Taratasim-baovaon'ny RV : Fihaonan'ny Wikimedia amin'ny Fiteny Ganeàna, sy ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny manerana ny tany

Fihaonan'ny Wikimedia Ganeàna 2023 (Sir Amugi, CC BY-SA 4.0, avy ao amin'ny Wikimedia Commons)

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Arahaba ry mpamaky. Manakory aby isika amin'izao Septambra izao?

Anatin'ny fanokafana ity laharana ity, dia mahafaly anay ny miarahaba ity kaonferansa kely momba ny fiteny ity izay natao tao Ghana tany amin'ny fiandohan'ity taona ity. Izy io dia hetsika iray nokarakarain'ny Vondrom-piarahamonin'ny Wikimedia Ganeàna ho an'ny Fiteny, izay ivondronan'ireo  Wikimedians avy amina Vondrona Mpampiasa miisa sivy — ka ao anatin'izany ny an'ny fiteny Dagaare, Dagbani, Ewe, Fante, Ghanaian Pidgin, Gurene, Kusaal, Moore, ary ny Twi. Tsy hoe fihaonana fotsiny izy io, fa koa hetsika iray nifampiresahan'ireo olona manana zava-mahaliana iraisan-dry zareo momba ny dingana vitany, ireo fanamby natrehany, ary hatramin'ireo tetikasa novolavolainy ho an'ny hoavy mba hampihenàna ny fivakisana nomerika ateraky ny sakan'ny fiteny.

Heni-boninahitra ny Rising Voices afaka nanatrika io hetsika io ary amin'ny alàlan'ny hetsika tahaka izany dia tsy andry izay hifandraisana amin'ireo mpikatroka nomerika rehetra ho an'ny fiteny manerana ny tany !

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Liana amin'ny fianarana mivantana mikasika ny anjara asan'ny Aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao indray ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonin-doza na tsy ampy fitaovana ve ianareo ? Ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa aminy ankehitriny dia mitondra fihodinana vaovao ho anareo amin'ilay fifandimbiasam-panentanana Twitter ho an'ny taona 2023, ahitana isan-kerinandro ireo mpikatroka nomerika maneran-tany ho an'ny fiteny. Andao hiaraka anay ary henoy izay ho zarain'izy ireo!

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Nicaela León [es]: mpiteny no sady mpahay momba ny fiteny Quechua, avy ao Bôlivia, ary mpiara-manorina ny  Proyecto Atuq Yachachiq, izay mikendry ny hampiroborobo ny fitaovana ho an'ny literatiora sy fampianarana ny Quechua mba hitoetra ho manandanja hatrany eto amin'izao tontolo izao sy eny anivon'ireo andian-taranaka tanora ilay fiteny.

@DigiAfricanLang (Afrika)

  • Lucy Chinyeaka Iwuala: mpiteny sy mpikatroka ho an'ny fiteny Igbo, monina ao Nizerià, liana amin'ny fametrahana ho anaty tontolo nomerika ireo fiteny zanatany amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia
  • Surajo Teete:  Fulfulde mpikatroka avy ao Nizerià, nanorina ny famoaham-baovao amin'ny fitenin-drazany ho fomba iray hitahirizana azy ho velona ety anatin'ny tontolo nomerika
  • Adéṣínà Ayẹni: mpisolovava manana talenta maro, mpiaro ny lova ara-kolontsain'ny Yorùbá, no sady mpitantana ihany koa ny asa fandikana lahatsoratra ho an'ny Global Voices amin'ilay fiteny. Ny nofinofiny dia ny hahafantaran'ny zanaka Yorùbá tsirairay ny fitenin-dry zareo
  • Mikaeel Sodiq Adesina: mpikatroka ho an'ny fiteny, monina ao Nizerià, nandray anjara tamin'ny Wikipedia Yoruba  ary manantena fa tsy ho menatra amin'ny fampiasàna ny fiteniny ety anaty habaka nomerika ireo vahoakany

Amin'io lafiny io, tianay ianareo ho entina mankany Aostralia, hanaraka tantara roa mifandraika amin'ny PULiiMA, kaonferansa momba ny fiteny zanatany sy ny teknôlôjia, hetsika fanao in-droa isantaona izay vao avy nifarana tamin'ny Aogositra teo, ka tamin'izany dia tonga ny olona mba hitrandraka hevitra sy fitaovana afaka hanampy amin'ny fampandrosoana ireo tetikasam-piarahamonina momba ireo fitenim-bazimba teratany.
→ “Mampifandray andian-taranaka: Ivontoerana Bininj Kunwok, manafangaro ny teknôlôjia sy ny fombandrazana ho an'ny fiteny
→ “Fitahirizana ny fizakàmanana ara-tsaina ny kolontsaina vazimba teratany ao Aostralia any anaty fitantaràna nomerika

Ary tianay ny hahafantaranareo ny mikasika ny tantaran'ny fiteny Amazigh : manomboka amin'ny fandraisana anjaran'ireo olompirenena voasakantsakan'ny tsy fisian'ny fiarovana ny fiteny, ny tolon'ny vahoaka mba hisian'ny tsy fitanilàna, hatramin'ny anjara toeran'ireo fitaovana amin'ny fanovàna ny sata misy azy.
→ “Morocco's Amazigh pursue civic presence through linguistic rights” [Ang.]

FITAOVANA & LOHARANO

Ianao ve mpiteny Yorùbá no sady koa mpankafy ny teknôlôjia?  Nahita fantsona YouTube izahay, izay mety ho ilay tena ankamamianao! Ao amin'io fantsona io, antsoina hoe Tech in Yorùbá, ahitàna lahatsary 51, i Wuraola Oyewusi, ilay siantifika mpahay momba ny angondrakitra no sady mpampianatra teknika, no miresaka ireo fotokevitra teknôlôjika, manomboka avy any amin'ny resaka infôrmatika ka hatrany amin'ny fiarovana an-tserasera sy ny siansan'ny angondrakitra ary ny AI (Artificial Intelligence). Tianao ve ny hijery ny  momba sy mba hampahafatatra anay izay hevitrao ?

HAMAKY, HIJERY, HIHAINO BEBE KOKOA

 

Misorata anarana hahazo ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.