Fahalotoana ateraky ny plastika madinika ao Sri Lanka : ho mpamono olona mangingina

These tiny plastic pellets, or nurdles, have been washing up on the shores of Sri Lanka, after the MV X-Press Pearl cargo ship sank off the coast of Colombo in Sri Lanka. Screenshot via YouTube by Alliance to End Plastic Waste. Fair use.

Ireto plastika madinika ireto, na potipotika plastika ‘nurdles’ dia natsipin'ny rano teny amorontsirak'i Sri Lanka, taorian'ny filentehan'ny sambo MV X-Press Pearl teo amoron'i Colombo, any Sri Lanka. Pikantsary avy amin'ny YouTube “Mivondrona mba hanadio ny morontsirak'i Sri Lanka” nataon'ny Fiarahamientana hanafoana ireo fako plastika. Fampiasana ara-drariny.

Ity lahatsoratra avy amin'ny Prof. Hiroshan Hettiarachchi ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Groundviews, tranonkala Web iray an'ny median'ireo olom-pirenena ao  Sri Lanka. Ampahany iray nasiam-panitsiana sy nafohezina no navoaka eto ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty miaraka amin'ny Global Voices. 

Mbola zaza aho fony i Sri Lanka nanokatra ny toekareny tamin'ny faramparan'ny taona 1970. Ny fidiran'ny plastika tao amin'ny Nosy no anisan'ireo fiovàna vitsy hita maso tsaroako avy hatrany avy eo. Mora kokoa ny plastika, maivana ary manintona (maroloko farafaharatsiny) raha oharina amin'ireo fitaovana vita amin'ny metaly na hazo nananantsika tamin'izany fotoana izany. Fotoana kely fotsiny, maro ireo fitaovan-dakozia nentin-drazana marobe vita avy tamin'ny hazo sy vy dia voasolo ho plastika. Kitapo, kaopy, vilia, haingon-trano sy fanaka (taona vitsy taty aoriana) no anisany ohatra mahazatra indrindra. Tsy tao Sri Lanka ireny ihay io fiovàna io no hita ; ny taona 70 no taompolo tena nanomboka nalaza indrindra ny plastika eran'izao tontolo izao.

Na izany aza, tsy nisy olona nanahafantatra mihitsy ny mety ho vokatr'ity akora vaovao ity amin'ny fako eto amin-tsika. Fako inona ? Tsotra be mihitsy ny fiainana tamin'izany ; sady, tsy dia nanana zavatra betsaka ho atsipitsipy ny olona. Taorian'ny namerenana nampiasa indray ireo taratasy sy tavoahangy vera ary ireo fako metaly naverina nahodina indray – nataon'ireo izay nanangona azy ireny ho fivelomana – ny ankamaroan'ireo fako madinika sisa tavela dia ireo mora potika ara-biolojika. Ny plastika kosa dia tsy mora potika sady tsy mbola nisy tsenam-barotra fampiaàna azy fanindroany ho azy ireny koa tamin'izany fotoana izany.

Nanova hatrany ifotony ny tahan'ireo fako ny lazan'ny plastika ary nila roapolo taona izao tontolo izao vao nahatakatra ny fandotoana tontolo iainana naterany nandritra ny taona maro nifandimby. Indroa miantaona io fandotoana io : mitranga amin'ny ambaratonga mikrô sy amin'ny ambaratonga makrô koa. Ny olana makrô amin'ireo zavatra plastika lehibe tsy voalanjalanja izay hita eny an-tanety na any anatin'ireo ranomasimbentsika sy ireo rano hafa no fahavoazana hita maso, zavatra izay mety ho vaovaha amin'ny alalan'ny fitantanana ny fako araka ny tokony ho izy sy maharitra. Ireo potika plastika madinika no miteraka ny olana mikrô – 5 mm na latsaka ny habeny araka ny famaritana ankehitriny. Na dia madinika tena mikrômetatra vitsivitsy aza ny sasantsasany (1 mikrômetatra = 1/1 000 milimetatra), dia tsy maintsy mampiasa ny maridrefy nanômetatra ianao mba handrefesana ireo zavatra tena kely kokoa (1 nanômetatra = 1/1 000 mikrômetatra). Ny haben'izy ireo no mahatonga ny fandotoana mikrôplastika ho tena sarotra iadiana, na misy aza rafitra tsara ho fitantanana ny fako. SECURITE FEMME DE 

