Fitahirizana ny fizakàmanana ara-tsaina ny kolontsaina vazimba teratany ao Aostralia any anaty fitantaràna nomerika

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Indigital hololens prototype

Fanamarihana: ny Puliima Indigenous Languages + Technology Conference dia atao ny 21-25 Aogositra 2023 ao an-tananan'i Darwin, Aostralia. Mahafaly ny Rising Voices ny maha-mpiaramiasa azy manohana io hetsika io izay ifamotaonan'ireo solontena mihoatra ny 900 avy amin'ny faritra rehetra. Mandritra ny herinandro, izahay dia hanolotra ireo mpandray anjara samihafa izay mampiditra ny teknôlôjia sy ny media nomerika ho ao anatin'ny asa ataony ho an'ny fiteny.

Anissa Jones dia Boorooberongal Dharug dhiyin iray avy ao  Marrengorra (Richmond), Dharug Ngurra (Firenena) fantatra amin'ny hoe Sydney, Aostralia. Nandritra ny 20 taona mahery izy no efa nampianatra tamin'ny ambaratongan-tsekoly rehetra sy tany amin'ireo habaka fampianarana asa sy oniversite. Reny niteraka telo izy ary reniben-jaza roa, mipetraka amin'izao fotoana izao any Cootamudra ao amin'ny  firenena Wiradjuri. Manana ny maripahaizana ambony Master amin'ny fampianarana ireo fiteny indizeny izy ary nampiditra ny fitiavany ny teknôlôjia ho ao anatin'ny fitiavany ny fiteny Dharug Dhalang .

Ny sasany amin'ireo fitaovana ankasitrahan'i Anissa amin'ny asany ho an'ny fiteny sy ny teknôlôjia dia ahitàna ny Flip, Pixton, Padlet ary ny Google Suite. Ankoatra ireo, iarahan'i Anissa miasa ihany koa ny fandaharanasa Indigital mba hampidirana ny “réalité augmentée” ( ho ao anatin'ny fitantaràna nomerika.

Ao anatin'ity antsafa tamin'ny imailaka nifanaovany tamin'ny Rising Voices ity, zarain'i Anissa ny sasany amin'ireo torohay fanampiny momba ny fotoana famelabelarany tao amin'ny Puliima, nitondra ny lohateny hoe, Bayala Muru – dingam-pitenana: Ny lanjan'ny fitantaràna nomerika sy ny fitahirizna ny ICIP-nay (amin'ny fiteny anglisy)

Rising Voices (RV): Azonao zaraina fohifohy ve ny tena tanjona ifantohan'ny famelabelarana nataonao tao amin'ny kaonferansa  Puliima?

Anissa Jones (AJ): Ny famelabelarako dia momba ny fampiasàna teknôlôjia hiraketana ny tantaranay sy ny fiteninay ho an'ny fitantaràna nomerika. Ny tena zavadehibe indrindra dia ny famantarana ny fomba atao mba hamoronana ireny tantara ireny hitahirizanay ny Indigenous Cultural Intellectual Property (ICIP)-nay rehefa miasa anatina habaka tsy ana vondrom-piarahamonina, toy ireo toeram-pianarana. Voalohany indrindra, ny fitantaràna nomerika dia momba ny fifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny mba fahaizana kely ny teknôlôjia. Azonao alaina amin'ny fampiasàna taratasy, pensilihazo sy fakantsary/finday na fandraisampeo iray ny fitantaràna nomerika. Arakaraky ny fandrosoan'ny teknôlôjia, ilaintsika ny mahafantatra misimisy kokoa momba ny ICIP rehefa mitetitety ireo fitaovana sy andrim-panjakana rehetra liana amin'ny Fiteny Indizeny sy ireo tantara. Fomba iray hiatrehana an'io ny fampiasàna ireo orinasam-bahoaka na ireo ivontoerana fampiofanana manana fahatakarana tsara ny atao hoe ICIP sy ny arofenitra ara-kolontsaina. Iray hafa ny fampiasàna ny Lalànan'ny Fifanarahana mba hiantohana ny fomba fahatakarantsika, ny fisiantsika ary ny fanaontsika ho tavela miaraka amin'nyvondrom-piarahamonina.

RV: Inona no antenainao horaisina / hianaran'ny mpihaino rehefa avy manatrika ilay famelabelaranao?

AJ: Antenaiko fa ireo singa navoitra nandritra ny famelabelarana dia ho ny lesona tsara indrindra hotehirizina ary hanosika ireo rehetra nanatrika tao mba hamorona ny tantara nomerika azy manokana. Ny tena lafatra dia tiako ny hamorona vondrom-piarahamonina iray ahitana Mpitantara amin'ny endrika nomerika afaka hitondra ny zavatra nianarany ho any amin'ny vondrom-piarahamonina misy an-dry zareo ary hamorona toeram-pitahirizana an-dry zareo manokana, miasa miaraka amin'ireo fitaovana izay mety tsara amin-dry zareo ary mahafantatra fa ny ICIP-ndry zareo  dia voaaro. Heveriko fa tena zava-dehibe ny maka lesona avy amin'ny tsirairay ary fantatro fa hahazo lesona avy amin'io traikefa io koa aho. Tiako ireo rehetra nandray anjara raha mba hahatsapa fa io no fomba tsara hampiasàna ny teknôlôjia sy ny fiteny, tsy hanohintohinana ny finoana ara-kolontsaina ananan-dry zareo.

RV: Inona no tena andrandrainao fatratra avy amin'ny kaonferansa Puliima?

AJ: Eny, reko fa hoe tsara ny laksa, araka izany dia andrasako fatratra tokoa izy io. Ny vazivazy eo ihany, fa tsy andriko ny hahita ny mittigar mudjin (namana sy fianakaviana) ary koa hametraka fifandraisana vaovao, hifampizara hevitra sy hikakakaka fotoana fohy.

Manantena aho ny hahay zavatra avy amin'ireo vahoaka Larrakia, ireo olona mahafinaritra nampiantrano anay tamin'ity hetsika ity, sy avy amin'ireo hafa mpamelabelatra tato amin'ny Puliima, indrindra fa momba ny traikefan-dry zareo amin'ny fanomezana aina vao ny fiteny sy ny rafitra fampianarana amina fiteny roa.

Tsy andriko ny hiaina ireo anjoria sy fifandraisana vaovao izay hifamatorako, ary hiaina fotoana mahafinaritra eo am-panaovana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.