangaina ho nanao fanambaràna manohitra ny ady. Tamin'ny May 2022, nanaovan’ny fitsarana fanenjehana ara-pitantanana mikasika ny fanalam-baraka ny Tafika Mitam-piadian'ny Federasiôna Rosiàna ilay artista Alisa Gorshenina avy ao Nizhny Tagil. Tamin'ny 25 Martsa, io ramatoa tanora io dia nikarakara fitsatohana samirery tamin'ny fampiasana fitaovana mampikorontana – raozy fotsy misy ribà mitondra teny filamatra manohitra ny ady amin'ny fiteny Chuvash sy Tatar. 

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Alisa Gorshenina (@alicehualice)

Marobe  ireo fanenjehana ara-pitantanana sy heloka bevava namelezana ireo  mpanakanto an-dalambe no natomboka nanerana ny firenena tamin'ny taona lasa. Bogdan Zizu, mponina any Krimea dia voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina noho ny asa fampihorohoroana sy fanimbàna. Araka ny voalazan'ny FSB, tamin'ny alin'ny 16 May 2022, nandraraka loko mavo sy manga tamin'ny tavan'ny tranom-panjakana tao Yevpatoriya i Zizu sady nanipy cocktail Molotov teny amin'ny varavarankely. Tsy nisy ny naratra ary tsy nisy haintrano nitranga.

Toerana iray nahitana an'ireo asa amin'ny zavakanto an-dalambe fahiny tao Yekaterinburg, naverin'ireo manampahefana nolokoina. Sary an'i Anna Marchenkova ho an'i Novaya Vkladka. Navoaka nahazoana alalana.

Tamin'ny Jona 2023, tao amin'ny fitsaràna iray tao Borovsk (faritr'i Kaluga), voasazy handoa onitra RUB 35,000 [eo amin'ny 500 USD tamin'izany fotoana izany] i Vladimir Ovchinnikov, mpanakanto iray 85 taona, araka ny lalàna iray izay manao ho heloka bevava ny “faniratsiràna” ny tafika mitam-piadiana rosiàna. Tamin'ny Aprily lasa teo, nahazo sazy mitovy amin'io ihany i Ovchinnikov noho ny sarin-jazavavy iray nitafy manga sy mavo ary misy baomba nitontona taminy. 

Mihamanjavona ireo loko

Noho ny fitomboan'ny tsy fandriampahalemana amin'ny asan-dry zareo, marobe ireo mpanakanto no nanomboka nandao ilay firenena.

Lasa ilay mpanakanto Slava PTRK, izay nisava làlana hatrany amin'ny niandohan'ny zavakanto an-dalambe sy an-tanandehibe tao amin'ny faritra. “Nifindra toerana aho handositra ilay onjam-panetsehana mandritra ny ady, izay izay notoheriko hatrany am-boalohany, natombok'ireo manampahefana izay tsy tohanako ihany koa,” hoy izy.

Slava PTRK dia fantatra amin'ireo sanganasany izay manafangaro ny kolontsaina ‘pop’ amin'ny vaovao mitranga. Ohatra, tamin'ny 2020, nataony ny sarin'ny Patriarka Kirill ho toy ilay mpilalao ny Scrooge McDuck milomano ao anaty vola mitobaka. Ankehitriny, ao Montenegro i Slava PTRK lno monina, toerana amoronany ireo sanganasa ‘minimaliste’ izay mazàna no mijanona ho tsy misy lohahevitra.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Slava Ptrk (@slavaptrk)

‘Tsy mahatsapa fihetseham-po velively ireo pragmatista (mpiaina fotsiny ny zavamisy)’

Na izany aza, ny asa taokanto manohitra ady dia mbola hita hatrany ao an-tanàna. Anisany namorona asa marobe tahàka izany teny an-dalamben'i Yekaterinburg ilay mpanakanto BFMTH.

Sanganasan'ilay mpanakanto an-dalambe BFMTH. Sary natolotr'i BFMTH. Navoaka nahazoana alalana tamin'ny Novaya Vkladka

Ny sary eo ankavanana : “Pizdezh 1” [Bullshit 1], izay araka ny famolavolana azy dia manondro ny fangon'ilay fantsom-pahitalavi-panjakana “Russia 1.” Ny eo ankavia, mivaky toy izao ny soratra : “Lehibe ny firenena, ampy ho an'ny rehetra ny tany”. Soratana amin'ny litera Z latina ny teny hoe tany [земля], izay marika nahindrahindran'ny governemanta ho an'ny fananiham-bohitra Rosiana tao Okraina.

Sanganasany iray hafa tamin'ireo manan-danja ny sarin'i Vladimir Poutine vita printy napetaka tamin'ny transfô iray tao anaty tokontany iray voafefy, ka toy ny manome hevitra hoe voagadra ny filoha rosiàna.

Nanazava tamin'i Novaya Vkladka i BFMTH fa tao anatin'ireo trangan-javatra ireo, tsy vitany ny hamorona sanganasa tsy misy hifandraisany amin'ny ady.

“Heveriko fa zava-dehibe ny hanohizana ny asako sy hiezahana hampiseho amin'ireo izay tavela ao amin'ny firenena fa sady azo atao no ilaina ny miray hina sy maneho hevitra manohitra ny ady.” Tahaka ireo izay mandray anjara amin'ny hetsika : ‘White Rose’ [fony Alemaina Nazi] niezaka niady tamin'ny fitondrana, dia miezaka mandray anjara amin'ny alàlan'ny zavakanto andalam-be, sariitatra sy ireo sary petaka aho. Rehefa mandao ny firenena ianao, ianao [amin'ny maha mpanakanto anao] dia very ny fifandraisanao”, hoy ny BFMTH nanamafy.

Fanampin'izany, tahaka izay nolazain'i Alexey Shakhov, mpikaroka momba ny zavakanto an-dalambe, mamorona fomba vaovao ireo mpanakanto an-dalambe ao Yekaterinburg mba hifandraisana amin'ireo mpihaino azy. “Miezaka mifandray amin'ny alalan'ny fitenin'ny fihetseham-po ireo mpanakanto. Tena tsy takatry ny rafitra ofisialy mihitsy io fiteny io: tsy mahatsapa fihetsehampo velively ireo pragmatika.”

Taokanto “Zazakely indostrialy”, noforonin'ny vondrona mpanakanto LKKL, ireo mpanakanto Lyudmila Kalinichenko sy Ksenia. Sary an'i Anna Marchenkova ho an'ny Novaya Vkladka. Navoaka nahazoana alalana.

Na eo aza ny firogatry ny sivana, manohy miasa ao Yekaterinburg ireo mpanakanto, na eny an-dalambe izy na tsia.

Zavakanto an-dalambe tsy mitonona anarana, tany Yekaterinburg. Miteny ny tsatoby hoe : “Lamaody foana ny mba ho afaka”. Sary an'i Anna Marchenkova ho an'ny Novaya Vkladka. Navoaka nahazoana alalana.

Na izany aza, tahaka izay nanindrian'i Shakhov azy, tsy nahasakana ny olona ny sivana. Jereo fotsiny i Leonid Cherny: nandalo fitsarana izy ary, na teo aza izany, dia manohy miasa izy. Io [fihamafisan'ny lalàna sy ny sivana io] dia tsy nanakana na nanakombona  ny vavan'ny olona. Mifanohitra amin'izany, ao Yekaterinburg, hitako ireo mpanakanto manana toetsaina mahatanty kokoa noho ny any an-kafa”, hoy izy namarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.