Fa inona marina no atao hoe fandotoana mikrôplastika ? Mba hamaliana an'ity fanontaniana ity, andao ianareo ho entiko any an-dakozian'ny reniko tany amin'ny faramparan'ny taona 1970. Ny hazo fitetehana no fandinihana tsara indrindra nataoko fony mbola zaza aho. Vetivety dia nosoloina tamin'ny fitetehana vita tamin'ny plastika ilay hazo fitetehana vita amin'ny hazo izay an'ny reniko. Na vita amin'ny hazo na vita amin'ny plastika dia mamela tsipika foana isaky ny dian'antsy, ary mandritra ny fotoana ampiasana azy dia misy sombiny kely verintsika foana aminy. Na dia mety rava aza ny zavatra iray vita tamin'ny hazo dia miha-zavadoza hatrany ny fahapotehan'ny plastika rehefa mandeha ny fotoana.

Ny tena fanontaniana dia ny fahafantarana izay mitranga aterak'ireo sombintsombiny kely miala avy amin'ireo plastika. Ny valinteny tsotra dia ny hoe na izy ireo miafara any anaty sakafo, na any anaty fako mahazatra mivangongo eny an-jaridaina. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia isika ihany no mampihinana mikrôplastika antsika sy ny tontolo iainantsika, manomboka hatreny an-jaridaina ka hatreny an-tokontany sy ny  rano. Na tototry ny fitaovana vita amin'ny plastika aza ny firenena dia tsy mba nampahafantarina antsika akory ny fetran'ny plastika ary tsy nambara tamintsika velively hoe tsy azo ampiasaina maharitra ela ny fitaovana vita amin'ny plastika. Tsy isika irery ; izao tontolo izao dia ao anatin'ny tsy fahalalana mikasika an'io lohahevitra io mandra-pahitàna ny haben'ny fandotoana mikrôplastika efa ho 20 taona lasa izao.

Tafiditra manontolo ao anaty fiainantsika ankehitriny ny plastika ary voahodidin'ny fitaovana plastika an'arivony maro isika izay mandray anjara amin'ny fandotoana mikrôplastika. Izy ireo dia vita amin'ny akora/loko isan-karazany ary afaka aseho amin'ny alalan'ny endrika isan-karazany, toy ny silantsilany, tadikely, potipotika, roadroatra, ravin-takelaka manify sy ny sisa. Ohatra vitsivitsy ihany ireo fitaovan-dakozia azo ariana, sy ny tavoahangin-drano, ny zinga sy jobo vita amin'ny ‘polystyrène’, vokatra ara-pahasalamana, ny fanadiovana, ny akanjo, ny kodiaran'ny fiara ary ny poti-tsigara.

Anisany iray amin'ireo lehibe indrindra mahatonga ny olana ny fako plastika tsy tsara tantana. Ny ankabeazan'ny mikrôplastika dia noforonina tamin'ny alalan'ny fandravana ny plastika ngeza kokoa ho plastika madinika kokoa ary ireo potika madinika ireo dia mety ho nanômetatra vitsivitsy monja. Izany dia midika fa ny ankabeazan'ny mikrôplastika misy ao anatin'ny tontolo iainantsika dia tsy hitantsika maso akory. Tsy azo tsapain-tanana ihany koa izy ireo ary tsy voasakana amin'ny alalan'ny fametrahana toeram-panadiovana rano sy rano maloto. Vokatr'izay, ny ankabeazan'ny rano fisotrontsika (anisan'izany ny rano amin'ny tavoahangy) dia ahitana mikrôplastika. Làlana mora indrindra ho an'ireo mikrôplastika mba hidirana ao anaty vatan'olombelona sy biby ny rano sy ny sakafo. Voaporofon'ireo fikarohana siantifika vao haingana fa hita any anatin'ny taovan'olombelona avokoa ny mikrôplastika, eny fa na any anaty rononon-dreny aza.

Inona marina ireo fahasimbàna mety ateraky ny mikrôplastika amintsika sy amin'ny tontolo iainantsika ? Tena poizina ho an'ny zavamanan'aina rehetra fotsiny izy ireo. Raha vantany vao voatelina na voafoka fotsiny ireo mikrôplastika, dia afaka mivezivezy any anaty tsinay ary ireo mirefy latsaky ny 150 mikrômetatra dia afaka manavatsava ny làlan-drà ary mety hanakorontana ny fanoheran'ny hery fiarovana. Fanadihadiana iray vao haingana no nampahatsiahy fa ireo kasinga madiniky ny ‘polystyrène’ izay mirefy 50 nanômetatra na latsaka dia manana fahafahana ihany koa miditra any anaty atidohan'olombelona. Mety hahatonga tsy fahavokaran'ny tany sy ireo bibikley mivelona ao aminy ny mikrôplastika. Ohatra, efa voamarina ny fahafahan'ny mikrôplastika miantraika amin'ny fivoarana sy ny fahafatesan'ny kankana anaty tany.

Raha tena ratsy toy izany ny plastika, tsy tokony hatsahatsika ve ny famokarana azy? Tsy misy fomba tsotra hamaliana an'ity fanontaniana ity. Lasa fitaovana tena ilaina ny plastika, mora vidy sady be mpampiasa. Hanana ny toerany eran'izao tontolo izao izy io mandra-pahitantsika safidy hafa saingy tsy misy kandidà hafa mahasolo ny toerany tazana eny amin'ny faravodilanitra : farafaharatsiny tsy mbola.

Matetika isika mihevitra fa ny rafitra fitantanana tsara ny fako (fanangonana, fikarakarana sy famotehana amin'ny farany ny fako) dia tokony afaka hanampy antsika hiady amin'ny mikrôplastika, toy ireo karazana fako rehetra. Indrisy anefa fa tsy izay no mitranga. Mety ho vahaolana amin'ny ampahany fotsiny izany, satria ny mikrôplastika dia tsy vitan'ny hoe fako plastika monja ihany (nateraky ny tsy fitantànana tsara). Fanahy iniana na tsia, tomponandraikitra amin'ny famokarana sy ny fanariana azy ireny eny amin'ny tontolo iainana isika.

Ny famokarana tsy nahy ireo mikrôplastika no mandrafitra ny ampahany tena saropady indrindra amin'ilay piôzila. Ny ohatra momba ny hazo fitetehana, ny volovolo (peluches) navelan'ireo akanjo mandritra ny fanasana lamba sy ny fanahazana ary ny fahasimban'ny kodiarana fiara dia ohatra vitsivitsy monja amin'ny famokarana tsy nahy ataontsika. Tsy vita akory aza ny hitanisa ireo làlana rehetra mety hiteraka ny famokarana mikrôplastika satria fotsiny tsy mbola fantantsika ny tantara feno mikasika izany. Na izany aza, tokony hiezaka isika, farafahakeliny, mba hisoroka ireo izay fantantsika sy azontsika atsahatra. Mandra-pahitana vahaolana tsara kokoa hanoloana ny plastika na hiadiana amin'ny mikrôplastika, ny fitsipika ankapobeny dia ny tokony hisorohana ny fampiasana anjambany ny plastika eo amin'ny fiainantsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.